Hisokatra manomboka anio alarobia 25 febroary 2015 etsy Analakely ny "Point Vidy Varotra". Ao amin’ny Super Music no misy azy sady endriky ny fiaraha-miasan’ny samy tsy miankina rahateo.
Natao izao ho fanakaikezana sy ho fanomezana fahafaham-po hatrany ny mpanjifa sady tafiditra amin’ny politika fanitarana ny tolotra omen’ny vondron’orinasa «Vidy Varotra» rahateo. Misokatra ho an'ny rehetra ny "Point Vidy Varotra", mandray rehefa mety ho dokambarotra : «annonces» sy «pub» mivoaka amin’ireo gazety rehetra vokarin’ny vondron’orinasa «Vidy Varotra», ahitana ny Vidy Varotra, Jejoo, Tia Tanindrazana ary Job. Mitovy amin'ireo masoivohon’ny «Vidy Varotra» efa nisy hatramin’izay ny ora fisokafan’ity "Point Vidy Varotra" etsy Analakely ity, ary mivoha sabotsy. Santatra ambavarano ihany satria mbola maro ireo toerana toa azy hisokatra eto Antananarivo sy ny manodidina ary hiitatra hatrany amin’ny Faritra ihany koa.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.