Mbola mety tsara amin’ireo tantsaha mpamokatra hatreto ny refin’ny rano nateraky ny ranon’orana eto an-drenivohitra na dia nijojo tsy niato aza izany tato anatin’ny andro vitsivitsy. Anisan’ny tena mahazo tombontsoa amin’izany ireo tantsaha manao voly an-tanety raha efa mampanahy kosa ny eny an-tanimbary. Na izany aza anefa tsy mbola dia misy atahorana loatra ny mety ho fiakaran’ny rano, araka ny fanazavan’ny tale jeneralin’ny APIPA.
Velom-bolo noho ny firotsahan’ny ranon’orana ireo tantsaha mpamokatra manerana ireo kaominina 12 isa any amin’ny tapany avatry ny distrikan’Amboasary Atsimo. Na izany aza mbola misedra olana kosa ireo faritra sasantsasany. Masomboly 15 taonina ahitana vary akotry sy tsako maina no naterin’ny malala-tanana tany an-toerana afak’omaly alarobia.
Niampy 30 mianadahy ireo Officier de Police hiasa any amin’ny faritra DIANA. Tontosa afak’omaly alarobia tao amin’ny fitsarana ambaratonga voalohany ny fianianana notontosain’izy ireo, natrehin’ireo tomponandraiki-panjakana isan-tsokajiny.
Fiara mpitatitra olona mampitohy ny distrikan’i Mandoto amin’ny renivohitr’i Vakinankaratra no nisy nanafika teny am-pandehanana afak’omaly alarobia tao amin’ny faritra ambany andrefan’i Soavina, distrikan’i Betafo. Tsy nisy ny aina nafoy saingy lelavola 2 tapitrisa Ar kosa no lasan’ireo mpanao ratsy, vola nokasain’ireo tantsaha mpamokatra hividianam-bokatra sy masomboly hamidy ao Mandoto.
Ao anatin’ny fiomanana tanteraka amin’ny loza voajanahary ny amin’ny distrikan’i Sainte Marie. Misy ny fitetezana ny isam-pokontany hataon’ny tompon’andraikitra amin’izao fotoana izao hisorohana ny loza maty hateraky ny firotsahan’ny ranon’orana. Araka ny fantatra mantsy dia mijojo tsy miato ny ranon’orana any an-toerana nanomboka ny fiandohan’ny herinandro teo.
Hotanterahina any amin’ny distrikan’i Nosy Varika indray ilay tetikasa Akanin’ny Marary entina hitsaboana sy hikarakarana ireo olona tratry ny aretina tiberkilaozy sy ongobe any an-toerana. Nandritra ny fivoriana notontosain’ny Chef ZAP sy ny Ben’ny tanana ary ireo tomponandraikitra isan-tsokajiny any an-toerana no nahafantarana izany. Ny tanjona moa dia ny hampihenana ny salan’isan’ireo olona tratra ity aretina ity.
Nihaona tamin’ireo Ben’ny tanàna rehetra miasa any amin’ny distrikan’Ambilobe ny lehiben’ny Faritra DIANA afak’omaly alarobia. Fivoriana izay nifanindran-dalana tamin’ny fifampiarahabana nahatratra ny taona. Nivoitra nandritra ny fangatahan’ireo Ben’ny tanàna ny amin’ny tokony hanohizana ny famatsiam-bola tontosain’ny FER ankoatra ny FDL Izay mbola mampitaraina azy ireo.
Nisy aretina mahery vaika namono olona telo tao Analavory Itasy tamin’ny herinandro lasa. Tsy fantatra mazava ity aretina ity saingy noheverin’ny maro ho tifoidra izany noho ny fisehony. Nandefa iraka nanao fanadihadiana tany an-toerana ny ministeran’ny fahasalamana. Raha ny nambaran’ny sekretera jeneraly dia aretina toy ny aretina fahita isan’andro ihany izy ity. “Raha fintinina dia avy amin’ny fahalotoana no tena niaviany satria tsy misy afa tsy vovon-drano 2 monja sy lavapiringa 15 ao an-toerana. Ireo no ifandimbiasan’ny mponina 630.
Tamboho iray mamefy tanànan’olona amin’iny sisin’arabe hiakatra an’Anosimasina Itaosy iny no nirodana tampoka omaly maraina tokony ho tamin’ny 08 ora, vokatry ny ora-nikija nandritra ny alina. Fiara iray sendra nijanona no nirodanan’izany saingy tsy nisy simba.
Afaka nanao sidina andrana ny alarobia teo rehefa avy nasiam-panamboana ilay boeing 737-300 “Air Force One” teo aloha ary efa nomen’ny filoha Marc Ravalomanana hampiasain’ny kaompania Air Madagascar. Nanamafy ny hanomezana azy ny Air MAD hampiasainy ny FAT ny faramparan’ny taona 2010 lasa iny. Mandeha anefa ny feo ankehitriny fa halefa hiasa any Kaomoro any io fiaramanidina io.
Nampahafantatra ny fisiany ny Plateforme des Partis Politiques pour les Elections (3PE) izay mitaky ny hanatanterahana ireo fifidianana lehibe amin’ity taona 2011. Antoko telo no mandrafitra azy hatreto dia ny Antoko Maitso Hasin’i Madagasikara, ny AME ary ny MAFI saingy misokatra amin’ny hafa, izay miombona amin’io foto-kevitra io. Takian’ny 3PE ny hahavitan’ny lisi-pifidianana anatin’ny mangarahara, ny fanatsarana ny CENI, ny fisian’ny fitsarana manokana hijery ny momba ireo hirotsaka ho fidiana toy izany koa ny hanaovana ny operation kara-panondro izay heverin’ny 3PE fa ampy handatsaham-bato fa tsy hampiasa kara-pifidianana. Mialoha ireo anefa dia mitaky ny hananganana haingana ny governemanta iraha-mitantana ity vondrona ity.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.