«Inona no hoavin’ny taranaka Malagasy amin’ireto vahiny maro be izay mamiravira amin’ny vola, ny tovovavy Malagasy eto Toamasina ireto? Tsy tahotra tsy henatra manao ny filany, ny tovovavy koa entin’ny fahantrana dia manaiky tsy fidiny».
Izay no nambaran’i Nirina, renim-pianakaviana 52 taona, manan-janaka efatra mianadahy, mahita ny afitsok’ireo Filipiana sy Afrikana Tatsimo ary Koreana, miasa amin’ny tetikasa Ambatovy, mandraviravy vola ary mamiravira vehivavy ao Toamasina. Raha ny vaovao nangonina anefa izao, dia tamin’ny fitiliana natao tamin’ireo teratany vahiny voalaza etsy ambony ireo, izay tsy maintsy atao eo anivon’ny tetikasa Ambatovy ho an’ireto vahiny ireto, dia am-polony (12 no tena voalazan’ny loharanom-baovao) izy ireo no hita fa «miabo», izany hoe : mitondra tsimokaretina VIH. Raha izay izany no heverina, efa firy tamin’ireo zazavavy niarahan’izy ireo izany izao no nifindran’ny tsimokaretina VIH ao Toamasina ? Firy koa ny tovolahy Malagasy niaraka tamin’ireo tovovavy ireo no namindrany izany tsimokaretina izany ? Sarotra ny hanome fanazavana noho ny tsy fisian’ny tarehimarika vokatry ny tsy fisian’ny fitiliana tamin’ireo tovovavy ireo, izay tokony hatao haingana hifehezana ny fihanaky ny loza. Raha ny tatitry ny ONUSIDA milaza fa ny olona iray dia mety hamindra amin’ny olona 300 mandritra ny maha-miabo azy, indrindra ireo tsy mahalala ny toe-pahasalamany, dia midika izany fa raha tsy misy ny fepetra hentitra horaisina dia «12 (vahiny mitondra VIH) x 300 (olona mety hiarahany) = 3.600 (Malagasy mitondra VIH ato ho ato), ary ireo 3.600 (niaraka tamin’ireo vahiny miabo) x 300 (mety hiaraka aminy koa) = 1.080.000 (ny Malagasy ho miabo tsy ho ela)». Izay no ilazana fa «loza mihatra ho an’i Toamasina sy Madagasikara» ny raharaha amin’izao fotoana izao. Vokatra izay, dia nofefena tsy mahazo mivoaka ireo teratany vahiny ireo, fepetra izay tsy nahafaly ireo Filipiana sy Koreana, ka nanao fitokonana tsy niasa sy nanao «sit-in» teo anivon’ny orinasa. Ankoatra izay, mitaraina amin’ny loto ataon’ireo teratany Filipiana sy Koreana ary Afrikana Tatsimo “mirevy” eny amoron-dranomasina ny Kaominina. Na efa misy ny trano fivoahana naorina mantsy dia eny ankalamanjana hatrany izy ireo no manao maloto isaky ny faran’ny herinandro.
«Vokatry ny zava-misy dia nandray fepetra ny tetikasa Ambatovy sy ny Komitim-paritra ary ny raiamandreny ao an-tanàna, miara-miombon’antoka aminy, fa manomboka izao dia tsy mahazo miakatra renivohitra afa tsy isan-kerinandro ireo teratany vahiny miasa eo aminy. Tsy maintsy manaraka ny fepetra ihany koa ireo vahiny mpiasa ambony manana trano ao an-tampon-tanàna».
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.