Actualités

VAOVAO TAPATAPANY


  • Alarobia 02 Febroary 2011


Omaly talata no nanomboka nandefa vaovao sy fandaharana voalohany ny Radio plus FM 100.2 na ny Radio Nostalgie. Isan’andro ary mandra-maraina no handrenesana azy. Misy ny fandrenesana vaovao lehibe raha misy koa ny vaovao tselatra eny anelanelany eny.

 

Naato ny asa fanamboarana ireo trano ao amin’ilay toerana hanaovana tanàna vaovao ao Arivonimamo, Faritra Itasy. Araka ny nambaran’ny tale jeneralin’ny ministeran’ny fanajariana ny tany mantsy dia tsy ara-dalàna ny taratasy fahazoan-dalana hahafahan’ireo olon-tsotra nividy ny tany tamin’ny Kaominina izay manorina ny trano raha tsipahin’ny Kaominina marindrano kosa izany. Nanambara moa ry zareo eo anivon’ny ministera fa tany natolotry ny fanjakana ho an’ny Kaominina tokony hanorenana fotodrafitrasa ity tany nokasaina hanorenana tanàna vaovao ity ka tsy azo amidy.

 

 Hanomboka hafana ny andro eto an-drenivohitra araka ny vinavinan’ireo mpamantatra ny toetr’andro eny Ampasampito. Hahatratra hatrany amin’ny 29°C ny hafanana taorian’ny nirotsahan’ny orana nandritra ny folo andro tsy niato. Na izany aza araka ny vaovao voaray dia mbola hanorana ihany amin’ireo faritra sasantsasany any amin’ny faritra atsimo toy ny faritra Androy, Ihorombe ary Amoron’i Mania.

 

Hasiam-pijerena akaiky ny lakan-dranon’i Dabaraha any amin’ny distrikan’i Morondava, taorian’ny nirotsahan’ny ranon’orana lavareny tato ho ato. Nandritra ny fivoriana notontosain’ireo tomponandraikitra isan-tsokajiny any an-toerana no nahafantarana izany, natrehin’ny lehiben’ny Faritra Menabe. Hatramin’ny niavian’ny ranon’orana no ho mankaty mantsy dia olona roa no efa namoy ny ainy tao Vatanana. Tsy mbola hita ny razana iray hatramin’izao.

 

Tsara ny voka-panadinana ara-panjakana rehetra notontosaina tany amin’ny distrikan’i Mahanoro nandritra iny taom-pianarana nivalona 2009-2010 iny. Ezahina hotohizana hatrany izany na dia maro aza ny olana sedrain’ireo mpampianatra sy ny mpianatra toy ny tsy fahampian’ny fitaovana. Nandritra ny fifampiarahabana nahatratra ny taona noho ny fahatongavan’ny fetin’ny asaramanitra no nahafantarana izany ny faran’ny herinandro teo.

 Nandalo nanatitra fanampiana ho an’ireo traboina vokatry ny hain-trano niseho tao Brickaville afak’omaly alatsinainy ny iraky ny FAT. Nandritra izany no nahafantarana fa olona manodidina ny 250 isa no tsy manan-kialofana ankehitriny raha trano 42 tafo kosa no lasibatra. Ankoatra ireo voalaza ireo dia tany mirefy 70 ha no lanin’ny afo ka ny 40 ha amin’io no nisy vokatra.
 Notoloran’ny ONG Aide et Action solosaina feno miaraka amin’ny imprimante ny CLEF ao Mahabo any amin’ny faritra Menabe, toerana iray hahafahan’ireo tanora lahy sy vavy nitsoaka an-daharana tany an-tsekoly manovo fahalalana bebe kokoa indray. Tao anatin’ny hafaliana tanteraka no nandraisan’ireo ankizy mpianatra 34 mianadahy izany fanomezana izany, tafiditra ao anatin’ilay tanjona fampiroboroboana ny fanabeazana ho an’ny rehetra.
 Miomana sahady amin’ny fanamarihana ny andron’ny sekoly teknika ny any amin’ny distrikan’Ambilobe. Ny 23 ka hatramin’ny 25 febroary ho avy io no hanamarihana izany any an-toerana, izay tapaka nandritra ny fivoriana notontosain’ireo mpampianatra ny fiandohan’ny herinandro teo.
 Fantatra ankehitriny fa misy andiana mpanao politika avy amin’ny Tiako i Madagasikara indray mivonona hanatevin-daharana ireo efa ao anaty CT, CST, CENI ary governemanta. Tsy mitsahatra mivory, izay hitohy amin’ity anio ity ary efa manangona anaran’olona hatolotra amin’ireo rafitra ireo izy ireo.
 Raha nihaona tamin’ireo mpitari-posy sy tompona posy tao Toamasina ny ministra Nadine Ramaroson ny alatsinainy teo dia nilaza fa «zanak’olona manan-karena sy mpanambola aho, ka tsy ho voavidim-bola izany…vehivavy mpitolona aho ka izay no hijoroako…taiza ianareo tamin’izahay nitolona niady tamin’ny jadona, tsy hita, nefa ankehitriny manakina ny fitondrana tetezamita…tsy misy asa vita raha tsy miaraka amin’ny fanjakana, ka miaraha aminay dia ho voavaha ny olanareo, fa natao hijery izany ny fitondrana tetezamita ankehitriny».
 
Nangonin’i Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanorenana ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

fandriampahalemana

  • Depiote Naivo Raholdina
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Voasambotry ny mpitandro ny filaminana…

  • Fanelezana vaovao
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

tsy marina, heloka an’habaka

  • Livasoa Randriatahinamalala
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

"Depiote miteny aho fa tsy depiote mihinana"

  • FAHALALAN'NY ASA
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

FANAOVAN-GAZETY

  • ZAVA-PISOTRO
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

MAMPATANJAKA VAOVAO

Hijery ny tohiny
FTT