Miomana fatratra amin’ny fiatrehana ny loza voajanahary ry zareo any amin’ny distrikan’i Sainte Marie any. Nisy ny fanatevenana ireo mpanentana isam-pokontany ny faran’ny herinandro teo nifanindran-dalana tamin’ny lanonana fifampiarahabana noho ny fahatrarana ny taona nifanaovan’ireo tomponandraikitra.
Faritra maro eto an-drenivohitra sahady no mila ho dibo-drano taorian’ny rotsak’orana nisesy nanomboka ny sabotsy hariva lasa teo. Voakasik’izany ireo faritra iva maro eto an-drenivohitra toa an’Isotry sy Andranomanalina. Efa nisy sahady ireo voatery nifindra monina noho izany raha misy ireo mbola mijanona manala ny rano tafiditra ao an-tranony.
Ny alahady 23 janoary vao nifarana ny fitetezana fiangonana notontosain’ireo lohandohan’ny mpisorona efatra mirahalahy mpitarika ny fiangonana efatra tonta any amin’ny distrikan’Antalaha dia ny Katolika, ny Fjkm, ny Loterana ary ny Anglikanina.Fitetezana ireo fiangonana misy any an-toerana sy fampaherezana ny mpino mba hahery hatrany amin’ny fanarahana an’Andriamanitra no natao tamin’izany.
Fampirisihina ireo mpikambana ao amin’ny antoko Maitso, Hasin’i Madagasikara, hazoto amin’ny asa fambolena, indrindra ny fampiroboroboana ny tontolo ambanivohitra. Io no anisan’ny nivoitra nandritra ny fifampiarahabana nahatratra ny taona notontosain’ity antoko ity tany amin’ny distrikan’i Tolagnaro ny faran’ny herinandro teo. Tsy adinon’ny mpandrindram-paritry ny antoko Maitso, izay nitarika ny lanonana nandritra izany, ny nampahatsiahy ny mpikambana ny tarigetran’ny fikambanana izay miompana hatrany amin’ny fiarovana sy fanatsarana ny tontolo iainana.
Lelavola mihoatra ny 8 000 tapitrisa no lanin’ny tetikasa ACORDS tany amin’ny faritra Androy sy Anosy hatramin’ny taona 2004. Kaominina 29 amin’ireo 51 isa misy no nahazo tombontsoa tamin’izany tany amin’ny Faritra Androy raha 28 amin’ny 64 isa kosa ny any amin’ny faritra Anosy. Nisongadina ireo nandritra ny atrikasa notontosain’ity tetikasa ity tany Tolagnaro ny faran’ny herinandro teo. Nambarany fa tapitra tanteraka ny famatsiam-bola ho an’ny Kaominina tsirairay tahaka izao nataony teo aloha izao raha mbola mitohy kosa ny famatsiana ireo fotodrafitrasa ikambanan’ny Kaominina roa na maromaro, toy ny tsena.
Vehivavy iray no saika voahosin’ny fiara taxi-be iray mpitatitra olona teo amin’ny faritra fiampitan’ny mpandeha an-tongotra tetsy Anosy omaly.Tsy nijanona mihitsy ilay fiara raha tsy ilay vehivavy niampita no nihorakoraka. Sorena mafy noho izany ireo mpandeha niampita io arabe io ka samy nanala ny fony tamin’ilay mpamily. Tsikaritra tokoa mantsy tato ho ato fa tsy miraharaha kely akory ny fisian’ireny “passage zébré” ireny ireo mpamily sasantsasany, eny fa na dia faritra voatokana hiampitan’ny mpandeha aza izy ireny.
Tsy manaiky hatramin’ny farany ny amin’ny hanalana azy ireo eny amin’ny toerana efa mahazatra azy ireo mpivarotra amoron-dalana. Noho ny tsy fahafahan’izy ireo mandafo entana no voalaza fa antony hitokonany tsy hidirany any anaty tsena ka aleony miharitra ny sangy ratsy hifanaovany amin’ny mpiasan’ny kaominina isan’andro.
Olona 308 indray no namoy ny ainy vokatry ny tany mihotsaka sy ny ora-nikija tany Brezila ny faran’ny herinandro teo. Am-periny amin’ny fikarohana ireo razana tsy mbola hita ny fianakaviana sy ny mpamonjy voina ankehitriny raha efa nisy kosa ny fepetra noraisin’ny mpitondra ny amin’ny hanomezana toerana ireo traboina mbola azo vonjena.
Nahitana olona namono tena indray tao amin’ny ranon’Andraikiba Antsirabe. Vehivavy sy lehilahy izy ireo ary nifamihina, izany hoe tsy nisaraka, araka ny vaovao voaray. Omaly alatsinainy 22 janoary no hitan’ny olona ny razana fa raha ny nahafatesany dia mety ho efa tamin’ny herinandro satria efa manomboka miraraka ny nofo. Eo am-panaovana ny famotorana ny manampahefana any an-toerana.
Mitaraina ny mponina mampiasa ny lalana mampitohy an’Anosibe An’ala amin’i Moramanga iny. Araka ny filazan’izy ireo mantsy dia mahatratra 8 000 ariary ny saran-dalana mampitohy ireo faritra roa ireo amin’izao fotoana, izay 71 km ny halavirany. Raha mitohitohy izao dia tsy hisy mpandeha intsony iny lalana iny ary ho lasa fahirano an-kolaka ny any an-toerana. Miantso ny tmpon’andraikitra misahana izany ny mponina.
Notsoriahan’ny mpanao sinto-mahery ny firavaka fiambozon’ity tovovavy ny alahady lasa teo ary lasany tokoa. Avy nivavaka niaraka tamin’ny fianakaviana ity farany no izao tratry ny tsy nampoizina izao. Afaka kelikely dia tsikatry ny tompony teo amin’ny mpivarotra volamena teo Analakely ilay jiolahy miady amin’ny mpivarotra. Ny antony, tsy tena volamena ilay firavaka fa ankosotra.
Nangonin’i Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.