Actualités

Variana nanao Karaoke Nanjavona ny moto


  • Talata 03 Martsa 2015

Mpivady nanala azy tao amina Karaoke no very Môtô Scooter. Samy variana izy roa na dia matetika aza no nivoaka ilay Lehilahy kanefa indray mipi-maso no nanaovan’ireo tontakely ny asa ratsiny raha hitan’izy ireo fa variana ireo tompony

 

. Tamin’io fotoana io rehefa tsikaritr’izy ireo, fa tsy teo intsony io Môtô io dia nijerijery teny amin’ny manodidina ireo mpivady ka nahita ny Polisy avy ao amin’ny Kaomisaria ny Boriboritany Fahafito. Nisakana azy ireo ary nitantara ny zava-niseho. Nandray ny andraikiny ireto Polisy ireto ka nanao savahao teny amin’io toerana io no nahita Lehilahy roa teo amin’ny maizimaizina. Nosavaina avy hatrany sy nanontaniana teo satria somary kaodikaody izy roa ireo, ka tsy nisalasala ny polisy ny namandrika azy roalahy tamin’ny fanontaniana. Somary nivadibadika ihany sy nifanohitra ny fomba filazan’izy roalahy saingy nibaradaka ihany. Tamin’io fotoana io ihany no nivoaka ny Lehilahy iray izay mbola naman’izy ireo ihany ary dia niara-voasambotra teo. Taorian’ny famotorana dia nalefa eny Antanimora ireo mpangalatra.

Tojo

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

  • FANOMPANA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

SY FANEVATEVANA NY PRRM

  • Farihin’Andranotapahana
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

  • HIRA ARA-PILAZANTSARA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

Mpanakanto 20 mianadahy

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT