Actualités

Vinanivao-Antalaha Manomboka indray ny fanapahana boaderôzy


  • Alakamisy 12 Febroary 2015

Araka ny vaovao voaray avy any amin’ny faritra avaratra atsinanan’ny nosy iny dia hisokatra anio alakamisy 12 febroary ny fanapahana boaderozy any amin’ ireto toerana ireto : Vinanivao (tendrony farany atsimo ao amin’ny faritra SAVA) – distrikan’Antalaha

 

: Ankazofotsy, Fampotabe, Antsofintsoha sy ny any Ampanavoana : Ambodimanga, Ifasina, Fampotakely, (miditra anaty ala) ary  Ampokofo. Efa nisy ihany ny siosion-dresaka  nandeha roa herinandro mahery izao, ka nisy ireo iraka manokan’ireo ambara fa deba be amin’ity boaderozy ity izay nampandre fa  fa hisokatra amin’ny 12 febroary indray  ny « campagne bois de rose »  ka mila miomana ara-batana sy sakafo ary fitaovana entina an'ala ny olona hiasa ho amin’izany. Omaly alarobia dia  nisy olona nanamarina fa efa an-jatony ireo olona tonga any  Fampotakely, Ampanavoana ary efa manomboka miditra ao anaty Parc (valan-javaboary)  miaraka amin'ny fitaovana toy ny famaky, tady izy ireo. Eo anelanelan’i Mangabe sy ny faritra SAVA no misy ny toerana hanapahana ireo hazo sarobidy ireo, efa  miditra any amin’ny valanjavaboarin’i Masoala. 

 

Mibanaka tanteraka

Tsy misy ny mpitandro filaminana any an-toerana fa dia efa ireo mpitrandraka ala sy mpanapaka hazo miaraka amin’ny fitaovana izany no manorim-ponenana any an-toerana amin’izao fotoana. Raha araka ny tombantombana sy ny fahafantarana ny zava-misy hatramin’izay dia any amin’iny fari-dranomasina atsinanan’ny nosy iny ihany no hanondranana an-tsokosoko amin’ny sambo ireto boaderozy hotapahana manomboka anio any Vinanivao sy Fampotakely ary ireo faritra manodidina azy ireto. Ho hita eo indray ny fihetsiky ny fitondram-panjakana.

 


 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • LalĂ na mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

  • FANOMPANA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

SY FANEVATEVANA NY PRRM

  • Farihin’Andranotapahana
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

  • HIRA ARA-PILAZANTSARA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

Mpanakanto 20 mianadahy

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT