Actualités

Vehivavy tera-bao Niharan’ny fanolanana tambabe, rangahy vadiny voadaroka


  • Zoma 09 Mey 2014

Efa tsy mitsitsy mihitsy ireo jiolahy ao Toamasina, fa izay fantany fa hahazoana vola dia idirany avokoa. Tokantrano iray ao Salazamay P/lle 14/22 indray no lasibatra ny maraim-ben’ny alakamisy tokony ho tamin’ny roa ora.

 Tokantrano vao nisy tera-bao anefa ity nisy nandroba ity, izay tsy vitan’ny naka ny volan’ireto fianakaviana ireo jiolahy, fa mbola naolan’izy ireo ihany koa ilay ramatoa vao tera-bao izay vao nodidiana ny paska lasa teo. Raha ny fazavana dia taorian’ny nahazoan’izy ireo ny vola dia nodarohan’ireto jiolahy ilay rangahy tompom-bady, nentin’izy ireo nanaraka azy avy eo ilay ramatoa ka teo amin’ny kianja filalaovam-baolina ao Ambohijafy antsoin’ny olona hoe “kianja Lemalady Eric” vao naolan’izy ireo mitamba-be ity ramatoa vao nodidiana sy tera-bao ity. Voatery notsaboina noho ny fahavoazana nahazo azy ilay ramatoa, toraka izany koa ilay rangahy tamin’ny daroka nahazo azy. Efa eo am-pelatanan’ny polisy ny raharaha izao, ka ho hita eo ny tohin’ny fanadihadiana.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

  • FIATREHANA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

NY EL NINO

  • Trafika sokatra
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Vehivavy mpandraharahan'ny

  • KAOMININA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

Hijery ny tohiny
FTT