Actualités

Vidim-panafody Nahitana fiakarana 7%


  • Alakamisy 28 Oktobra 2010

Tsy mahatsabo tena intsony ny Malagasy ankehitriny noho tsy fisiana sy tsy fananam-bola. Mitaraina ny mpitsabo fa ny mpanao trosa sy miangavy azy ireo no betsaka izao momba ny fitsaboana.

Ireo mpivarotra fanafofy ihany koa manao antso avo fa mihisatra ny fividianan’ny olona fanafody, eo ny fiparitahan’ny fanafody amidy an-tsena sy amoron-dalana, eo koa ny fiakaran’ny vidim-panafody eny amin’ny fivarotana izany.

Araka ny fanazavana azo dia niakatra 07% izany vidim-panafody izany. Maro ny antony. Eo aloha ny tsy fitotongan’ny vola malagasy, eo koa ny fiakaran’ny vidiny eny anivon’ireo mpamongady any ivelany sy ny laboratoara mpanamboatra izany noho ny krizy ara-bola iraisam-pirenena. «Tsy mitombina ny filazana fa ny mpivarotra fanafody no maka tombony mihoapampana», hoy ireo farmasiana. Nohamafisin’izy ireo fa misy ny lalàna mametra ny tombony azon’ny mpivarotra fanafody alaina ka raha ny tsiambaratelo heno dia tsy mahazo mihoatra ny 10% izany. Na izany aza, araka ny fanazavan’ny mpivarotra sy mpamongady fanafody, dia nisy ihany ireo fanafody nahitana fidinana 3% na 5% indrindra ireo fanafody tena ilaina sy be mpampiasa na “générique” avy any Inde sy Chine, itsaboana tazo sy kohaka ary aretin-kibo...
 
Tapitra nanidy varavarana avokoa ny orinasa malagasy mpamokatra fanafody noho ireo fanafody “générique” mora vidy noho ireo amboarina eto an-toerana noho ny haba alaina amin’ireo fitaovana famokarana. Araka ny nambaran’ity tompon’andraikitra amina orinasa fanamboarana fanafody iray ity ohatra, dia matiantoka izy ireo amin’ny fanamboarana “paracétamol” satria raha 50 ariary no ivarotan’izy ireo ny singany iray nefa ny avy any ivelany, izay fanafody Indiana sy Sinoa ny ankamaroany, tsy misy afa tsy 20 ariary. midika izany fa misy elanelana manodidina ny 45% hatramin’ny 75% ny vitan’ireo orinasa avy eto an-toerana sy ireo hafarana vita avy any ivelany.
 
Etsy ankilany anefa dia mahazo vahana sy miroborobo ny vokatra ara-pitsaboana Malagasy vita amin’ireo ravinkazo sy menaka manitra samy hafa. Fomba fitsaboana mahazo vahana maneran-tany koa mantsy ny fitsaboana natoraly amin’ny menaka manitra sy ny ravinkazo nahodina ho lasa fanafody. Manana betsaka i Madagasikara, ka izay izao no hianteheran’ireo mpamokatra Malagasy izay tsy afaka mifaninana amin’ny vokatra simika ara-pitsaboana vahiny. Mitatao koa anefa ny loza ho azy ireo satria ny siramamy natoraly sy ny tavoahangy ary ireo famonosana ny fanafody natoraly ireo dia hafarana avokoa, ary andoavana haba goavana be tokoa, ka mety hampisy fiakarana ihany amin’ny vidiny noho io vola malagasy tsy mitombina tsara io.
 
Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

  • Depiote Nicolas Randrianasolo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Mila mitandrina i Kolonely Michael !»

  • HORONAN-TSARY MAMOAFADY
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Tanora miisa 15 no nosamborina

  • KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Ankizy 759 isa notolorana kopia mari-pahaterana

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

Hijery ny tohiny
FTT