Fianakaviana mihoatra ny 300 no efa traboina tsy manan-kialofana ao Anosikely Tsararano, distrikan’i Mahajanga I vokatry ny fahatsentsenan’ny tatatra ka nampiandrona ireo riaka sy rano nateraky ny ranon’orana nisesy tato ho ato. Tonga nijery ny zava-misy tany an-toerana ny lehiben’ny Faritra Boeny ny faran’ny herinandro teo izay nanamafy fa hohamafisina manomboka izao ny fanaraha-maso ireo mpivarotra amoron-dalana tsy manara-dalàna, tompon’antoka voalohany amin’ny fanariana fako ka manentsina ireo tatatra tokony hikorianan’ny rano.
Fizarana fotsimbary sy kojakoja maro samihafa ho an’ny solontenan’ny marary. Io no namaranan’ny ministeran’ny fahasalamana ny fanamarihana ny andro iraisam-pirenena iadiana amin’ny habokana notontosaina tetsy amin’ny Falda Antanimena ny faran’ny herinandro teo. Ankoatra ity fizarana fanomezana ity dia nisy ihany koa ny fanolorana mari-pankasitrahana ho an’ireo mpiasan’ny ministeran’ny fahasalamana nahavita be. Marary iray amin’ny 10 000 isa moa sisa no tanjon’ny ministera amin’ity taona vaovao 2011 ity.
Mbola mitoetra hatrany eto amintsika ilay andro ratsy mitondra rotsak’orana amin’ny faritra maro, araka ny fanazavana nomen’ireo mpamantatra ny toetr’andro etsy Ampasampito. Ny faritra andrefana toa an’i Mahajanga izay efa misy traboina no voakasik’izany voalohany raha tsy latsa-danja amin’izany ihany koa ny any amin’ny faritra DIANA sy SAVA ary isika eto an-drenivohitra. Tokony hiomana hatrany amin’ny akanjo fitondra amin’ny orana sy ny elo ny rehetra noho izany.
Mbola misy amin’ireo Kaominina tratry ny hain-tany any amin’ny faritra atsimon’ny Nosy ihany hatramin’izao no velon-taraina noho ny tsy fisian’ny ranon’orana. Na izany aza efa misy kosa ireo miroso amin’ny asa fambolena saingy ny masomboly no tsy misy. Hifampitadiavana toraka izany koa ny sakafo hanina izay marihina fa miaka-bidy isan’andro. Ho an’ny fotsimbary manokana, ohatra, dia efa misy tafakatra hatrany amin’ny 550 Ar ny iray kapoaka
Hapetraka tsy ho ela any amin’ny distrikan’i Vatomandry ny Centre Informatique du District, hahafahana mamantatra sy manisa araka ny tokony ho izy ny isan’olona feno taona handray anjara amin’ny fifidianana. Ho fanomanana sahady amin’ny fifidianana no antony hametrahana ity fotodrafitrasa ity.
Sambo vahiny iray mitondra mpizahatany manodidina ny 433 no tonga tany Tolagnaro, faritra Anosy hatramin’ny faran’ny herinandro teo. Miaraka amin’ireo mpandraharaha teratany malagasy lahy sy vavy miisa 100 izy ireo. Tsiahivina fa efa nisy sambo lehibe nitondra mpizahatany vahiny tahaka ity koa tany amin’ity distrika ity ny volana janoary lasa teo.
Nanolotra fitaovanalafo vidy ho an’ny hopitaly ao Ambilobe ny antoko Maitso Hasin’i Madagasikara ny faran’ny herinandro teo. Fitaovana izay notsipihin’ny Médecin Chef eo anivon’ity hopitaly ity fa tsy hananan’ireo hopitaly sasantsasany manerana ny Nosy ankoatra azy ireo irery ihany. Anisan’ireny ilay fitaovana fiarovana amin’ny faritra tapaka.
Mandry tsy lavo loha ireo mpivarotra amoron-dalana ankehitriny. Toy ny nitranga tetsy Anosy akaikin’ny Firaisana fahefatra omaly tamin’ny mitataovovonana dia nahonena tokoa. Mpivarotra voankazo maromaro toy ny paiso sy poara atao amin’ny sobika fisaka no taitra tampoka ka nangorona ny entany. Vehivavy mitaiza kely ny ankamaroany. Very ny ankamaroan’ireo entana, ny an’ny sasany aza navela hatramin’ny mizàna. Ny Mazda an’ny polisy no nandalo ka nampikoropaka azy ireo. Araka ny voalazan’ny mponina manodidina eo dia mbola nisy tsy nahalafo akory ny sasany amin’ireo mpivarotra. Mifangaro ny sitrany ahay sy ny horohoro.
«Ny RFI mihitsyno nilaza fa hafa ny zavatra nitranga teto raha tsy natahotra an’i Afrika Atsimo i Lafrantsa», hoy ny tati-baovaon’ny Révérend Ndrianalijohn. Ny tokony hangatahan’ny vahoaka izao dia ny famerenan’ny FAT ny vola laniny nandritra ny roa taona, hoy ihany izy nanohy ny fanazavany.
“Mandady ny trambo satria efa akaiky ny fandresena ka tandremo ny viriosy hampidirin’ny FAT ato anatin’ny Ankolafy telo”, hoy ny Depiote Camille Mektoub tao amin’ny Magro omaly. Nambarany koa fa tsy mila fampihavanam-pirenena i Andry, izany no nanagadrany an’i Charles ary tsy tantiny ny Sud Est.
Hanao hetsika eo amin’ny «Place de la Bastille, Metro Bastille», toerana malalaka ao Paris ny GTT miaraka amin’ny Filoha Ravalomanana ny tolakandron’ny sabotsy 05 febroary amin’ny 2 ora ka hatramin’ny 5 ora hariva, ho fanoherana ny famonoana ny Malagasy, ny fanapenam-bava ny Malagasy, fampidirana amponja tsy amin’antony, fanaovana herisetra sy horohoro, ary koa hetsika fanoherana ny fanitsakitsahana ny zo maha olombelona sy ny hasin’ny firenena ary ny demokrasia.
Nangonin’i Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.