Actualités

VAOVAO TAPATAPANY


  • Alakamisy 20 Janoary 2011


Niverina amin’ny laoniny soa aman-tsara ny fianaran’ireo mpianatra mandranto fianarana ao amin’ny EPP Centre Tsianaloka, ao an-drenivohitr’i Toliara taorian’ny ezaka nataon’ny BNGRC nanala ireo rano niandrona tao an-tsekoly ka tsy nahafahan’ny mpianatra nianatra nandritra ny herinandro. Na izany aza mbola misy ihany ireo faritra dibo-drano ka tsy maintsy hitadiavana hevitra hamarinana izany mankany an-dranomasina.

 
Efa milamindamin-dratsy ny toe-draharaha ao an-drenivohitr’i Toamasina amin’izao fotoana izao taorian’ny korontana nisy tany an-toerana vokatry ny fampiharan’ny kaominina sy ny mpitandro ny filaminana ireo karazana fandaminana entina hampanarahan-dalàna ireo sokajy samihafa. Voakasik’izany ireo mpitarika posy sy mpitondra bisikileta, ny mpivarotra amoron-dalana tsy manara-dalana…
 
Tsy mahafaly ny vahoaka any Tonizia sahady ny fanendrena ireo ministra maromaro nataon’ny praiministra lehiben’ny governemanta any an-toerana, taorian’ny nialan’ny filoha teo aloha Ben Ali tamin’ny toerany ka nijoroan’ny filohan’ny Parlemanta hitondra ny tany sy ny fanjakana. Nisy sahady ny hetsika nataon’ny vahoaka noho izany izay ahiana hiafara amin’ny fifanjevoana indray.
 
Nahemotra anio alakamisy 20 janoary indray araka ny fantatra ny fihaonan’ny sendikan’ireo mpampianatra FRAM amin’ny praiministra lehiben’ny governemanta Camille Vital. Mbola tohin’ny fitakiana ny tambin-karaman’izy ireo ihany raha tsiahivina no anton’izao fihaonana izao. Mbola maro amin’ireo mpampianatra FRAM eto an-drenivohitra mantsy no tsy nahazo ny tambin-karamany volana novambra sy desambra. Hatramin’ny volana septambra ka hatramin’izao kosa dia tsy mbola nahazo izany ny any amin’ny faritany.
 
Mitohy ny asa fanamboarana sy fanatsarana ny tanàna tontosain’ny Kaominina Antananarivo renivohitra. Ny faran’ny taona 2010 lasa teo no nanombohana ny asa. Niatomboka tamin’ny fanomezana endrika ny Lapan’ny tanàna izany raha ny famelomana indray ny “marquage au sol” no tanterahin’ireo tompon’andraikitra misahana izany ankehitriny. Araka ny fantatra dia ireo toerana be mpifamezivezy toy ny mpianatra no tena mahazo tombontsoa amin’izany amin’izao fiandohany izao.
 
Mitokona ireo mpampianatra “vacataire” miisa 11 ao amin’ny EPP Centre ao Toamasina II. Kilasy miisa folo no tsy misy mpampianatra efa ho herinandro mahery izao. Noho ny tsy mbola nandraisan’ireto mpampianatra ireto ny tambinkaramany avy amin’ny fitondram-panjakana no voalaza fa anton’izao fitokonany izao.
 
Mitohy ny asa fanamboarana sy fanatsarana ny tanànan’i Mahavelona Foulpointe, Toamasina II taorian’ny fahamaizana nihatra tamin’ity tanàna ity ny volana aogositra taona 2009. Am-periny amin’ny fanamboarana ilay tetezan-dehibe iray sy ireo kojakoja maro samihafa mifandraika amin’izany ny orinasa Fandresena ankehitriny raha efa tafatsangana soa aman-tsara kosa ny trano sy ny tsena ary ny bazary.
 
Nitsidika ny filohan’ny filankevitra ambonin’ny tetezamita, ny jeneraly Dolin Rasolosoa, tao amin’ny birao fiasan’ity farany, ao Anosikely ny Mpanolotsaina politika ao amin’ny Firenena Mikambana, Peter Metcalf. Ny amin’ny hahafahana manomana fifidianana mangarahara, demokratika ary eken’ny rehetra no niompanan’ny dinika. Hisy rahateo iraka avy amin’ny Firenena Mikambana ho avy eto amin’ny herinandro ambony iny.
 
Nihaona tamin’ny CMDN ny iraky ny SADC omaly. Nambaran’ny jeneraly Rabarisoa Ranto fa manana andraikitra amin’ny fitandroana ny fandriampahalemana ara-tsosialy ny Komity misy azy ireo. Amin’ny maha andrimpanjakana ny CMDM araka ny filazan’ny jeneraly hatrany no anton’ity fihaonana ity, izay voalohany ihany tato anatin’izao asa fanelanelanana ataon’ny SADC izao.
 
Mananontanona ny hain-tany raha izao no mitohy. Hatrany amin’ny faritra  Vakinidiana izay faritra ahitana ala maitso mavana mantsy dia tsy ahitana rotsak’orana intsony ary maina hatramin’ny tanimbary. Efa miteraka anefa ny vary, ary ahiana hanakofa raha tara ny orana. Ny voly an-tanety toy ny katsaka moa tsy dia ahitana babiny maro toy ny isan-taona. Manomboka aty Anjeva no ahitana izany, hatrany Ambatomanga ary mipaka hatrany Mantasoa. Mitaraina ny mponina fa mety hihena be ny vokatra raha mitohy izao tsy fahampian’ny rotsak’orana izao.
 
Nosokafana omaly hariva tao amin’ny Center for Global Development tamin’ny alalan’ny lahateny manokana nataon’ny Dr. Rajiv Shah, Tompon’andraikitra ao amin’ny USAID foibe any Etazonia ny fankalazana ny faha-50 taonan’ny USAID manerana izao tontolo izao izay miisa 110.  Fampandrosoana ny fandraharahana môderina”, io no niompanan’ny lahateny nataony, ary narahina mivantana tamin’ny tranonkalam-pifandraisana.
 
Nangonin’i Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanorenana ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

fandriampahalemana

  • Depiote Naivo Raholdina
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Voasambotry ny mpitandro ny filaminana…

  • Fanelezana vaovao
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

tsy marina, heloka an’habaka

  • Livasoa Randriatahinamalala
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

"Depiote miteny aho fa tsy depiote mihinana"

  • FAHALALAN'NY ASA
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

FANAOVAN-GAZETY

  • ZAVA-PISOTRO
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

MAMPATANJAKA VAOVAO

Hijery ny tohiny
FTT