Anisan’ny distrika nitondra faisana vokatry ny fandalovan’ny rivodoza Bingiza ny distrikan’i Maroantsetra, toerana iray nahafahany niditra an-tanety ka nahazoany hery be dia be. Vokany, sekoly ambaratonga fototra iray no potika tanteraka raha voatery notapahana ihany koa ny herinaratry ny Jirama noho ny herin’ny rivotra sy ny ranon’orana. Araka ny vaovao voaray moa dia efa tsy tazana any amin’ity distrika ity intsony hatramin’ny afak’omaly alatsinainy ireo kojakoja fampiasa amin’ny fiainana andavanandro toy ny labozia, ny afokasoka…
Mangataka ny mba hisian’ny Poste Avancé-ny zandarimariam-pirenena ireo mponina ao Ambohidrazana, Kaominina Mahitsy. Araka ny vaovao voaray mantsy dia tsy milamina mihitsy ny fandriampahalemana any amin’ity faritra iray ity taorian’ny asa fanafihana nitranga tamina Fokontany iray tao Mahitsy, herinandro mahery lasa izay. Hangatahan’izy ireo ihany koa ny hanampiana ny fitaovana hampiasain’ny mpitandro ny filaminana.
Ny distrikan’i Betioky sy Amboasary Atsimo no anisan’ny distrika nitondra faisana indrindra ho an’ny faritra atsimon’ny Nosy vokatr’ilay tondra-drano nateraky ny ora-nikija niseho tany an-toerana ny fiandohan’ny volana Febroary lasa teo.An-jatony ireo traboina raha nahatratra fito ireo namoy ny ainy. Na izany aza tsy mbola hita popoka ny razana iray hatramin’izao raha tanimbary an-jatony ha misy karazana fambolena toy ny mangahazo sy voanemba ary fary ihany koa no tototry ny rano.
Teratany Toniziana mahatratra 1200 no niditra an-tsokosoko tany Italia ny faran’ny herinandro teo tao anatin’ny 24 ora. Sambo lehibe miisa 13 no saron’ny mpitandro ny filaminana italiana ka voatery notazonina. Antony manosika ireo teratany Toniziana ireto hiditra an-tsokosoko any Italia moa ny mba hahafahany miaina am-pilaminana raha efa leo ny korontana sy ady lahy politika misy any amin’ny faritra misy azy ireo izy 1200 mianadahy mianaka ireto.
Takian’ireo mpanohitra any Egypta hatrany ny hialan’ireo ekipan’ny mpitondra teo aloha sy hanafoanana ny fampiharana ilay fepetran’ny tany mihotakotaka niainan’ity firenena iray ity efa am-polony taona izao. Nosakanan’ireo mpitandro ny filaminana tsy nahazo naka sary azy ireo intsony ny mpanao gazety afak’omaly alatsinainy raha vao mainka mihamahazo vahana kosa ny mpanohitra.
Nahazo fiofanana momba ny “tissage” ireo vehivavy vadina mpanjono ao amin’ny Kaominina ambanivohitra Ramena, distrikan’Antsiranana I. Angady nananana sy vy nahitana izany ny ONG Soameva amin’ny alalan’ny Projeco. Marihina fa efa nahazo fiofanana amin’ny fanaingoana harona ihany koa ireto fikambanam-behivavy ireto.
Mbola ora-mikija hatrany no hiainan’ny mponina any amin’ny distrikan’Antsiranana I hatramin’ny omaly talata vokatry ny fandalovan’ilay rivodoza Bingiza. Maro ireo tsy afaka nanohy ny asa fanaony andavanandro toy ny mahazatra, indrindra ireo mpianatra madinika mipetraka any amin’ireo toerana tsy maintsy hiampitana renirano.
Lehilahy iray nitaingin-dakana no natelin’ny ranon’i Pangalana, any amin’ny distrikan’i Mananjary ny alatsinainy teo vokatry ny fiavian’ny rotsak’orana sy ny rivo-mahery nentin’i Bingiza. Zazalahy kely iray no voalaza fa niaraka tamin’ity Rangahy namoy ny ainy ity saingy avotra soa aman-tsara.
Lehilahy telo be izao no indray nilatsahan’ny varatra tany amin’ny distrikan’i Fenoarivobe ny alarobia sy ny alakamisy lasa teo. Ny roa tao amin’ny fokontanin’Ankadibevava kaominina Fenoarivobe raha 13 Km miala ny renivohitra kosa no nahafaty ny iray. Avy any an-tsaha ity farany araka ny vaovao voaray raha nandeha tsotra teny an-dalana kosa iretsy roa voalohany.
Ny 70 %-n’ireo mpianatra madinika any amin’ny distrikan’i Manja no tsy mandia ny varavaran-tsekoly amin’izao fotoana izao. Antony maro no mahatonga izany toy ny tsy fahampian’ny fotodrafitrasa hianarana sy ny fitaovana ankoatra ny mpampianatra izay olana hiombonan’ny sekoly rehetra. Ilay fandaharana “ô i ô !” vokarin’ny radio sy televizionam-panjakana any an-toerana no hany mamolavola sy mampianatra ireo ankizy tsy tafiditra an-tsekoly ireo.
Nangonin’i Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.