Actualités

Vary Resaka serasera no nampiakatra ny vidiny


  • Alarobia 12 Janoary 2011


Ao anatin’ny fotoanan’ny maitso ahitra isika izao. Anisan’ny mahavelon-taraina ny maro amin’izao ary miteraka resabe ny vidim-bary izay tsy mitsaha-mitombo na nampanatenain’ny FAT aza fa hihena, tsy hihoatra ny 1200 ariary. Nilaza moa ny FAT fa hanafatra vary ka izay no hitazonana ny vidim-bary tsy hihoatra io vidiny voalaza io. Araka ny fanazavan’ny avy ao amin’ny Plateforme de Concertation pour le Pilotage de la filière Riz na ny PCP Riz anefa dia tsy mitombina ny filazana fa nanafatra vary ny FAT. Natokana ho an’ireo mpandraharaha ihany koa ny resaka fanafarana vary fa tsy an’ny fanjakana, raha ny fanazavana ihany. Vokatry ny tsy fisiana serasera teo amin’ity rantsana ity sy ny FAT ihany koa no nahatonga izao fiakaran’ny vidim-bary izao, raha ny vaovao hatrany. Tsy nanafatra vary intsony manko ireo mpandraharaha ka dia izay no antony tsy nampisy ny vary eny amin’ny tsena. Tsy dia vahaolana maharitra ihany koa no naroson’ny FAT, araka ny fanazavan’ny filohan’ny PCP Riz, Rakotovao Andriambololonirina. Anisan’ny fepetra, ohatra, ny fanamaivanana ny tahan’ny fadintseranana, ny saran’ny fanatobiana entana ao amin’ny seranantsambon’i Toamasina. Vonjimaika ihany, araka izany ireo fepetra ireo fa tsy vahaolana mateza. Araka izany dia toa vao mainka handatsaka an-katerena ny toekarem-pirenena izao. 

Nangonin’i Soa    
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • JIRAMA
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Handatsaka orana artifisialy

  • Voaheloka sy mbola
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

misy dosie goavana i Marie Michelle

  • FAHARETAN’NY
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

PASIPAORO HO 10 TAONA

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

Hijery ny tohiny
FTT