Actualités

VAOVAO TAPATAPANY


  • Zoma 18 Febroary 2011


Nahitana fiakarany ny rano eto amin’ny lemak’Antananarivo. Nahatratra 55 sm izany ho an’ny mari-drefy hita etsy Anosizato saingy tsy mbola misy atahorana araka ny fanazavan’ny tale jeneralin’ny APIPA Rateloson Philippe. Tsy misy ahiana toraka izany ihany koa ny mety hisian’ny tondra-drano noho ny ezaka nataon’ny sampandraharaha iray ity tamin’ny fanadiovana ireo karazana lakandrano misy toy ny lakandranon’Andriantany nandritra ny 12 volana.

 

Mankalaza ny tsingerintaona faha-10 niorenany ny "Fikambanana mandray anjara amin'ny fampandrosoana an'i Madagascar" na Fimafm. Hetsika ara-barotra no hanamarihana ao amin’ny Lapan’ny Fanatanjahantena Mahamasina amin’ny fiandohan’io volana martsa io, sady ankatoky ny andron’ny vehivavy no hanamarika izany. Io ihany koa no hamaky lay ny karazana foara mpiseho isan-taona eto an-drenivohitra.

 

Mpianatra ho mpitsara tao amin’ny Sekoly ambony manofana ho mpitsara sy mpiraki-draharaha na ENMG miisa 56, no navoaka sy notolorana mari-pahaizana teny CCI Ivato omaly.Andiany 2008 izy ireo niofana nandritra ny roa taona. Mpampoaka didy ny 36 ka Kaomoriana ny 6. Mpitsara misahana ny ady ifanaovana amin’ny fanjakana ny 10 raha misahana ny fifanolanana ara-bola kosa ny 10 ambiny.

 

Mbola latsaky ny 10 % ireo vehivavy eto an-drenivohitra hiharan’ny herisetra no sahy manatona ireny fikambanana na ong mijoro hiaro ny zon’ny vehivavy ireny, araka ny fanadihadiana natao. Noho ny kolontsaina efa nanabeazana ny vehivavy hatrany am-piandohana izay efa nandaminana ny sainy mialoha ny hanorenany tokantrano no anton’izany, araka ny fanazavan’ny filohan’ny fikambanana iray.

 

Midika ho fankatovana, ny fitsidihan’ny filoha kaomoriana Ahmed Abdallah Mohamed Sambi, hoy ny ministry ny raharaham-bahiny, ny amiraly Ramaroson Hippolyte.Hiara-hiasakafo amin’ny Rajoelina mivady ity filoha kaomoriana ity anio zoma avy eo horaisin’ny praiministra Camille Vital. Hiazo an’i Mahajanga kosa ny sabotsy ka hijanona any hatramin’ny alatsinainy.

 

Efa hatramin’ny ela no nangataka ny hampitoviana ny saran’ny fanaovana taratasy eny anivon’ny Fokontany misy azy ireo sefom-pokontany 192 eto an-drenivohitra. Araka ny fantatra mantsy dia ahitana olana hatrany izany eny anivon’ny fiarahamonina ka mampitaraina ny sarambabem-bahoaka. Nisy moa ny soso-kevitra naroson’ireo filoham-pokontany amin’ny kaominina mikasika ny tokony hampitovizana izany saingy mbola andrasana ny valiny.

 

Hanolotra soso-kevitra amin’ny filohan’ny fahefana avon’ny tetezamita hahafahana mifehy ny vidim-bary sy ny entana eto amintsika ny CGPM na ny fikambanan’ireo mpivarotra mpambongady eto amintsika. Araka ny fanazavan’izy ireo mantsy dia noho ny fisian’ireo mpivarotra mpamongady sy mpivarotra tsy ara-dalàna no mahatonga ny vidin’entana hisondrotra izay marihina fa mampitondra faisana ny isan-tokantrano mihitsy.

 

Niakatra ny sandan’ny ariary tato anatin’ny tapa-bolana izao raha oharina amin’ny Euro sy ny Dolara. 2.734 Ar mantsy ny euro iray   amin’izao fotoana, izany hoe nihena 60 Ar monja raha oharina tamin’ny volana janoary. Mifandanja ny tolotra sy ny tinady hita eo anivon’ireo mpanakalo vola, araka ny fanadihadiana natao.

 

Enina no indray namoy ny ainy raha tafakatra 16.000 latsaka kely kosa ireo tsy manan-kialofana. Io no takaitra navelan’ny fandalovan’ny rivodoza Bingiza teto amintsika araka ny vaovao voaray. Mbola mitarika ranon’orana any amin’iny faritra atsimon’ny Nosy iny ny rambon’ity rivodoza ity izay vinaniana tsy ho levona raha tsy afaka telo andro.

 

Nahazo fanamiana vaovao ny miaramila. Natolotry Andry Rajoelina, teny amin’ny 1er RTS (Rezimanta voalohan’ny fifandraisana sy tohana) Fiadanana ny ampahany voalohany amin’izany omaly, nahitana kiraro, ban-kiraro, ary akanjo. Ho avy ny an’ny zandary sy ny polisy ary ny mpandraharahan’ny fonja, araka ny fampanantenany.

 

Mamely ny isam-batan’olona ny aretina ankehitriny. Tsy mifidy io na kely na lehibe. Ny sery sy ny gripa no tena mpahazo ny ankamaroan’ny olona. Ao koa anefa ny mivalana tsy fanta-piaviana izany. Araka ny filazan’ny mpitsabo dia vokatry ny toetr’andro io. Ny andro mantsy izao mbola tokony hafana anefa toa efa mivadika mangatsiaka tampoka izany indraindray. Ao koa ny fahasarotan’ny fiaiana dia lasa mihinankinam-poana ny olona satria ny kibo voky no vady manohana.

 

Raisin’i Andry Rajoelina ho fihantsiana ady sy fanakorontanana, ny fiverenan’ny filoha Ravalomanana an-tanindrazana, ka nilazany fa “handray ny andraikitray izahay”. Dingana kely sisa ny hahazoana ny fankatoavana iraisam-pirenena, hoy izy ka iantsoany ny mpanao politika ho avy hanao sonia ny sori-dalan’i Simao amin’ny herinandro. Rehefa tomombana izay vao hiroso amin’ny fananganana governamanta izay hikaraka ny fifidianana eken’ny rehetra, hoy izy.

 

Nangonin’i Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanorenana ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

fandriampahalemana

  • Depiote Naivo Raholdina
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Voasambotry ny mpitandro ny filaminana…

  • Fanelezana vaovao
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

tsy marina, heloka an’habaka

  • Livasoa Randriatahinamalala
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

"Depiote miteny aho fa tsy depiote mihinana"

  • FAHALALAN'NY ASA
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

FANAOVAN-GAZETY

  • ZAVA-PISOTRO
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

MAMPATANJAKA VAOVAO

Hijery ny tohiny
FTT