Mikaikaika noho ny fidangan’ny vidin’entana avokoa ireo mponina any amin’ny distrikan’i Brickaville. Tafakatra 400 Ar latsaka ny iray kapoaka amin’ny fotsimbary araka ny vaovao voaray raha efa tsy mahazo menaka intsony ihany koa ny 100 Ar. Maro amin’ireo mpandraharaha any an-toerana no mahita ny fidangan’ny vidin-javatra eto an-drenivohitra ka mampihatra izany any an-toerana.
Mandalo any amin’iny distrikan’i Maroantsetra iny ny tale iraisam-paritry ny tontolo iainana, miaraka amin’ny FAO. Foto-dian’izy ireo ny hanao fanadihadiana mikasika ny fiarovana ireo karazana ala arovana misy any an-toerana ka anisan’ireny ny hazo sarobidy. Mikasika ny fotodrafitrasa kosa indray dia mandalo manao fanadihadiana any an-toerana ihany koa ireo Sinoa maromaro mijery akaiky ny asa fanamboarana ilay tetezana goavana azo hifanenana ho solon’ilay tetezan’Anjahanambo tapaka isan-taona, nampitaraina ny mponina hatramin’izay.
Ministra telo mpikambana vaovao eo anivon’ny governemanta fampiraisam-pirenena any Tonizia no efa nitsoaka an-daharana sahady, taorian’ny fanendren’ny filohan’ny Parlementera azy ireo nisolo ny toeran’ny filoham-pirenena Ben Ali. Noho ny fitohizan’ny hetsiky ny mponina izay tsy mankasitraka ireo ministra valo hiditra ao anatin’ity governemanta ity izay marihina fa mbola ekipan’ny filoha teo aloha ihany no anton’izany.
Avotra soa aman-tsara ilay lehilahy 42 taona tototry ny tany tany Brezila taorian’ny fanavotana nataon’ny mpamonjy voina azy. Tany amin’ny 4km ambanin’ny tany no nakana ity lehilahy ity araka ny vaovao voaray raha tsy nisy avotra avokoa ireo olona 700 isa namany hafa. Nifanindran-dalana tamin’ny fitsingerenan’ny taona nahaterahan’ity lehilahy ity moa izao nahavotra ny ainy izao.
Omaly no napetraka tamim-pomba ofisialy tetsy amin’ny tany malalak’Andohatapenaka, lalana mihazo an’Ivato ny vatofehizoron’ilay asa fanamboarana hopitaly iray lehibe sy manara-penitra, fanamby napetraky ny filohan’ny fahefana avon’ny tetezamita. Haharitra enim-bolana ny asa fanamboarana. Ankoatra ny renivohi-paritany toa an’Antananarivo dia hahazo fotodrafitrasa manara-penitra tahaka izao ihany koa ny Faritr’i Melaky, Menabe ary Vatovavy Fitovinany.
Mbola malalaka azo idirana tsara ny tsena Fihavanana etsy amin’ny Petite Vitesse. Mbola misy banga ny toerana, izay mahazaka olona manodidina 1800 isa. Amin’io herinandro ho avy io moa no hanomboka horaisina ao amin’ity tsena ity ireo mpivarotra amoron-dalana tonga nisoratra anarana teny amin’ny giuchet unique teny Tsimbazaza ho fanomezana fahafaham-po azy ireo.
Novonoina tamin’ny fomba feno habibiana ity lehilahy sahabo ho 30 taona eo. Nokapakapain’ireo olon-dratsy tsy nanana antra ny vatany ary dia navelany teo. Ny alin’ny 18 hifoha ny 19 janoary no nitrangan’izany tao Maintirano tampon-tanàna. Mihorohoro ny mponina eo anatrehan’izany.
Raim-pianakaviana iray no maty novonoin’ny jiolahy tamin’ny lalana mihazo an’i Morafenobe, tsy lavitra an’i Maintirano tampon-tanàna, ny 19 janoary teo. Telo mianaka izy ireo no niaraka, ary nandroaka sarety. Tafaporitsaka nanavo-tena ramatao vadiny sy ny zanany iray, fa rangahy no tavela ary dia io niharan’ny herisetra io; hangalaran’ireo jiolahy ny omby. Mandry andriran’antsy araka izany ny mponina any amin’iny faritra Melaky iny.
Hita eny rehetra eny ny mpitandro ny filaminana amin’izao na zandary na polisy. Hatreny By Pass dia ahitana izany ary misava ny antontan-taratasy mihitsy, tsy mifidy na fiara madinika na vaventy. Ny somary nahatsikaiky dia rehefa nahita ny “carte grise”-n’ny fiara hoe an’ny Ekar ilay zandary dia nalefa avy hatrany tsy nisy fisavana. Asa na fifanandrifian-javatra fa misy dokotera amin’ny hopitalim-bahoaka lehibe eto an-drenivohitra manontany na katolika na protestanta ilay marary. Inona angaha no antony ?
Nangonin’i Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.