Actualités

Vidin-kena Tafakatra 8.000 ariary ny kilao


  • Alarobia 05 Janoary 2011

«Tsy mbola nahita ohatr’ity mihitsy aho hatramin’izay nisian’ny krizy izay, aiza ka ny henan’omby avy izao no niakatra 100% ny vidiny ; manginy fotsiny ny tsy fisian’ny omby ho vonoina fa tsy misy amidy intsony. Raha izao no mitohy dia ho faty hatramin’ny varotra atao mba hivelomana», izay no nambaran’ity ramatoa iray mpivarotra hani-masaka tafaresaka taminay, mikasika ny vidina henan’omby ao Toamasina ankehitriny.

Tafakatra 8.000 ariary ny iray kilao amin’ny hena mifangaro nanomboka omaly talata, raha mbola 6.000 ariary izany nandritra ny fety sy ny alatsinainy teo. Ny nofony moa dia efa tafakatra 12.000 ariary ny iray kilao nanomboka ny talata teo, raha mbola 8.000 ariary hatramin’ny 10.000 ariary ny fety teo. «Efa ho tapa-bolana izao no tsy nisy omby tonga intsony teto Toamasina, Mandritsara sy Tsiroanomandidy no mpamatsy omby an’i Toamasina, ka raha 60 isan-kerinandro izany, tsy misy afa-tsy 03 na 05 sisa, ka ireo omby manodidina an’i Toamasina ihany koa sisa», izay no nambaran’ireo mpivarokena nanontaniana. Tsy henan’omby ihany anefa no niaka-bidy ao Toamasina, fa eo koa ny vary izay tafakatra 1.300 – 1.400 ariary ny kilao eny amin’ireo tsena goavana, tafakatra 1.600 ariary kosa amin’ny tsenam-pokontany na 450 – 500 ariary ny kapoaka. «Raha izao no mitohy tsy hita am-bilany intsony ny henan’omby raha tsy fety na faran’ny herinandro, ny vary koa dia mety ho indray mandeha isan’andro sisa» araka ny tenin’ity renim-pianakaviana ketraka nahita ny vidin-javatra an-tsena ankehitriny. 

Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • JIRAMA
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Handatsaka orana artifisialy

  • Voaheloka sy mbola
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

misy dosie goavana i Marie Michelle

  • FAHARETAN’NY
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

PASIPAORO HO 10 TAONA

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

Hijery ny tohiny
FTT