Actualités

Voarara hiditra an’Analakely Nitokona ireo taxiben’Ambohimanarina


  • Alarobia 05 Janoary 2011

Vao maraina omaly dia efa sahirana ireo mpandeha ny zotra 114 sy 112. Tsy nisy niasa ny taxi-be fa nigrevy.

Raha araka ny fanazavan’ireo saofera sy resevera dia noho ny tsy fahazoan’izy ireo alàlana mihodina any Analakely no anton’ny tsy fahafalian’izy ireo. Lasan’ny zotra 105 avokoa ny olona tokony hoentinany satria izy irery ihany no afaka mandalo eo Analakely. Nihena be ny vola azonay isan’andro hany ka voatery izahay mitokona. Tsy tratra intsony ny “versement” isan’andro tokony haloa. Izay no fanazavan’ireo mpitatitra. Nosakanan’izy ireo tamin’ny fiara ny làlana tetsy Andraharo izay mihazo an’Ambohimanarina. Voatery niditra an-tsehatra mihitsy ny mpitandro ny filaminana mba handravàna an’izany. Omaly dia mbola nitokona teo anoloan’ny biraon’ny firaisana Ambohimanarina ireo olona ireo. Nanaitra ny tompon’andraikitry ny fiadidiana ny tanànan’Antananarivo ny zava-nisy.

Ny tolakandron’iny ihany dia nikarakara fivoriana izy ireo. Noraisina ny delegasionan’ireo mpitatitra ary nifampiraharaha tao ny ankoalafy roa. Tapaka tamin’izany ary, raha araka ny loharanom-baovao akaiky ny Kaominina Antananarivo-Renivohitra, fa tsy misy afaka ny mihodina any Analakely intsony ny zotra 105, 112 ary 114. Ny 112 dia nanapa-kevitra avy hatrany fa hijanona eo Behoririka ihany, anoloan’ny Magro ny fiantsonan’izy ireo. Ireo ambiny kosa dia afaka ny mihodina ao Behoririka, manoloana ny Toyota Rasseta sy ny Piment-café. Raha ny zava-misy izany dia niravona omaly ihany ity raharaha ity. Saingy tsy azo adinoina kosa manoloana ity zava-nitranga ity fa noho ny fandaminana taorian’ny nisian’ny Lapan’ny tanàna vaovao no antony nahatezitra ireo mpitatitra. Nivadika avokoa ny làlana izay tokony handehanan’ireo zotra marobe.

Tsy azo lavina ihany koa fa lasa fitohanana tsy azo eritreretina eo Analakely noho ny fanapahana ny làlana sasany. Ekena fa tsara ny zava-bita saingy mba tokony hojerena akaiky kosa ny fiantraikan’izany amin’ny fifamoivoizana. Be loatra mantsy ny fitohana naterany, ny fahasahiranan’ny olona manaraka izany. Na izany koa dia isan’ny mampitaraina ny mpandeha eny Ambohimanarina ny afitsok’ireo taxibe ireto izay mpanao tam-pody fohy, miverina an-dalana eo Antanimena amin’ny CEG ry zalahy rehefa somary mitohana ny fifamoivoizana. Nony injay anefa tsy navela hiditra an’Analakely, dia izao nitokona izao indray … 

r.d

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

  • Depiote Nicolas Randrianasolo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Mila mitandrina i Kolonely Michael !»

  • HORONAN-TSARY MAMOAFADY
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Tanora miisa 15 no nosamborina

  • KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Ankizy 759 isa notolorana kopia mari-pahaterana

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

Hijery ny tohiny
FTT