Tsy mbola milamina ny toe-draharaha any Tonizia hatramin’izao. Taorian’ny fanesorana ireo ekipan’ny filoha teo aloha Ben Ali tsy ho ao anaty fitondrana intsony mantsy dia nivadika ho herisetra ny zava-misy ka olona efatra no namoy ny ainy.
Nanaiky nifampiresaka mivantana tamin’ireo mpanohitra any Egypta ny ekipan’ny filoha ankehitriny. Anisan’ny soso-kevitra naroson’izy ireo hialana amin’ny fanalana ny filoha am-perinasa ny fanitsiana ny volavolan-dalàmpanorenana misy ary ny fihainoana ny hetahetan’ireo gadra politika. Na izany aza anefa tsy nahafa-po ny mpanohitra ny fisian’izany. Hangatahan’ireto farany hatrany mantsy ny hanalana ny filoha am-perinasa amin’ny toerana ka hamotsorana tsy misy raorao ireo gadra politika.
Hitohy ny hetsiky ny OMDA sy ny mpitandro ny filaminana manoloana ny fisamborana sy famongorana ireo mpivarotra kapila hosoka eto an-drenivohitra. Manodidina ny roa hetsy ariary isaky ny hetsika ny lelavola lany amin’izany araka ny fanazavan’ny tale jeneralin’ny OMDA saingy ezahin’izy ireo ny hanohizana ny hetsika ho fitsinjovana ny zon’ny mpamorona. Teny Alakamisy sy 67 ha ary Anosibe moa raha tsiahivina no nahatrarana ireo kapila hosoka 5 hetsy isa ny faran’ny herinandro teo raha olona roa no tompon’antoka tamin’izany.
Ho avy eto Madagasikara tsy ho ela ny vondron’ireto tany mampiasa ny teny Frantsay na ny OIF, iraka tafiditra sahady ao anatin’ny fanomanana ny fifidianana. Manampahaizana manokana momba ny fifidianana ny ankamaroan’izy ireo araka ny fanazavan’ny filohan’ny fahefana avon’ny tetezamita, hanampy sy hanoro ireo olona manana traikefa momba izany eto amintsika.
Ho hita tsy ho ela manerana ireo toeram-pivarotana enta-madinika miisa 1000 eto an-drenivohitra ny karatra fandraisana anjara amin’ilay lalao loterie karakarain’ny Loterie Malagasy. Efa saika manana ireo fitaovana rehetra ilaina amin’izany avokoa ireo épicerie ireo amin’izao fotoana.
Efa saika tapitra niongotra daholo ary tsy nisy hita teny amin’ny toerana nametrahana azy intsony ireo karazana trakta niparitaka teny Itaosy mikasika ny fampaherezana ny sarababem-bahoaka amin’ny fitolomana, hanoherana ny fitondrana FAT indrindra manoloana izao fiakaran’ny vidim-piainana izao. Ny alahady hifoha ny alatsinainy moa no nisy nametaka teny amin’ny rindrin-tsekoly sy manoloana ireo toerana talaky maso ireto trakta ireto, vita anaty kadra tsara no sady voakaly.
Mihena ny henan-kisoa teny an-tsena tato ho ato. Noho ny tsy fisian’ny kisoa hatrany am-potony no voalazan’ny mpivarotra fa antony mahatonga izany. Na izany aza mbola mijanona ho 6800 Ar ihany ny iray kilao amin’ity hena ity fa tsy nahitana fisondrotany. Vitsiana rahateo sisa ireo tsy maintsy mividy henan-kisoa matetika noho ny fidangan’ny vidim-piainana.
Lehilahy iray nandeha dia an-tongotra avy any Toliara no torana nanoloana ny tsena ao an-drenivohitr’i Fianarantsoa ny alatsinainy maraina teo. Ny Fokonolona teo amin’ny manodidina no nahita ity rangahy ity nitsirara ka nitondra azy tany amin’ny hopitaly. Efa salama sy tomady ny lehilahy amin’izao fotoana saingy ny olana dia tsy manana na inona na inona afa tsy ny akanjokeliny ao anaty sakaosiny izy.
Vary folo taonina niampy ranom-panafody famonoana haombary amina velaran-tany 30 ha no natolotry ny orinasa iray mitrandraka arintany any Benenitra ny mponina any amin’ity distrika ity ny fiandohan’ny herinandro teo. Mba ho fanampiana ireto farany noho ny fisian’ny kere no anton’ny fanampiana. Mbola nampanantena moa ity orinasa ity fa hanome toeram-pitsaboana sy hanorina trano fianarana ho an’ireo mponina ao amin’ity toerana ity.
Mandalo eto Madagasikara ny Ministra kaomoriana misahana ny fitaterana sy fizahantany. Teny Mahazoarivo nihaona tamin’i Camille Vital izy omaly nifampidinika amin’ny hampodiana ireo Kaomoriana voatana am-ponja tany Mahajanga ny volana janoary lasa iny, taorian’ny lalao baolina kitra nandratoan’ny ekipa Kaomoriana lalao teto.
Nanomboka omaly talata 08 Febroary ny fanamarihana ny andron’ny sekoly ho an’ny Faritra Itasy. Andron’ny sekoly izay nifanindran-dalana tamin’ny fankalazana ny fetin’ny talata matavy ho an’ireo sekoly mampiasa ny teny frantsay. Hitohy mandritra ny herinandro mahery eo izany fety izany araka ny fantatra, fotoana kely hialan’ireo mpianatra sasatra ihany koa.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.