Tsy hitsitsy ireo olona tratra mivarotra ireo boky amidin’ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena ho an’ny mpianatra malagasy ny ministera raha toa ka mihoatra ny vidiny ara-dalana ny vidiny hamarotana izany. Tsy misakana ireo mpanao asa soa na mpanao politika mividy izany boky izany ary mizara maimaimpoana kosa anefa ny ministera ho fanasoavana ny zaza malagasy.
Misokatra amin’izao fotoana izao ny fanadihadiana mikasika ny anton’ny nahafaty ilay tovovavy 14 maty ny 9 febroary teo. Araka ny loharanom-baovao dia voalaza fa namono tena ity tovovavy ity tamin’ny fotoana nahafaty azy. Misy anefa ny famotorana amin’izao fotoana izao satria misy ny mampiahiahy tamin’ny nahafatesany. Andeha hitsangantsangana any Andakana no fantatra fa nialan’ilay tovovavy ny tranony teny Ambohidratrimo. Teny Mandriambero tao amin’ny tranon’ny namany anefa izy no maty tamin’io fotoana io.
Nitohy omaly teny Alarobia ny dinika arahin’asa teo amin’ny CENI sy ny delegasion’ny OIF. Naharitra ora dimy ny fihaonana, nijerena ny pitsopitsony amin’ny fomba fandrafetana ny lisi-pifidianana. Manomboka anio dia hidina ifotony hijery ny fandehan’ny asa eny amin’ireo rantsamangaikan’ny CENI ireto delegasiona ireto, ka zoma hanao tombana miaraka amin’ny Foibe mialoha ny hamaritana izay mety ho filana ka hanampian’ny OIF amin’ny fanatanterahana fifidianana.
Lehilahy iray no may kilan’ny herinaratra tao Amboanato Tolagnaro ny alin’ny sabotsy teo saingy efa ora maromaro taty aoriana vao nisy nahita ny fatiny. Halatra taribin’ny Jirama no fototry ny loza. Maty ny jiro tamin’ny faritra Bezavona, ka tamin’izay no nanararaotany nanapahana tariby saingy tsy araka ny nieritreretany azy ny zava-nitranga fa izy no nindaosin’ny fahafatesana ary lasa saribao tanteraka. Mpiasan’ny Sifor, mpikirakira taretra, taloha io lehilahy io saingy efa voaroaka tamin’ny asany.
Niditra an-tanety omaly maraina tokony ho tamin’ny 06 ora tany amin’ny distrikan’i Maroantsetra ilay rivodoza Bingiza. EPP iray no rava tany an-toerana ary mikija ny orana. Nandravarava izy tany Mananara Avaratra. Ny 80%-n’ny tanàna dia niongotra ny tafo. Ny tany Sainte Marie sy Fenoarivo Atsinanana kosa dia ny jiro no tapaka noho ny fianjeran’ny andrin-jiro. Mety hivoaka an-dranomasina anio izy ireo. Na izany aza dia mbola manan-kery hatrany ireo filazana loza.
Hafaliana ny an’ireo tantsaha mpamokatra any amin’ny Faritra Alaotra Mangoro noho ny fahatongavan’ilay rivodoza Bingiza. Ity rivodoza ity mantsy no mba antenain’izy ireo hitondra rano betsaka hikarakarana ireo tanimbary any an-toerana raha efa nakina tanteraka teo aloha. Izany tokoa no tonga amin’ilay fitenenana hoe : ny fahorian’ny sasany hifalian’ny sasany.
Mpivady nandeha nividy mofo tao amina patisserie iray eny Andranonahoatra Itaosy no lasibatry ny mpangalatra ny alahady hariva lasa teo.Nitondra moto izy mivady ireto ary nametraka toy ny mahazatra ny poketrany tamin’ny familiana ilay moto. Raha vantany vao nidina anefa izy ireo dia nosintonin’ilay mpangalatra ny poketrany ary lasany. Kojakoja niampy vola no voalaza fa tao anatin’io poketra lehibe io.
Efa tsara omana tamin’ny fahatongavan’ilay rivodoza Bingiza ny any amin’ny distrikan’Antalaha, Faritra SAVA. Niandahy niambavy mantsy ireo tomponandraikitra mitety tanàna nanao ny fanentanana ny faran’ny herinandro teo mba hisorohana ny loza mety hitranga. Lohalaharana tamin’izany ny fanalana sahady ireo olona mipetraka amin’ny faritra iva.
Mihamahazo vahana ny halatra omby any amin’ny Kaominina Ambohimalaza, distrikan’Antananarivo avaradrano. Ny taolan’ilay omby hatrany sisa no hita any amin’ireo toerana hihazo ny Kaominina ambanivohitra Ambanitsena raha mbola velona ilay omby no miala ao an-tanàna. Hetahetan’ny mponina noho izany ny mba hijeren’ny tomponandraikitra akaiky ny zava-misy.
Naiditra am-ponja omaly eny Antanimora ireo mpanendaka roa lahy tratra teny Ambondrona ny alahady teo. Voatifitra teo main’ny feny ny iray tamin’ireto mpanendaka ireto ka rehefa avy notsaboina teny amin’ny Hjra dia natolotra ny Fampanoavana omaly. Nanendaka renim-pianakaviana iray avy any Ankazobe niantsena teny Analakely ireto roa lahy ireto no sendra ny polisy tsy lavitra teny. Nifanenjehana izy ireo ary tsy nanaiky raha tsy nitifitra ireo polisy. Voa teo amin’ny feny ny iray ka tsy afa-nihetsika intsony. Nilavo lefona ihany koa ilay faharoa raha vao nahita izany.
Nangonin’i Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.