Actualités

Vinantolahin’ny Pr Ranjeva Voaantso eny Fiadanana indray anio


  • Alatsinainy 20 Desambra 2010

Mbola nampanantsoin’ny eny amin’ny sampandraharahan’ny zandary misahana ny heloka bevava eny Fiadanana hanaovana fanadihadiana indray i Marc Ratsisalovanina, vinantolahin’ny Pr Raymond Ranjeva anio alatsinainy amin’ny 9 ora maraina.

Hatreto aloha dia tsy fantatra mazava ny anton’ny fampiantsoana fa ny marihina dia efa natao fanadihadiana teny Ankadilalana izy ny ampitson’ny fisavana natao tany an-tranony eny Ambaranjana ny alahady 21 novambra 2010, ny ampitson’ny raharaha nitranga teny amin’ny BANI ka nisamborana ireo manamboninahitra 16 lahy tao anatin’ny Komity miaramila ho fanavotam-pirenena ary efa navela hody fa ny vadiny (Riana Ranjeva) no notanana teny Fiadanana.

Gazety mpivoaka isan’andro iray akaiky ny fitondrana avon’ny tetezamita nivoaka ny alatsinainy 22 novambra moa no nanondro fa mifaningotra amin’ilay raharaha BANI Ivato ny Pr Ranjeva Raymond, ka mety ho izay no nahatonga io fisavana trano io. Nahazo fampiantsoana hiseho teny amin’ny biraon’ny zandary Ankadilalana, sady foiben’ny Emmo-Reg izy mivady ireto hanaovana fanadihadiana. Tonga teny tokoa izy ireo ary dia nandeha ny fanadihadiana. Nony hariva dia nalefa nody i Marc Ratsisalovanina, vinantolahin-dRanjeva, saingy nafindra ary voatana eny amin’ny sampan’ny zandary manao fikarohana momba ny heloka bevava eny Fiadanana kosa i Riana, zanany vavy. Tonga hatreny amin’ny fampanoavana ny raharaha. Notanana am-ponja vonjimaika teny Antanimora ity renim-pianakaviana ity, saingy ora vitsy ihany no nijanonany teny satria tratry ny tsy fahasamana ny tenany ary voatery nampidirina hopitaly, izy rahateo mitondra vohoka. Sazy mihantona iray volana no saziny rehefa notsaraina. Resaka faniratsirana mpitandro filaminana no niampangana azy.
 
Nangonin’i Jean D.
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • JIRAMA
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Handatsaka orana artifisialy

  • Voaheloka sy mbola
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

misy dosie goavana i Marie Michelle

  • FAHARETAN’NY
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

PASIPAORO HO 10 TAONA

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

Hijery ny tohiny
FTT