Actualités

VAOVAO TAPATAPANY


  • Alatsinainy 07 Febroary 2011


Nanamarika Atoa Voninahitsy Jean Eugène fa tsy hoe miaro ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana izy, ka tsy mitsivalana mihitsy ny amin’ny hanomezana azy famotsoran-keloka. Nambaran’ity mpikambana ao amin’ny kongresin’ny tetezamita sady filohan’ny antoko Rpsd vaovao ity fa manaraka ny fehin-kevi-dehibe voasoratra ao amin’ny satan’i Maputo ny eritreriny amin’ny resaka famotsoran-keloka, sy mikasika manokana ny filoha teo aloha.

 

Mananika ny 3500 isa ireo tsy manan-kialofana vokatry ny tondra-drano any amin’ny faritra atsimon’ny Nosy. Valo no naratra raha tsiahivina, fito ireo namoy ny ainy raha tsy mbola hita popoka kosa ny roa ambiny. Marihina fa efa nitsahatra tanteraka ny ranon’orana any an-toerana raha mbola olana goavana miandry ny mponina sy ireo tomponandraikitra isan-tsokajiny kosa ny fanalana sy ny fandritana ny rano amin’ny faritra maro samihafa.

 

Tsy mbola misy ahiana ny fiakaran’ny rano amin’ireo renirano maro eto an-drenivohitra araka ny fanazavan’ny tale jeneralin’ny APIPA. Raha tsiahivina anefa dia tafakatra 1 metatra isak’alina ny renirano eto an-drenivohitra isaky ny milatsaka ny ranon’orana.

 

Hahazo tobim-pitsaboana hahafahany mitsabo tena araka ny tokony ho izy ny mpiasan’ny SAMVA amin’ity taona 2011 ity, sampandraharaha iray mikirakira ny fako eo anivon’ny Kaominina Antananarivo renivohitra. Hampitomboina ihany koa ny fitaovana toy ny dabam-pako sy ny fiara vaventy hahafahana manatontosa an-tsakany sy an-davany ny asa sahanin’izy ireo.

 

Mahatsiaro ny tenany ho tsy afaka mampidi-bola firy intsony ireo dokotera tsy miankina sasantsasany eto an-drenivohitra raha oharina amin’ireo dokotera tsy miankina mitovy aminy saingy manana fanafody. Ireto farany mantsy no tena hihazakazahan’ny olona. Ankoatra ny fanafody ananan’izy ireo izay tsy fantatra mazava ny toerana hakany azy dia mbola manodidina ny 2.000 ka hatramin’ny 3.000 Ar ihany koa ny saram-pihazana alainy raha 5.000 Ar farafahakeliny no tokony ho izy.

 

Anisan’ireo firenena tsy mbola ampy olona amin’ny fikirakirana ny antontan’isa isika eto Madagasikara. Lesoka goavana mbola mila arenina izany araka ny fanazavan’ny ministry ny toekarena sy ny vola. Nisy ny fanofanana tanora mpianatra am-polony notontosain’ity ministera ity izay nanomboka ny volana Septambra lasa teo.

 

Mihamitombo isa hatrany ireo olona tonga mitady asa eny anivon’ny orinasa afaka haba amin’izao fotoana izao. Vehivavy ny ankamaroan’izy ireo izay marihina fa mananontena sy nilaozam-badiny avokoa. Misy amin’izy ireo moa no efa roa sy telo taona ny nitadiavana asa saingy tsy mbola voaray ihany hatramin’izao.

 

Fiara telo be izao dia fiara vaventy iray sy 307 roa no indray nifandona teo Amboditsiry ny faran’ny herinandro teo. Taxi-be mianavatra ny iray amin’ireo 307 raha fiaran’olon-tsotra kosa ny iray, samy handeha hiakatra avokoa. Nanantena ny hifampisongona izy ireo saingy tamin’ny fotoana saika hanaovany izany no nifanehitra tamina kamiao iray avy any Ambatomainty nihazo an’Amboditsiry izy ireo ka nifanoroka tao. Soa ihany anefa fa tsy nisy ny ainy nafoy raha maromaro ihany ireo naratra.

 

Ny «Vondron’ny kristianina katolika mijoro amin’ny fahamarinana (V.2K.M.F)», dia misaotra an’ny Pastera Lala Rasendrahasina Filohan’ny FFKM tamin’ny fihetsika mendrika feno fanetren-tena nasehony noho ny namangiany an’ny lietnà-kolonely Andrianasoavina Charles. Raha ny fantatray dia ny Papa Ray Masina Jean Paul II sy ianao no voalohany nampibaribary fa ny «valifatin’ny Fitiavana» dia ny «Fifamelana». Lesona lehibe ho an’ny ondrinao ireny, hoy ny V.2K.M.F. «Manantena izahay fa ho maro ireo raiaman-dreny am-panahy sy ny mpitondra no hanara-dia anareo».

 

Raha ny hoe manaiky tsy misy mandà no tadiavin’ny Fianakaviambe iraisam-pirenena dia tsy hisy izany, hoy i Norbert Lala Ratsirahonana, filoha nasionalin’ny antoko AVI nandritra ny lanonana fifampiarahaban’ny antoko ny sabotsy teo. Rehefa ny maro an’isa no mifanaiky dia roso ny tetezamita ary mino ny tenany fa ho tanteraka izany.

 

Nanao fifampiarahabana nahatratra ny taona vaovao 2011 tao amin’ny hotely Fanantenana Ampandrana ny Tiako I Madagasikara ao amin’ny Boriborintany I Antananarivo. Nanotrona ny mpikambana tao ny avy amin’ny birao foibe notarihin’ny Sekretera jeneralin’ny antoko, Mamy Rakotoarivelo. Niditra nivantana nandritra io fihaonana io koa ny filoha mpanorina ny antoko Marc Ravalomanana.

 

 

Nangonin’i Pati

 


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanorenana ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

fandriampahalemana

  • Depiote Naivo Raholdina
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Voasambotry ny mpitandro ny filaminana…

  • Fanelezana vaovao
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

tsy marina, heloka an’habaka

  • Livasoa Randriatahinamalala
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

"Depiote miteny aho fa tsy depiote mihinana"

  • FAHALALAN'NY ASA
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

FANAOVAN-GAZETY

  • ZAVA-PISOTRO
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

MAMPATANJAKA VAOVAO

Hijery ny tohiny
FTT