Actualités

«Vary sy Rano» Tsy ara-dalŕna ara-panjakana ?


  • Zoma 23 Aprily 2010

Manoloana ny vaovao niely an-gazety milaza fa nisafoaka ny Lehiben’ny Distrikan’Antanifotsy, Rakotondrainibe Zakarison, rehefa «tsy namoaka ny sariny teo amin’ny Pejy voalohany ny gazety «Vary sy Rano», vokarin’ny Centre d’Appui aux Communes na CAC.

Izany nonahatonga azy nangorona ireo gazety rehetra sy nandoro azy teo imason’ireo tompon’andraikitry ny ivotoerana». Nitondra fanazavana ary ity solontenam-panjakana ity mba hialana amin’izay mety ho fandraisana vilana ny zava-boalaza. Nomarihan’ny Lehiben’ny distrika fa “tsy ara-dalàna ara-panjakana io gazety “Vary sy Rano” io”. Faharoa, “ireo tompon’andraikitra ao amin’ny CAC tarihin’ny Vazaha lahy iray izay mpandrindra tetikasa, solontenan’ny tanànan’i La Possession any La Réunion, dia efa nisy olana eo amin’ny fiaraha-miasa amin’ny Distrika, indrindra fa tamin’ny zavatra navoakan’izy ireo tao amin’ny gazety “Vary sy Rano” laharana manokana volana desambra 2009. Raha nandalo tao Antanifotsy ny Ben’ny Tanànan’i La Possession, dia “nilaza zavatra tsy natao sy tsy notenenin’ny Lehiben’ny Distrika nefa dia nambara sy notaterin’ny gazety, mba ho fanaratsiana azy eo amin’ny vahoaka entiny sy ny tompon’andraikitra isan’ambaratongany”. Izany filazana izany dia miendrika fanalam-baraka sy fanendrikendrehana, fanaratsiana ary fanaovana tsinontsinona ny solontenam-panjakana, na entina hampihokoana ny vahoaka hanohitra ny Lehiben’ny Distrika, hoy ity farany ary voarakitra anatin’ny fitanana an-tsoratry ny fivorian’ny OMC Distrika momba ny famoahan’ny gazety laharana manokana io.

Araka ny maha tompon’andraikitra ny Lehiben’ny Distrika amin’ny fanaraha-maso ny fana-paritahana ny vaovao amin’ny haino aman-jery araka ny andininy faha-13 ao amin’ny didim-panjakana laharana 2005-012 tamin’ny 11 janoary 2005 izay nasiam-panovana tamin’ny didim-panjakana laharana 2008-869 tamin’ny 11 septambra 2008 momba ny fanorenana Distrika sy ny Boriborintany, dia tsy voafehin’ireo tompon’andraikitry ny gazety «Vary sy Rano» ny fanaovana sy ny fanaparitahana ny gazety, ka mety hanohintohina sy mampisy fisavoritahana ny saim-bahoaka eo amin’ny fitantanan’ny Lehiben’ny Distrika ny lafitany, izay solontenam-panjakana. Tsy izy ireo mantsy no manao ny fanontana ny gazety fa ny mpandrindra ny CAC izay efa fantatra ny zavatra nataony, dia nanapa-kevitra ny OMC Distrika tarihin’ny Lehiben’ny Distrika fa : foanana ka tsy azo atao intsony ny fanaovana sy famoahana io gazety «Vary sy Rano» io ao amin’ny Distrikan’Antanifotsy sy amin’ny any ivelany. Ary ireo gazety miisa 187 voaangona sisa tamin’izany dia nandraisana fanapahan-kevitra araka ny «procédure administrative» dia nodorana. Nanamafy moa ny lehiben’ny distrikan’Antanifotsy fa “nandritra ny fisian’io CAC io dia tsy nisy mihitsy asa nivaingana nataon’izy ireo teo amin’ny Kaominina, izay antom-pisiany, fa lany amin’ny karaman’ireo mpiasa sy ny tambin-karaman’izy ireo fotsiny ny vola. Misy koa ny fitongilanana amin’ireo Ben’ny Tanàna tsy mitovy hevitra amin’ilay vazaha mpandrindra tetikasa. Misy ny omena fanampiana toy ny simenitra sy fitaovana, ary misy ny tsy omena, ary izany dia nahatonga ny fitarainan’ny Ben’ny Tanàna sasany aty aminay”. Satria nofoanana ny CAC dia izany no mahatonga azy ireo hanaratsy ahy, hoy Rakotondrainibe Zakarison. Dia mivalona eo izany ny amin’iny resaka iny.

Nangonin’i Jean D.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • JRP na Jeunes Responsable
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

et Patriote Mitsangana hifanolo-tĂ nana

  • Mponina eny amin’ny Akamasoa
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nametraka fitoriana manoloana

  • Fanasohasoana sy fisolelahana be fahatany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Lasa tsipy hoditr'akondro

  • ANTSIRANANA
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Tsy ampy ny solika, misy sahady ny fanararaotana

  • Eliace Ralaiarimanana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

"Fitiavan-tanindrazana ny

  • Fiaraha-miasa marolafy
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

amin’ny Rosianina

Hijery ny tohiny
FTT