Actualités

Vidim-bary Mbola 1.400Ar ny ao Toamasina


  • Talata 11 Janoary 2011


Tsy mbola nahitana ilay vidim-bary 1.180 ariary nambaran’ny fitondrana FAT taorian’ny fifanarahana teo aminy sy ny mpandraharaha, ao Toamasina hatramin’ny faran’ny herinandro teo sy ny omaly alatsinainy. Mbola manodidina ny 1.300 ariary sy 1.400 ariary avokoa ny iray kilao tamin’ny vary teny an-tsena. Tafakatra 1.500 ariary aza ny iray kilao amin’ireo tsena kely eny anivon’ny Fokontany. «Tsy ny vidim-bary loatra no olana amiko, fa ny hividianana azy mihitsy no tsy eo an-tanana, ka midina tsy lavitra amin’ny vidiny izao aza io, tsy izay no olana fa mila vola ny fividianana azy», hoy ny filazan’ity raim-pianakaviana nilaza ny heviny. Ho an’ity renim-pianakaviana iray ity kosa indray nanambara fa «tsy mampiova ny harotsaka am-bilany aloha ny vidim-bary misy ankehitriny, fa ny zavatra hafa haitraitra no najanona ny fividianana azy. Sarotra ihany ny hahita ireo zanako ho noana hivoaka ny trano nefa ny fianarana tsy maintsy hatrehina».

Raha nanontany ny hevitr’ireo mpivaro-bary ny antony tsy mbola nidinan’ny vidim-bary, nambaran’izy ireo fa «ny mpamongady mihitsy no tsy mbola nampidina, ka tsy maintsy manaraka izany ny famarotanay an-tsinjarany». Misy koa ireo milaza fa «tsy maintsy taperina aloha ny vary novidiana teo aloha, ho hita eo ny ho vidiny eny amin’ny mpamongady raha maka manaraka izahay». «Raha ny fahalalanay azy dia ny vary stock no hiharan’io fampidinana amin’ny fidiny io fa tsy vary vokatra eto amintsika. Tsy vahaolana anefa izany satria tsy be mpividy izany vary stock izany, fa aleon’ny olona mividy makalioka», hoy hatrany ireo mpivaro-bary nilaza ny heviny. 

Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • JIRAMA
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Handatsaka orana artifisialy

  • Voaheloka sy mbola
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

misy dosie goavana i Marie Michelle

  • FAHARETAN’NY
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

PASIPAORO HO 10 TAONA

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

Hijery ny tohiny
FTT