Actualités

VAOVAO TAPATAPANY


  • Zoma 11 Febroary 2011


Velon-taraina ny amin’ny fofona mantsina miely eny amin’iny faritra Andohatapenaka sy ny manodidina iny amin’izao fotoana ireo mponina eny an-toerana sy ny mpandalo. Araka ny fandrenesana ilay fofona dia toa taolana dorana izany nefa toa fofom-biby maty tsy nalevina ihany koa. Somary mampametra-panontaniana ihany noho izany ny mikasika ity fofona ity izay marihina fa efa naharitra dimy andro izao.

 

Tsy azon’ireo fiara voatokana hitaterana entana intsony manomboka izao ny mitondra olona. Toraka izany koa ireo fiara mpitatitra olona nefa mitondra entana, indrindra ireo mihazo iny faritra atsimon’ny Nosy iny. Mba hisorohana ny loza izay hamoizana aina hatrany mazàna no antony nandraisana izany fanapahan-kevitra izany araka ny nambaran’ny tale jeneralin’ny fitaterana. Fiara lehibe maro noho izany no tsy maintsy hitsahatra amin’ny asany manomboka amin’ity herinandro ity na faritra aiza na an’iza.

 

Nosakanan’ireo mpanohitra tsy ho tanteraka hatramin’ny farany ny fivoriana nokasain’ireo solombavambahoaka mpikambana ao amin’ny Antenimieram-pirenena any Egypta. Mpanohitra izay tsiahivina fa manohy hatrany ny fihetsiketsehana hanalana ny filoha am-perinasa amin’ny toerany ary vonona ny hiatrika ny fifandonana mety hisy, eny fa na dia amin’ireo mpitandro ny filaminana aza.

 

Omaly no noraisin’ny PDS-n’Antananarivo renivohitra Edgard Razafindravaha tao amin’ny Lapan’ny tanàna Analakely ny delegasiona avy any Hanoi, renivohitr’i Vietnam, tonga hifanakalo traikefa sy hifampidika amin’ireo mpanao fitaterana eto amintsika. Nivoitra nandritra ny resaka nifanaovan’ny roa tonta ny fifanampiana sy ny fanamafisana hatrany ny fiaraha-miasa hahafahana miroso amin’ny tena fampandrosoana marina.

 

Hitohy rahampitso sabotsy ny fivarotana ireo entana mora eny amin’ireo Tsena Mora eto an-drenivohitra rehefa niverina nivoha ny alarobia teo. Anton’ny fampiatoana ny Tsena Mora nandritra ny fotoana vitsy ny fametrahana indray ilay fandaminana vaovao, fandaminana hanomezana tombony manokana ireo tena sahirana amin’ny alalan’ny karatra manga.

 

Miala any ny rivodoza Bingiza. Hatramin’ny rahampitso sabotsy 12 febroary no voalazan’ireo mpamantatra ny toetr’andro fa mbola hijanonan’ity rivodoza ity any amin’ny faridranomasin’i SAVA. Noho izany dia mihatra sy manan-kery hatrany ny filazana loza manambana ho an’ny Faritra SAVA, Analanjirofo ary Atsinanana. Toraka izany koa ny any amin’ny faritra atsimo andrefana raha tsy mbola voakasika kosa isika eto an-drenivohitra.

 

Tsy diso anjara tamin’ny fanamarihana ny andron’ny sekoly izay hifarana anio zoma ny CEG etsy Tanjombato. Fikaonan-dohan’ny mpampianatra arahina fifanakalozan-kevitra entina hanatsarana ny voka-panadinana no hamaranana ny hetsika anio raha natomboka tamin’ny lalao ara-panatanjahantena sy ny asa fanadiovana.

 

Niditra teo amin’ny varavarankely ambony ny varatra ary nivoaka tany amin’ny varavarankely ambany. Izany no nitranga tany Ambondrona Mantasoa, distrikan’i Manjakandriana ny alarobia 2 febroary lasa teo tokony ho tamin’ny fito ora latsaka fahefany hariva. Toy ny nitady olona ireny mihitsy ilay izy. Rehefa tsy nahita izay notadiaviny izy, araka ny vaovao, dia nitsofoka tao amin’ny trano iray nifanila taminy. Tsy afa-po tao dia nandalo tamin’ny trano fahatelo izay nifanakaiky teo ihany. Tsy nisy kotroka anefa tamin’io fotoana io ary tsy nisy orana ihany koa. Raha ny fitantaran’ny nanatri-maso dia toy ny nisy naniraka izany ilay varatra. Tsy nisy anefa ny naratra na aina nafoy

 

Mbola ny akon’ilay didim-pitsarana mikasika an-dry Fetison nivoaka tamin’ny alarobia no nibahan-toerana teny amin’ny Kianjan’i Magro Behoririka omaly alakamisy 10 febroary ka nilazan’ny Révérend Ndrianalijohn fa fandresena dingana voalohany iny. «Efa nihatra amin’aina tamintsika ity tolona ity ka tsy hamelantsika”, hoy izy. “Mila mivoaka daholo ny gadra politika rehetra”, hoy Rtoa Berthine.

 

11 febroary 1975 - 11 febroary 2011 : 36 katroka anio no lavo teny Ambohijatovo ambony ny kolonely Richard Ratsimandra. Ny anaran’i Zimbo, mpikambana FRS tamin’izany fotoana, no voatondro fa nitifitra ka nahafaty azy. Voatifitra ihany koa izy nony avy eo. Dia nijanona ho misitery ny raharaha hatreto.Ny Tobin’ny zandary etsy Andrefan’Ambohijanahary sisa mitondra ny anarany. Demokraty ny kolonely Richard Ratsimandra ary tamin’ny androny no efa nisantarana ny fahalalahan’ny fanaovan-gazety teto Madagasikara, na mbola maro aza ny ezaka amin’izany.

 

Momba fiaraha-mitantana ny fitarihana ny ankolafy Ravalomanana na efa nivoaka ny fonja aza i Fetison Rakoto Andrianirina. Mamy Rakotoarivelo, Roland Ravatomanga, Manandafy Rakotonirina ary Rakotoarison Yves Aimé no mitarika ny delegasiona amin’izay fifampidinihana andraisan’ny ankolafy anjara hitadiavana vahaolana hivoahana amin’ny krizy.

 
Nangonin’i Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanorenana ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

fandriampahalemana

  • Depiote Naivo Raholdina
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Voasambotry ny mpitandro ny filaminana…

  • Fanelezana vaovao
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

tsy marina, heloka an’habaka

  • Livasoa Randriatahinamalala
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

"Depiote miteny aho fa tsy depiote mihinana"

  • FAHALALAN'NY ASA
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

FANAOVAN-GAZETY

  • ZAVA-PISOTRO
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

MAMPATANJAKA VAOVAO

Hijery ny tohiny
FTT