Fatin-dehilahy iray sahabo ho 35 taona no hitan’ny Fokonolona tao ambany tetezan’Anosizato ny talata hariva tokony ho tamin’ny 03 ora sy sasany tany ho any. Mpanao baolina nisasa teo amoron-drano no nahita ny razana ka nampandre ny manodidina. Fantatra tamin’izany fa efa telo andro tany ho any no efa tavela tao ambany tetezana ity razana ity. Tombanana ho nandritra rano tamin’ny faritra iray no nahatonga izao famoizany ny ainy izao taorian’ny rotsak’orana nisesisesy tato ho ato.
“Efa voalazan’ny lalàna ny hisian’ny fotoam-pivoriana tsy ara-potoana eny amin’ny rafitra mpanao lalàna roa tonta”, hoy ny CT Avimana na i Mex. “Hisy ny tolo-dalàna hatolotry ny governemanta amin’izany eo amin’ny lalam-pifidianana sy ny manodidina azy. Izahay koa anefa efa vonona amin’ny hevitra notinapaka tao anaty kaomisiona ny amin’izay fomba hitondrana ireo fifidianana rehetra ho avy, rehefa nandinika ny lesoka nisy tamin’ny fitsapan-kevi-bahoaka farany teo. Efa voadinikay ny amin’ny sata hifehy ny antoko mpanohitra, ny hifehy an’ireo Filoham-pirenena teo aloha ary ny fahaleovantenan’ny CENI. Dia hakambana hodinihana sy andraisan’ny governemanta fanapahan-kevitra indray izany rehetra izany.
Ny ampahany betsaka mahatonga ny lozam-pifamoivoizana eto amintsika dia vokatry ny olana ara-teknika avokoa. 65%-n’ny tranga raha ny tarehimarika azo araka ny tatitry ny mpanara-maso ny fifamoivoizana. Lohalaharana amin’izany ny olana eo amin’ny «frein» sy ny «suspension» ary ny kodiarana. Raha ny sampana fitsarana fiara ao Toamasina dia 17.893 ireo fiara notsarainy ny taona 2010 iny, ny 12.079 tamin’izany no ara-dalàna raha ny ara-teknika, ny 5.814 na ny 32,50% kosa nanana olana ara-teknika avokoa.
Hanomboka amin’io volana martsa ho avy io ny asa fanatsarana ny Tranom-bokim-pirenena etsy Anosy. Lohalaharana amin’ny asa fanamboarana ny fandraiketana anaty solosaina ireo boky sy tahirin-kevitra misy ao amin’ity tranom-boky ity araka ny fanazavan’ny Tale Willy Raetilahy. Ny faran’ity taona 2011 ity vao hifarana ny asa. Tsiahivina moa fa mankalaza ny faha-90 taona niorenany ity tranom-bokim-pirenena ity amin’izao fotoana izao.
Omaly maraina dia tonga nizara kilalao sy vary ho an’ireo ankizy 40 eo ho eo monina ao amin’ny ivontoerana Creon etsy Andavamamba ny Marines. Valo ka hatramin’ny 14 taona eo ho eo ny ankabeazan’izy ireo, izay tsiahivina fa zaza kamboty sy tsy misy mpiahy.
Voararan’ny lalàna ny familiana an-kavanana, araka ny didim-pitondrana laharana 104-DT…/08 nosoniavin’i Botozaza Pierrot. Voarara ihany koa ny fanaovana lokona fiara miendrika dokambarotra goavana sy sary mameno fiara, araka ny taratasy laharana 038/ATT…/10 sy ny 100/DGSR…/10.
Karama enim-bolana ny an’ireo mpampianatra FRAM mandray tambinkarama avy amin’ny fanjakana ao anatin’ny Cisco Manakara no tsy voaray, araka ny loharanom-baovao avy any an-toerana. Nitokona tsy miasa izy ireo nefa avy amin’ity sokajina mampianatra ity ny 80%-n’ny mpanabe misahana ireo kilonga madinika any amin’ny EPP.
Heverin’i Gilbert Raharizatovo, avy amin’ny antoko RPM sady mpikambana ao amin’ny filankevitra ambonin’ny tetezamita fa tsy olana raha mivoaka avy amin’ny firehana ivelan’ny misy an’i Andry Rajoelina ny praiministry ny marimaritra iraisana.
Mirongatra ny kijeja any amin’ny distrikan’i Bekily. Velarantany amina hektara maro no efa lasibatra araka ny vaovao voaray ankoatra ny tondra-drano iainan’ny mponina. Hetahetan’ireto farany noho izany ny mba hijeren’ny fitondram-panjakana akaiky ny zava-misy.
Miaka-bidy isan’andro ireo entana eny an-tsena tato anatin’ny herinandro mahery izao. Voakasik’izany ny menaka sy ny siramamy izay tena mampikolay ny mpividy tokoa. Ankoatra ireto farany dia miaka-bidy hatrany ihany koa ny fotsimbary. Marihina moa fa tsy tazana firy eny an-tsena intsony ilay vary hamidy 1180 Ar ny iray kilao, fampanantenan’ny fitondrana FAT.
Mirongatra ny mpanao sinto-mahery eny Avarabohitra Itaosy eny. Vehivavy nody avy niasa no lasibatra ny fiandohan’ny herinandro teo tokony ho tamin’ny dimy ora sy sasany hariva. Sintoniny ny poketra dia akapony amin’ny tany ilay olona. Avy eo dia lasa mitsoaka izy. Nalady tratra anefa ny jiolahy teto ary avotra ny poketra ary efa miandry ny fitsarana azy eny am-ponja izy io. Ny marainan’io ihany dia nisy tranga toy izay koa teo amin’ilay toerana ihany. Mila fanaraha-maso, araka izany, iny toerana iny.
Nakaton’ny FAT ny ambasady malagasy any Londres (Angeltera), izay misahana an’i Irlandy Avaratra, Finlandy ary Danemark. Ny masoivoho ao Parisy (Frantsa) no hisahana ireo manomboka izao, araka ny tapaka nandritra ny filankevitry ny minisitra tao Ambohitsorohita omaly.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.