Milaza ho mompera ireto mpisoloky gaigilahy roa ireto raha nahita ity ramatoa mpivarotra vary avy any Amboromalandy. Mpanao asa soa ireto mompera ireto raha ny filazany tamin’ity ramatoa ity ka efa maro ny zava-bitan’izy ireo tao Mahajanga ka afaka manampy ny olona rehetra koa
. Noraisin’ireto mpisoloky ny tanan’ity ramatoa ity ka dia tsy nahatsiaro izay ambonin’ny tany izy. Nanaraka izay tian’ireto mpisoloky ireto izay nataony ilay vehivavy ka notereny nanome ny vola teny aminy. Mitentina 14.000.000 ariary ny totalim-bidin’ny vola lasan’ireo jiolahy. Nandeha ny fikarohan’ny mpitandro ny filaminana ka tratra ny 02 febroary teo ireo mpisoloky roalahy ireo izay milaza azy ho mompera teny amin’ny fokontany Tsararano ambony teo ampisotroana toaka. Niaiky ny zava-bitany izy ireo. Raha ny fanazavana azo avy amin’ny kaomisera Rakoto Thomas Richard dia efa nigadra i Gmal iray tamin’ireo mpisoloky. Niezaka nanda anefa ity farany, saingy efa fantatra izany tao anatin’ny boky voarakitra teny amin’ny fonjaben’i Marofoto. Hatolotra ny fitsarana anio ireto roalahy mpisoloky gaigilahy ireto. Mbola milaza hatrany ny eo anivon’ny mpitandro ny filaminana fa tokony hiara-kiasa amin’ny vahoaka amin’ny famongorana ireo mpanao ratsy eny anivon’ny fiarahamonina, eo koa ny fanaovan’ny polisy fanaraha-maso isan’andro eran’ny tanàna.
Tolin
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.