Nambaran’ny Depiote Rabekijana Solofo Hery voafidy tany Amparafaravola izay sady mpandraharaha any amin’iny faritra iny ihany koa, fa nisy ny fivoriana nataon-dry zareo niaraka tamin’ny avy ao amin’ny ministeran’ny varotra sy ny fitantanan-ketra ary ny tompon’andraikitra avy ao amin’ny Faritra Alaotra Mangoro vao tsy ela akory izay ka nanapahan’ny rehetra fa ferana ho 600 Ariary ny vidin’ny vary akotry any an-toerana mba tsy hahabotry ny tantsaha. Fotoana fiakaran’ny vokatra izao, hoy izy, ka maro no efa nahavita fijinjana tsy voatafiky ny andiam-balala efa tafiditra any Alaotra. Hanaovana antso avo izany ireo mpanangom-bokatra mba tsy hividy vary akotry latsak’io 600 Ariary io fa mba hampakatra izany hatrany amin’ny 800 Ariary aza raha misy azo atao. Efa manomboka mamerina ny volan’ireo foibe fampisamboram-bolan’ny tantsaha nosamboriny hikarakarana voly mantsy izao mpamboly ka tsy maintsy tsinjovina.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.