Actualités

VAOVAO TAPATAPANY


  • Alakamisy 10 Febroary 2011


Miato mandritra ny fotoana tsy voafetra ny sampandraharaha misahana ny fisavana ara-teknikan’ny fiara etsy Antsakaviro araka ny vaovao voaray. Noho ny anton’ny fandaminana eo anivon’ny kaominina Antananarivo renivohitra no voalaza fa antony mahatonga izany.

 

Misy delegasiona avy amin’ny Hanoi VietNam tonga mitsidika eto Antananarivo hatry ny omaly. Tafiditra ao anatin’ny fiaraha-miasan’ny tanàna mikambana ao amin’ny AIMF izy ity ifanakalozana traikefa.

 

Nanao bemidina teny Andranomena Boriborintany faha-6 Ambohimanarina ny ekipan’ny Kaominina omaly nanara-maso ny tsy fanarahan-dalàna, fanadiovana ary ny fifamoivoizana. Fantatra nandritra izany fa taxi-be miisa enina manao zotra Ivato sy Ambohidratrimo no tratra tsy nanara-dalàna, izay tamin’ny ankapobeny dia resaka “papier” tsy tomombana na tsy ampy no antony, nefa mandalo sakana polisy sy zandary hatrany ireo.

 

Tafakatra 120.000 ny isan’ireo tera-tany Malagasy miasa amin’ireo sehatra tsy dia manara-penitra loatra eto an-drenivohitra. Vokatry ny fahaverezan’asa sy ny tarazo entin’ny krizy no voalaza fa antony mahatonga izany. Mihoatra ny isa ara-dalàna io voalaza etsy ambony io amin’ny ankapobeny no sady renim-pianakaviana avokoa ny ankamaroany.

 

Nisy fiakarana hatrany amin’ny 25% vidim-panafody. Araka ny fanazavana farmasiana iray eto an-drenivohitra dia ny fihenan’ny fanafody hafarana no anisan’ny antony miteraka io fiakaram-bidy io.

 

Tsy mbola hihatra amin’ity volana ity araka ny fantatra ilay fampiakarana ny saran’ny jiro sy ny rano eo anivon’ny JIRAMA, araka ny fanambarana nataon’ny ministra tomponandraikitra andro vitsivitsy lasa izay. Mbola eo am-panatanterahana ny fanadihadiana mikasika izany mantsy ny JIRAMA ankehitriny. Tsiahivina moa fa noho ny fiakaran’ny vidin-tsolika izay miainga eny anivon’ny tsena iraisam-pirenena mihitsy no voalazan’ireo tomponandraikitra fa antony tsy maintsy hampakarana ny vidin’ny rano sy ny jiro.

 

Tsy sangisangy intsony fa mihamahery vaika hatrany ny fanesorana ireo mpivarotra amoron-dalana tsy manara-dalana eto an-drenivohitra. Voakasik’izany manokana ny eny amin’ny faritra Analakely sy Tsaralalana eny. Na izany aza anefa tsy mahafoana tanteraka ireo mpivarotra ireo ny fihodinana manodidina ny tanana sy ny fangalana ny entan’ireo namany. Mbola mitohy hatrany ny asa fanaon’izy ireo andavanandro raha somary nangingina teo aloha.

 

Fizarana “kits scolaires” ho an’ireo mpianatra ao amin’ny taona voalohany no hamaranana ny fanamarihana ny andron’ny sekoly rahampitso zoma any amin’ny distrikan’Andapa. Hahazo tombony manokana amin’izany ireo mpianatra eny anivon’ny EPP, fanomezana avy amin’ny fitondrana FAT. Eo andanin’izay miomana fatratra amin’ny fankalazana ny andro maneran-tany ho an’ny vehivavy ireo fikambanam-behivavy isan-tsokajiny any amin’ity distrika ity. Ao Andapa mantsy no hanaovana ny fankalazana amim-pomba ofisialy ho an’ny faritra SAVA.

 

Mitombo isan’andro ny fanorenan-trano tsy nahazo alalana any amin’ny distrikan’i Morondava. Ao amin’ny fokontanin’Ambalalado no kaominina ambonivohitr’i Morondava no tena ahitana izany araka ny vaovao voaray. Nisy ny antso avo nataon’ny PDS tamin’ny mponina mba hitandreman’izy ireo hisorohana ny fandrodanan-trano tsy ampoizina sy ny fahasimban’ny tanana.

 
Nangonin’i Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanorenana ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

fandriampahalemana

  • Depiote Naivo Raholdina
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Voasambotry ny mpitandro ny filaminana…

  • Fanelezana vaovao
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

tsy marina, heloka an’habaka

  • Livasoa Randriatahinamalala
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

"Depiote miteny aho fa tsy depiote mihinana"

  • FAHALALAN'NY ASA
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

FANAOVAN-GAZETY

  • ZAVA-PISOTRO
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

MAMPATANJAKA VAOVAO

Hijery ny tohiny
FTT