Actualités

Vatovavy Fitovinany Hifaly amin’ny fahorian’ny «zanany»


  • Talata 21 Desambra 2010

Hifety amin’ny nahaterahan’ny Repoblika faha-4 ny ao Vatovavy Fitovinany. Fetibe da fetibe no ilazana azy ity, ary handray anjara amin’izany ireo distrika enina mandrafitra ny Faritra.

Ao Manakara no hanaovana ny lanonana rahampitso alarobia 22 desambra, araka ny namaritan’ny teo anivon’ny Faritra azy. Niditra an-tsehatra mihitsy Rakamisilahy Martial, lehiben’ny Faritra, ny herinandro lasa iny nampahafantatra ny fisian’io lanonana io ary nanentana ireo zanaka ampielezana hanamasaka izany. Mifanindran-dalana amin’izany dia hiakatra fitsarana eny Anosy ny lietnà-kolonely Charles Andrianasoavina, izay zanak’i Manakara, izany hoe zanaky ny Faritra Vatovavy Fitovinany, izay marihina fa voatana am-ponja vonjimaika any Tsiafahy izy noho ny raharaha BANI. Hatao fanadihadiana ifotony mikasika iny raharaha iny izy rahampitso raha tokony hatao anio. Ankoatra izay dia manao fanairana ihany koa ny zanak’iny faritra iny fa raha mitohy izao fihantonan’ny orana izao dia ahiana ny mosary any Vatovavy Fitovinany. Ao Manakara aza dia efa rano masira no sotroin’ny olona vokatr’io fihantonan’ny orana io. Maina ny ankamaroan’ny vovo fantsakan’ny mponina. Ireo hany tsy ritra indray dia tafidina ambanin’ny ranomasina ny haavon’ny rano anaty vovo ka mahatonga azy hasira io. Izay no mahatonga ny mponina any Manakara amin’ny ankapobeny mihitsy milaza fa dia hahavita hifaly amin’ny fahorian’ny “zanany” i Vatovavy Fitovinany. Raha misy vola holaniana amin’ny fety ihany, misy ny laharam-pahamena hafa tokony hojerena sy hampiana ara-bola, hisorohana ny olana ara-tsakafo mitatao amin’ny vahoakan’iny Faritra iny. 

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • JIRAMA
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Handatsaka orana artifisialy

  • Voaheloka sy mbola
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

misy dosie goavana i Marie Michelle

  • FAHARETAN’NY
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

PASIPAORO HO 10 TAONA

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

Hijery ny tohiny
FTT