Actualités

VAOVAO TAPATAPANY


  • Alarobia 19 Janoary 2011


Manomboka mirotsaka ny orana eto an-drenivohitra. Hihamafy kokoa izany manomboka rahampitso alakamisy araka ny vinan’ireo mpamantatra ny toetr’andro eny Ampasampito. Haharitra roa andro izany saingy na izany tsy mbola araka ny ilan’ny mpamboly azy. Vokatry ny fisian’ilay rivotra Alizay avy any atsimo atsinanana mandrava ny rahona sy noho ny fihenan’ny hafanana miaro hamandoana entin’ny atmosphere no voalaza fa antony mahatonga io tsy fahampian’ny rotsak’orana io. 

Hahazo tombony manokana amin’ny Tsena Mora manomboka izao ireo zokiolona isam-pokontany. Hisy ny fizarana Karatra Manga ho azy ireo araka ny vaovao voaray hahafahany mividy izay entana ilainy. Na izany aza misy ihany ny fepetra noraisin’ny tompon’andraikitra dia ny tsy maintsy hidiran’ireny zokiolona ireny anatina fikambanana, handoavana latsak’emboka 200 Ar isam-bolana. Ny andro alatsinainy moa no fotoana hanaovana ny Tsena Mora natokana ho azy ireny.
 
Tsy manaiky ny hidiran’ireo mpivarotra eny ivelany ao amin’ny tsena efa mahazatra azy ireo ny mpivarotra ao amin’ny tsenan’i Bagdad ankehitriny, etsy amin’ny Coum 67 ha. Noho ny fandaminana vaovao napetraky ny Kaominina izay mety hamindra azy ireo amin’ny toerana hafa saingy ao anatiny ihany no mahatonga izany araka ny fanadihadiana natao. Na izany aza tsy manaiky ny hiditra ao anaty tsena ihany koa ireo mpivarotra eny ivelany. Ny tsy fahafahany mandafo ny entany toy ny teo aloha kosa no voalaza fa antony tsy mampazoto azy ireo.
 
Tsy mangarahara araka ny fahitan’ny Kaominina azy ny fanatontosana ilay fifididianana delegen’ny tsena natao tetsy amin’ny Tsenan’ny Fihavanana etsy amin’ny Petite Vitesse omaly. Nisy tamin’ireo mpifidy mantsy araka ny fantatra no nandrotsaka vato maromaro raha tokony ho iray ihany. Tsiahivina fa fanapahan-kevitra vaovao noraisin’ny Kaominina Antananarivo renivohitra ity fifidianana delege ity raha notendrena hatrany izany hatramin’izay hisorohana ny delege sandoka.
 
Olona 18 no indray namoy ny ainy tany Pakistan vokatry ny herisetra nianjady tamin’ny fiara fitateram-bahoaka iray. Tao amin’ny faritra afovoany andrefan’i Pakistan no nisehoan’ity loza mahatsiravina ity. Hatramin’ny androany moa dia tsy mbola hita taratra mihitsy izay nahavanon-doza raha misy ihany ireo sahy mitonon-tena.
 
Mitaraina noho ny fomba fiasan’ny tambajotram-pifandraisana Telma ireo mponina any amin’ny distrikan’i Toamasina mikasika ny fandefasana vola amin’ny alalan’ny M’Vola. Araka ny fantatra mantsy dia olona iray ihany no misahana ny fampandehanan-draharaha amina sahan’asa maromaro ka mitohana izaitsizy ny filaharana. Tsy vitan’izay ihany fa misy fotoana hahataperan’ny vola ihany koa indraindray ka tsy mahavonjy poritra.
 
Efa miaina ao anatin’ny fotoam-pahavaratra araka ny fantatra ny ao an-drenivohitry ny Faritra Atsinanana. Tsy mitsaha-mikija mantsy ny ranon’orana any an-toerana efa ho herinandro latsaka izao raha efa maina tanteraka teo aloha. Na izany aza mbola mitohy ny asa fanadiovana isam-pokontany tontosain’ny Kaominina hisorohana ny fiparitahan’ireo valanaretina mety hitondra tsy fahasalamana ho an’ny mponina.
 
Tontosa teny Iavoloha omaly teo anatrehan’ireo lehibena andrim-panjakan’izao tetezamita izao, ny fanolorana faneva ireo jeneraly vaovao miisa 30 ka 22 avy amin’ny tafika ary 8 avy amin’ny Zandarimariam-pirenena. Nanome voninahitra ny lanonana ny filohan’ny Fahefana avon’ny tetezamita, Andry Rajoelina. Ity farany izay niantso ireo jeneraly hamolavola paikady mahomby hiadiana amin’ny asan-dahalo, sy fiatrehana ny ady amin’ny jiolahin-tsambo.
 
Ny fifidianana mangarahara ihany no vahaolana hivoahana amin’izao krizy izao, hoy ny vice-amiral Ramaroson Hippolyte, ary ny dinika ifanaovana amin’ny SADC izao dia hitondra mankany amin’izany. Tsy mihevitra ny handingana ny SADC sy ny Vondrona Afrikana ny Fahefana avon’ny tetezamita ny amin’izany araka ny nambarany hatrany, nandritra ny lanonana fifampiarahabana nataon’ny departemanta tarihiny teny Ilafy omaly.
 
Hanao fihaonambe ao amin’ny Hotely Fanantenana Ampandrana ireo mpiasam-panjakana manohana ny ara-dalàna amin’ity alarobia 19 janoary ity. Hodinihana amin’izany ireo paikady sy tetikasa hiatrehana ny taona vaovao, indrindra ny firosoana amin’ny tetezamita tena izy sy andraisan’ny rehetra anjara. Eo koa no hanolorana ny Birao mpitantana vaovao sy hanaovana jery todika ny zava-bita ary hibanjinana ny hoavy. Marihina fa tamin’ny herintaona toy izao no nisy ny fihaonambe farany tamin’ireto mpiasam-panjakana manohana ny ara-dalàna ireto.
 
Nangonin’i Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanorenana ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

fandriampahalemana

  • Depiote Naivo Raholdina
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Voasambotry ny mpitandro ny filaminana…

  • Fanelezana vaovao
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

tsy marina, heloka an’habaka

  • Livasoa Randriatahinamalala
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

"Depiote miteny aho fa tsy depiote mihinana"

  • FAHALALAN'NY ASA
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

FANAOVAN-GAZETY

  • ZAVA-PISOTRO
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

MAMPATANJAKA VAOVAO

Hijery ny tohiny
FTT