Actualités

Voahangy Rajaonarimampianina Nankahery ny vady miaramila amin’ny asa soa ataon’izy ireo


  • Alakamisy 24 Aprily 2014


 Notanterahina omaly teny amin’ny Chapelle Miaramila eny Ampahibe ny fiombonam-bavaka nokarakarain’ny Fikambanan’ny vady miaramila – FIVAMI, ho fitondrana am-bavaka ny fiainam-pirenena. Fanao isan-taona izy ity, ary manerana an’i Madagasikara. Tonga niara-niombom-bavaka tamin’izy ireo Rtoa Rajaonarimampianina Voahangy, vadin’ny Filoham-pirenena notronin’ny minisitry ny raharaham-bahiny Razafitrimo Arisoa Lala, ny minisitry ny mponina sy raharaha sosialy, Johasy Raharisoa Eléonore, ny vadin’ny Filohan’ny delegasiona manokan’ny Kaominina Antananarivo, Fara Andriamanjato.

Tao ihany koa ireo Foloalindahy sy ireo mpikamban’ny FIVAMI. Nankahery hatrany ireo vehivavy ny amin’ny asa soa ataon’izy ireo ary indrindra ny fitondrana am-bavaka mandrakariva ny firenena Rtoa Voahangy Rajaonarimampianina. Ary nampiany fa ny FIVAMI dia tsy fikambanan’ny vady miaramila ihany fa «finoana sy vavaka miaraka».

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

  • FIATREHANA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

NY EL NINO

  • Trafika sokatra
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Vehivavy mpandraharahan'ny

  • KAOMININA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

Hijery ny tohiny
FTT