Actualités

Vidin-tsolika Mifandinika tsy tapaka ny fanjakana sy ny mpaninjara


  • Zoma 21 Janoary 2011

Manodidina ny 90,50 dolara ny vidin’ny iray barila (1 baril=159 litatra) amin’ny solika eo amin’ny tsena iraisam-pirenena omaly.

Niakatra kely io raha oharina tamin’ny teo aloha, andro vitsy lasa izay, saingy nisy fisondrotany 15% kosa raha ampitahana amin’ny vidiny tamin’ny taon-dasa araka ny fanadihadiana ataon’ireo mpandinika toekarena vahiny. Raha ny fanazavan’ny ministry ny angovo, Mamy Ratovomalala, dia noho ny habetsaky ny filana avy amin’ireo firenena aziatika, indrindra ny Sinoa, izay tsy mitsaha-mitombo sy noho ny fanapahan-kevitry ny OPEP (Fikambanan’ny firenena mpamokatra solika) tsy hampitombo ny solika vokariny isan’andro no mahatonga io fiakaran’ny vidiny eo amin’ny tsena iraisam-pirenena io. Tsy mbola misy fiantraikany amin’ny vidin’ny solika eto amin’ny tsena malagasy anefa ny toe-draharaha satria afaka 2 na 3 volana vao migadona avy amin’ny sambo eto amintsika ny entana hafarana ankehitriny.

Efa mailo anefa ny ministeran’ny angovo ka mifandinika tsy tapaka amin’ireo kaompania mpaninjara solika. Mbola mihatra tsara ny fifaninanana amin’ireo orinasa ireo satria samy manana ny vidiny ny tsirairay izay tsy mifanalavitra. «Nisy tokoa orinasa iray nampiakatra ny vidin’ny gazoala tamin’iny herinandro lasa iny saingy talohan’io dia nisy nampidina ny azy», hoy ny ministra. Antony iray mampidangana ny vidin-tsolika moa ny fiovaovan’ny vidin’ny dolara mihoatra amin’ny ariary. Mba ahafahana mitazona ny vidin-tsolika amin’ny haavo zakan’ny besinimaro dia omen’ny fanjakana fahafahana manakalo ny dolara eo anivon’ny Banky Foibe avy hatrany amin’ny tahany raikitra ireo mpanafatra solika fa tsy mandalo amin’ny tsenan’ny fifanakalozam-bola mahazatra (MID).

Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • JIRAMA
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Handatsaka orana artifisialy

  • Voaheloka sy mbola
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

misy dosie goavana i Marie Michelle

  • FAHARETAN’NY
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

PASIPAORO HO 10 TAONA

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

Hijery ny tohiny
FTT