Actualités

Voarohirohy amina halatra fiara Nosamborina indray ny lietna Dera omaly


  • Alakamisy 23 Desambra 2010


Taorian’ny fahafahany tamin’ny resaka BANI dia nisy resaka hafa indray omaly nisamborana ny lietnà Dera. Halatra fiara indray no dosie nitaty ary ilay fiara voalaza fa nangalariny mihitsy no nalaina teny aminy teny an-dalana avy nihazo ny rafozany eny Talatamaty. Efa nohenjehina matetika teny amin’ny zandary ity lietna ity noho ny maha zaodahin’ny jeneraly Noely Rakotonandrasana azy. Voalaza fa tao ambadiky ny resaka BANI ny tenany tamin’ireny tranga ireny. Rehefa tonga teny anivon’ny fitsarana anefa ity raharaha ity dia nafahana izy satria tsy nisy idirany ilay resaka. Amin’izao fotoana izao indray dia fiara golf no voalaza fa nangalariny. Araka ny loharanom-baovao dia tonga teny amin’ny zandary teny Ankadilalana ny tompon’ilay fiara ary nisaotsaotra mihitsy, rehefa voasambotra ny lietna Dera. Araka ny fantatra dia ny laharan’ilay fiara ihany no nitondran’ny lietna Dera ilay fiara niriaria teto an-drenivohitra hatramin’izay. Raha fiara halatra angamba tsy nentina tahaka izany fa na novana ny laharany na ny lokony mihitsy aza. Ho hita ny tohiny ! 

Rakoto Maxime

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • JIRAMA
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Handatsaka orana artifisialy

  • Voaheloka sy mbola
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

misy dosie goavana i Marie Michelle

  • FAHARETAN’NY
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

PASIPAORO HO 10 TAONA

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

Hijery ny tohiny
FTT