Actualités

VAOVAO TAPATAPNY


  • Alarobia 26 Janoary 2011


Afak’omaly alatsinainy antoandro vao niverina tamin’ny laoniny ny famatsiana herinaratra tany amin’iny faritra Vontovorona iny rehefa tapaka nanomboka ny alahady lasa teo. Noho ny fahasimban’ny fitaovana nampiasain’ny JIRAMA no voalaza fa antony nahatonga izany. Tsy vitsy ny mponina no velon-taraina, indrindra fa ny mpianatra.

Vazaha lahy iray no maty natelin’ny rano tao Andovoranto Brickaville omaly. Ndeha hanavotra mpivoy lakana natopatopan’ny rano izy, kinanjo izy indray no lasa fa ilay navotana avotra soa amantsara. Sendra nandalo hizahatany no nahatongavan’ity vazaha ity tany an-toerana no izao tra-pahafatesana izao. Misamonta be ny ranomasina tamin’io fotoana io. Nakarina aty Antananarivo avy hatrany ny razana.

Hanatontosa fitokonana mandritra ny fotoana tsy voafetra ireo mpampianatra any Tonizia. Mbola ho tohin’ilay hetsika entina hanalana ireo ministra valo ekipan’ny filoha teo aloha Ben Ali amin’ny toerany ihany no anton’izany. Tsiahivina fa nitokona nanoloana ny birao fiasan’ny praiministra avokoa ireo mpanao fihetsiketsehana ny alahady alina lasa teo na efa nipetraka aza ireo karazana fepetra tsy hahafahana mivezivezy amin’ny alina.

Nihaona tamin’ny iraky ny SADC, tarihin’ny Dr Simao ny “Les AS” tarihin’i Voninahitsy Jean Eugène omaly. Sambany ity vondron’antoko ity no nihaona tamin’ireo mpanelanelana vahiny na maro tamin’ny mpikambana ao aminy aza no nanakiana ny SADC hatramin’izay.

Ny alahady lasa teo dia lehilahy roa samy hafa no voakaikitry ny alika. Ny iray teny Ambatofotsy. Nijery adin’alika ity lehilahy iray ity, kinanjo nivadihan’ilay alika iray izy ary nokaikeriny. Naratra teo amin’ny tanany sy ny feny izy tamin’izany. Fa lehilahy iray tokony ho 50 taona ihany koa no nokaikerin’ny alika teny amin’ny La Haute teny, ny alahady lasa teo ihany koa. Voalaza fa tara fanome sakafo ilay rangahy tompony, ka avy hatrany dia ny tanany no norombahin’ilay biby nohanina.

Hohavaozin’ny Kaominina Antananarivo renivohitra ny tapany ambony amin’ny kianjan’Ammbohijatovo. Hanomboka amin’io volana mey io ny asa fanamboarana hanomezana fahafaham-po sy hitsinjovana manokana ny tanora. Efa an-dalam-pitadiavana izay ho mpiara-miombon’antoka aminy ankehitriny ny departemanta misahana ny tanora eo anivon’ity Kaominina ity hanafainganana ny asa.

Nisy andian-jiolahy nanafika tao amin’ny tanàna Station ao Ambohitsilaozana Ambatondrazaka ny alin’ny alahady teo. Lasan’izy ireo tamin’izany ny omby 23. Nanara-dia avy hatrany ny Fokonolona nanampy ny tompon’omby ka ny alatsinainy maraina ihany dia tafaverina ny omby. Na izany aza dia fantatra fa naratra ilay tompon’omby. Tapabolana lasa dia nisy tranga toy io koa tany Andramosabe. Naratra voa teo amin’ny kibony ny tompon’omby. Tsy mandry fahalemana any Ambatondrazaka, tetezin’ny jiolahy ny tanàna ka mitaraina ny vahoaka.

Feno roa taona anio 26 janoary no nisian’ilay asa fandrobana tranombarotra nahatsiravina nitranga teto an-drenivohitra raha afaka omaly alatsinainy kosa ny andro. Tranombarotra manodidina ny 325 isa raha tsiahivina no nitondra faisana vokatr’izany izay samy mbola miandrandra ny fanampiana sy ny fanohanana avy amin’ny fitondram-panjakana. Ny folo amin’izy ireo monja mantsy, araka ny fanadihadiana natao, no manana fiantohana fa ny ankoatra izay dia tsy misy avokoa.

Tsy mitovy hevitra ireo mpamily fiara karetsaka sy taxi-be any amin’ny distrikan’Antsiranana I. Nisy ny fivoriana notontosain’izy ireo entina hanatsarana ny fomba fiasany ny faran’ny herinandro teo izay nifanindran-dalana indrindra tamin’ny fananganana ny biraon’ny sendika. Teto amin’ity farany indrindra no nitrangan’ny olana ka tsy nampitovy hevitra azy ireo.

Mirongatra ireo karazana aretina ateraky ny hafanana diso tafahoatra any amin’ny distrikan’i Brickaville. Anisan’ireny ny aretin’andoha sy ny aretin-kibo izay notsipihin’ireo mpitsabo ihany koa fa vokatry ny fisotroana rano tsy azo antoka. Misedra olana ireo mponina any an-toerana noho izany. Tsiahivina fa efa ho iray volana izao no tsy nisy ranon’orana nilatsaka intsony tany amin’ity distrika ity.

Nahitana halatra hafakely indray teny Bemasoandro Itaosy teny ny alatsinainy teo tokony ho tamin’ny telo ora maraina. Norobain’olona telo lahy ny trano iray izay tsy tao ny tompony. Nanarampo mihitsy izy ireo. Lasa ny roalahy nitondra ny entana izay zakany ary tsy niverina intsony. Ny iray kosa dia tratran’ny tompon-trano mbola natory soa aman-tsara teo amin’ny latsim-pandriana, fa ny kidoro efa voafatotra hoentina hivoaka, tokony ho tamin’ny 6 ora maraina tany. Mamo tampona mantsy izy io, araka ny voalaza. Ny zandary eny Itaosy izay tsy lavitra loatra ilay toerana no misahana ny fanadihadiana.

Nangonin’i Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanorenana ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

fandriampahalemana

  • Depiote Naivo Raholdina
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Voasambotry ny mpitandro ny filaminana…

  • Fanelezana vaovao
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

tsy marina, heloka an’habaka

  • Livasoa Randriatahinamalala
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

"Depiote miteny aho fa tsy depiote mihinana"

  • FAHALALAN'NY ASA
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

FANAOVAN-GAZETY

  • ZAVA-PISOTRO
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

MAMPATANJAKA VAOVAO

Hijery ny tohiny
FTT