Actualités

Vidim-bary Miakatra andro aman’alina


  • Talata 28 Desambra 2010


Tsy tana ny fiakaran’ny vidim-bary eny an-tsena amin’izao faran’ny taona izao. 50 Ar ka hatramin’ny 100Ar be izao ny sondro-bidy tao anatin’ny herinandro monja. Tafakatra 1.500Ar ny makalioka raha 1450Ar izany herinandro lasa izay. Mbola hitombo aza io amin’ny janoary io araka ny filazan’ireo mpamongady. Ny fisian’ny ireo mpanao afera no anton’io rehefa vanim-potoana toy izao, hoy ihany izy ireo. Teo amin’ny 1300Ar teo ny kilaon’ny makalioka tamin’ny fiandohan’ity volana desambra ity. Herinandro talohan’ny krismasy anefa dia efa lasa 1400Ar izany. Dia izao lasa 1500Ar izao. Anjakan’ny mpijirika ny tsena. Any amin’ny faramparan’ny volana janoary any anefa vao ho tonga eny an-tsena ny vary aloha, izay mba mampidina ny vidim-bary. Ka inona no hitranga mandrapahatonga izay ? 

Jean D.
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • JIRAMA
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Handatsaka orana artifisialy

  • Voaheloka sy mbola
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

misy dosie goavana i Marie Michelle

  • FAHARETAN’NY
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

PASIPAORO HO 10 TAONA

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

Hijery ny tohiny
FTT