Actualités

VAOVAO TAPATAPANY


  • Alatsinainy 24 Janoary 2011


Olona roa, lehilahy sy vehivavy, voadonan’ny fiara no torana tsy afa-nihetsika teo am-piandrasana taxi-be ny faran’ny herinandro teo teny Betavoahangy Andranonahoatra. Niala sarety ilay fiara 4X4 nandona azy ireo araka ny fanadihadiana natao ka nifatratra tany amin’izy mianadahy mianaka. Na izany aza tsy nijanona ilay mpamily fa lasa nanohy ny diany saingy voarain’ny olona teo amin’ny manodidina ny laharan’ilay fiara. 

Niova nanomboka ny zoma lasa teo ny Komandin’ny Emmo-Reg ho an’ny faritra Analamanga ka dia nisolo toerana ny jeneraly Ravalomanana Richard ny kolonely Andriamitovy Andriantsarafara Rakotondrazaka. Raha amin’ny fomba firesaka eo anivon’ny miaramila sy ny zandary dia tonga amin’ilay fitenenana hoe : nampidirina garazy ny jeneraly Ravalomanana, izay nopetahan’ny mpitolona ao amin’ny Magro ny anaram-bositra hoe «Rabaomba lava» noho izy niseho gazety sy fahitalavitra mila ho isan’andro tamin’ireny vanim-potoan’ny baomba vita gasy ireny. 

Olona telo no namoy ny ainy raha 50 hafa no naratra mafy. Io no vokatr’ilay fihetsiketsehana nataon’ireo teratany Albanais tany an-toerana ny faran’ny herinandro teo. Hetsika mitaky ny hialan’ny praiministra am-perinasa amin’ny toerany. Nanomboka ny volana janoary taona 2009 no niseho ny krizy tao Albanie raha tsiahivina ary tsy mbola nahitam-bahaolana mandraka androany. 

Miantso ny mba hisian’ny fampihavanam-pirenena ny filohan’i Haïti teo aloha nalaza tamin’ny didy jadona sy ny tsy refesi-mandidy. Tonga any an-toerana ity filoha ity ankehitriny milaza ny hitondra rivo-baovao eo amin’ny sehatra politika sy hanampy ny mponina raha mbola heloka bevava kosa no mbola anenjehana azy toy ny vono olona an-jatony sy ny fanodinkodinam-bolam-panjakana. 

Nahatratra 46 hatramin’izao ireo teratany Malagasy niasa tany Liban no efa tafaverina an-tanindrazana. Telo tamin’ireo no namoy ny ainy. Vehivavy ny iray raha lehilahy kosa ny roa izay notondroin’ireo “Agence” nandefa azy fa namoy ny ainy vokatry ny lozam-pifamoivoizana. Vao ny alakamisy hariva lasa teo moa raha tsiahivina no nisy razana iray vao tonga indray teny amin’ny seranam-piaramadinina eny Ivato. 

Tsy hijanona ho mpanjono nentim-paharazana intsony ireo mpanjono eto amintsika manomboka izao fa ezahina haharaka ny teknika manaraka ny toetrandro. Nivoitra izany nandritra ny fifampiarahabana nahatratra ny taona nifanaovan’ny fianakaviamben’ny ministeran’ny jono teny amin’ny Espace Jeanni Soavinimerina ny faran’ny herinandro teo. 

Hasiam-panarenana ny sekoly teknika LTPA ao Ambinda Sahamadio Fandriana. Sekoly teknika tokana laharana faharoa aorian’Antananarivo. Nandritra ny fitsidihan-dRtoa ministry ny fampianarana teknika sy ny fiofanana arak’asa, Toto Lydia, tany an-toerana no nahafantarana izany ny herinandro lasa teo. 

Hitadiavan’ny fitondrana tetezamita vahaolana ny mikasika ny delestazy any amin’ny distrikan’i Fandriana. Tsy maharaka ny filan’ny mponina intsony araka ny vaovao voaray ny herinaratra vatsian’ny JIRAFI ka tsy vitsy ireo fitaovan-tokantrano hampiasaina no simba vokatr’izany.

Mitaky ny hialan’ny Talen’ny OMDA amin’ny toerany ireo mpivarotra CD Original sy ireo mpamokatra horonan-tsary gasy sasantsasany. Noho ny tsy fankasitrahan’izy ireo ny fampiasana ilay “hologramme” no voalaza fa antony mahatonga izany, paikady iray izay notsindrian’izy ireo fa ho tombontsoan’ny OMDA irery ihany hatreto. 

Ny alarobia izao no hampidirina ao amin’ny tsenan’Andravoahangy avokoa ireo mpivarotra amoron-dalana eny an-toerana. Fepetra noraisina isaky ny andro tsena entina hanadiovana sy moron-dalana rehetra sy fampianarana ny olona hanara-dalàna. Tsy mankasitraka ny hanaovana izany ireo mpivarotra anatiny ao amin’ity tsena ity araka ny fanadihadiana natao. Mety hampihena ny toerana efa nomena azy ireo mantsy ny fisian’izany araka ny nambarany raha tsy mankasitraka ny hidirany ao anaty tsena ihany koa ireo mpivarotra eny ivelany. Noho ny tsy fahalafosany ny entana hamidiny indray no voalaza fa tsy hankasitrahan’ireo farany izany fanapahan-kevitra izany. 

Nifamotoana teny Ambohimangidy Ampitatafika ny mpikambana ao amin’ny SLK (Sampana Lehilahy Kristianina) Foibe, nombam-bady, ny alakamisy sy zoma lasa iny, sady nifampiarahaba tratry ny taona vaovao. Midika io fa miaina ary miasa ny SLK na tsy eto an-toerana aza ny filoha nasionaliny, Razafimahefa Ivohasina Fizara. 

Nangonin’i Pati 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanorenana ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

fandriampahalemana

  • Depiote Naivo Raholdina
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Voasambotry ny mpitandro ny filaminana…

  • Fanelezana vaovao
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

tsy marina, heloka an’habaka

  • Livasoa Randriatahinamalala
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

"Depiote miteny aho fa tsy depiote mihinana"

  • FAHALALAN'NY ASA
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

FANAOVAN-GAZETY

  • ZAVA-PISOTRO
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

MAMPATANJAKA VAOVAO

Hijery ny tohiny
FTT