Actualités

Vidim-bary 1180 ariary Nijanona ho fanambarana fotsiny !


  • Alarobia 12 Janoary 2011

Hatry ny omaly talata, raha ny teto an-drenivohitra sy ny manodidina no resahana, dia tsy mbola hita taratra teny an-tsena mihitsy ny fidinan’ny vidim-bary ho 1180 ariary ny kilao, araka ny nampanantenain’ny filohan’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita ny alarobia lasa teo hoe : fara fahabetsany dia 1200 ariary ny kilaon’ny vary amidy eny an-tsena.

Hita eny amin’ny tsena ihany ny vary “stock” nohafarana saingy ny faran’ny mora indrindra dia 1260 ariary, misy aza no mivarotra azy 1300 ariary. An-kavitsiana anefa ny fivarotana sy toerana ahitana izany, ary araka ny nambaran’ireo mpivarotra nanontaniana dia manahirana ihany ny maka io vary amidy mora io, satria tsy maintsy mbola mandany ireo vary tahiry, novidiana lafo izy ireo. Ny vary novokarina teto an-toerana moa tahaka ny vary gasy, ny tsipala ary ny makalioka dia tsy nidina mihitsy ny vidiny fa eo anelanelan’ny 1300 ka hatramin’ny 1500 ar. Tsy azo eritreretina mihitsy, hoy ireo mpivarotra ny hampidinana ny vidin’ny vary satria tsy midina, hatramin’izao ny hakana azy eny amin’ireo mpamongady.

Misy koa aza ireo mpivarotra tsotra eny amin’ny épicerie no manahy be ihany fa matiantoka izy ireo raha miparitaka sy mitobaka eny amin’ny tsena ilay vary amidy 1200 ar ny kilao, satria azo antoka fa hirohotra any amin’izany ny olona, koa dia hihena ny mpividy, izay efa nihena noho ny fisian’ny Tsena Mora in-droa isan-kerinandro. Araka ny filazan’ny mpahay toekarena iray dia “tsy vitan’ny fampitobahana vary mora nohafarana avy any ivelany ny fampidinana ny vidim-bary na famerana izay vidiny izany amin’ny zakan’ny besinimaro fa mila politikam-pandaminana hafa mihitsy avy amin’ny fanjakana sy ireo mpandraharaha ; ary etsy ankilan’izany dia tena ilaina ny fametrahana Komity iray mpanara-maso ny fampiharana ny fepetra noraisina, fa tsy hoe : tenenina fotsiny ilay izy dia izay manaraka manaraka, izay tsy manaraka tsy voasazy akory”. Fa ny tena mampanahy ny rehetra amin’izao fotoana dia tara ny fambolem-bary any amin’ny faritra maro manerana ny nosy, eny fa hatrany Alaotra sompitr’i Madagasikara aza, noho ny tsy fahampian’ny orana ary ahiana mihitsy ny haharatsy ny vokatra amin’ity taom-pambolena ity. Koa maro ankehitriny ireo tantsaha no mangataka ny handatsahana orana amin’ireo faritra mpamboly vary.

 
RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanorenana ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

fandriampahalemana

  • Depiote Naivo Raholdina
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Voasambotry ny mpitandro ny filaminana…

  • Fanelezana vaovao
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

tsy marina, heloka an’habaka

  • Livasoa Randriatahinamalala
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

"Depiote miteny aho fa tsy depiote mihinana"

  • FAHALALAN'NY ASA
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

FANAOVAN-GAZETY

  • ZAVA-PISOTRO
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

MAMPATANJAKA VAOVAO

Hijery ny tohiny
FTT