Actualités

Vidin-dasantsy Nitazona ny azy ny Shell


  • Alarobia 26 Janoary 2011

Raha nahitana fiakarany 50Ar hatramin’ny 70Ar avokoa ny vidin-dasantsy eny amin’ireo kaompania mpaninjara solika tao Toamasina omaly, ka lasa 3.020Ar sy 3.040Ar, dia tsy izay kosa no hita teo anivon’ny Shell fa mbola nijanona tamin’ny vidiny teo aloha, 2.970Ar hatrany.

Ny lasantsy SP 95 sy ny SP 91 ihany anefa no tsy nihetsika, fa ny «gasoil» kosa dia nahitana fiakarany ka lasa 2.540Ar ny an’ny Shell, izay lafo raha miohatra amin’ireo toby hafa, izay nanodidina ny 2.510Ar sy 2.530Ar izany teo anivon’ny Jovenna sy ny Galana ary ny Total. «Manana ny fahafahany tsara ny mpanjifa amin’izao vidin-tsolika misy izao», hoy ity tompon’andraikitra eo anivona tobin-tsolika iray ity, «ny mora amin’ny toby sasany mantsy dia lafo amin’ny toby hafa, ary mifamadika amin’izay ihany koa», hoy hatrany izy nanohy ny teniny.

Nambarany hatrany anefa fa «tsy mampiova ny tombony miditra aminay mpivarotra solika ny fiakarana na fidinany, satria ny anay ny tombony efa voafetra mitovy avokoa, ny olana aminay mpivarotra izao dia ny fihenan’ny mpanjifa sy ny fihenan’ny fandanian’ny mpividy solika, vokatry ny halafony». Raha ny resaka nifanaovana tamin’ity tompon’andraikitra tobin-tsolika ity anefa dia «mety tsy hifarana hatreo ity fiakarana vidin-tsolika ity, fa mety hisy koa izany afaka roa na telo volana any ho any».

Tsy mitsaha-mitombo mantsy ny vidin’izy ity eo amin’ny tsena iraisam-pirenena. Ankoatra izany, tsy mikasa ny hampakatra ny saran-dalana ireo mpamily fiarakaretsaka sy ny fiaran’ny tantsaha. Ho an’ny fiarakaretsaka dia mbola mijanona ho 3.000 ariary ny sarany, nefa miova arakaraka ny toerana aleha izany ka 5.000 ariary hatramin’ny 15.000 ariary ny saran-dalana, ka mankany amin’ny seranam-piaramadinina ao Ambalamanasa no lafo indrindra. Ireo fiaran’ny tantsaha kosa, dia mbola hijanona manodidina ny 4.000 hatramin’ny 12.000 ariary ny zotra mianavatra, afa tsy Mananara Avaratra (50.000Ar) sy Maroantsetra (70.000Ar).

 
Rakoutou
 

Sary : Toby mpaninjara solika Shell

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanorenana ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

fandriampahalemana

  • Depiote Naivo Raholdina
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Voasambotry ny mpitandro ny filaminana…

  • Fanelezana vaovao
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

tsy marina, heloka an’habaka

  • Livasoa Randriatahinamalala
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

"Depiote miteny aho fa tsy depiote mihinana"

  • FAHALALAN'NY ASA
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

FANAOVAN-GAZETY

  • ZAVA-PISOTRO
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

MAMPATANJAKA VAOVAO

Hijery ny tohiny
FTT