Actualités

Vary 1.180Ar Hiantraika amin’ny famatsiana ny Tsena Mora


  • Zoma 14 Janoary 2011


Raha ny loharanom-baovao omaly dia ny vary mora izay ambiny sisa ao amin’ny seranan-tsambo ao Toamasina no hamidy amin’ilay vidiny 1180 ariary ny kilao. Tsy nanaiky tamin’ilay fifanarahan’ny filohan’ny FAT sy ireo namany mpandraharaha mantsy ny maro tamin’ireo mpandraharaha amin’ny sehatry ny vary eto Madagasikara. Nolazain’izy ireo fa manamora zavatra no ataon’ny eny Ambohitsorohitra fa tsy mijery ny tena zava-misy marina. Ankoatra ny sehatra iraisam-pirenena mantsy amin’izao fotoana izao dia manampy trotraka ihany koa ny sandam-bola malagasy izay tsy marin-toerana, ary mazàna mitotongana satria ezahina arenina amin’ny fitrosana amin’ny olon-tsotra ataon’ny fanjakana foana na «BTA». Ny vokatra eto an-tanàna zara raha misy ny vary aloha.

Tsy azo odian-tsy hita izany rehetra izany ka ho faly fotsiny ny hampidina ny vidim-bary, araka ny nambaran’ireo mpandraharaha. Mety ho amin’ny faran’ny ity herinandro ity no ho tonga eny amin’ny mpaninjara ireo vary kely azo atao 1180 ariary ireo ny kilao. Hisy fiantraikany avy hatrany amin’ny famatsiana ny Tsena Mora koa anefa izany atsy ho atsy. 

Rakoto Maxime

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • JIRAMA
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Handatsaka orana artifisialy

  • Voaheloka sy mbola
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

misy dosie goavana i Marie Michelle

  • FAHARETAN’NY
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

PASIPAORO HO 10 TAONA

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

Hijery ny tohiny
FTT