Niampy iray ny sekoly ambaratonga fototra any amin’ny distrikan’i Soanierana Ivongo. Ny faran’ny herinandro teo no nanokanana tamim-pomba ofisialy ny fotodrafitrasa entina hanalana fahasahiranana ireo ankizy mandeha dia an-tongotra lavitra mamonjy sekoly hafa.
Nisehoana hain-trano goavana tao an-tampon-tanànan’Andapa ny faran’ny herinandro teo. Tranon’olona iray misy rihina mirefy 14 amin’ny 12 metatra no ravan’ny afo tao anatin’ny ora vitsy monja ka lasa lavenona avokoa ireo entana an-tapitrisany tao anatiny. Ankoatra ity trano ity dia trano roa hafa mifanila aminy ihany koa no ela nolelafin’ny afo araka ny vaovao voaray.
Ny sabotsy teo, teny akaikin’ny BOA eny Antaninarenina no nahitana ity fatin-dehilahy tokony ho dimampolo taona ity, tokony ho tamin’ny 1ora sy sasany antoandro. Ny BMH no tonga naka ny razana teny an-toerana. Fantatra moa fa ireny olona tsy manan-kialofana ireny izy ity, ka tsy hay na aretina na hanoanana no nahafaty azy. Tsy fantatra ihany koa moa izay fianakaviany.
Mpiandry 43 mianadahy no indray notokanana tany amin’ny distrikan’i Tolagnaro ny alahady 16 janoary. Nandritra ny fankalazana ny isan-kerin-taonan’ny fiangonana Loterana Toby Nenilava any an-toerana no nanatanterahana izany. Nanatrika sy nanome voninahitra ny lanonana ny filohan’ny fiangonana Loterana Rakoto Endor Modeste.
Lanonana roa sosona no indray notontosaina tany amin’ny distrikan’Ambilobe ny faran’ny herinandro teo. Nisantarana izany ny fanamarihana ny fidiran’ny mpianatra tamim-pomba ofisialy, narahin’ny fanokanana ny tsangambaton’ny fikambanam-behivavy Tsarajavo Ampondralava.
Miparitaka ny vola sandoka any amin’ny distrikan’i Mananjary. Tovolahy iray nividy zava-pisotro tamina toeram-pivarotana iray no nahatrarana izany araka ny vaovao voaray. Ankoatra ilay lelavola 5000 Ar nividianany zava-pisotro araka ny vaovao voaray ihany dia mbola nahatrarana lelavola 10.000 Ar miisa 59 ihany koa tany amin’ity tovolahy ity. Efa eo am-pelatanan’ny mpitandro ny filaminana any an-toerana ny raharaha.
Banga iray ny Tangalamena any amin’ny distrikan’i Maroantsetra. Namoy ny ainy faran’ny herinandro teo, teo amin’ny faha-73 taonany i Mandamina, ilay angady nananana sy vy nahitana ny fikambanan’ny mpiasam-panjakana misotro ronono any an-toerana. Omaly alatsinainy no nalevina ny razana. Tsiahivina fa efa nanao ny asan’ny “Sous-préfet” Itompokolahy fony fahavelony.
Tsara ny voka-panadinana ara-panjakana rehetra notontosaina tany amin’ny distrikan’i Maroantsetra nandritra iny taona 2010 nivalona iny. Ezahina hohatsaraina hatrany izany araka ny fanazavan’ny lehiben’ny fari-piadidiam-pampianarana any an-toerana amin’ny alalan’ny fanofanana ny mpampianatra… Nandritra ny fifampiarahabana nahatratra ny taona notontosain’ireo fianakaviamben’ny fampianarana tany an-toerana no nahafantarana izany ny faran’ny herinandro teo.
Notoloran’ny fiangonana katolika fanomezana toy ny fotsimbary ireo voafonja miisa 731 any amin’ny distrikan’Antalaha. Nifanindran-dalana tamin’izany ny fotsimbary roa gony natolotry ny fitsarana ambaratonga voalohany, fanomezana natolotra tamin’ny anaran’ny fianakaviamben’ny fitsarana entina hanampiana azy ireo.
Tafatsangana soa aman-tsara any amin’ny distrikan’i Tsiroanomandidy, Faritra Bongolava ny fikambanana Lions Club, tarihin’ny filoha mpanorina azy Ramambazafimbelo. Fikambanana handray an-tanana ny asa sosialy entina hanasoavana ny vahoaka any an-toerana raha ny Lions Club sampana Antananarivo hatrany no nandray an-tanana izany teo aloha.
Mikaikaika noho ny findangan’ny vidim-bary ny any amin’ny distrikan’i Fenoarivobe na dia tantsaha mpamokatra avokoa aza ny 95%-n’ny mponina. Araka ny vaovao voaray mantsy dia efa tafakatra 300 ar ny iray kapoaka amin’ny fotsimbary any an-toerana ankehitriny raha 200 ar mahery teo aloha.
Tsy seza no mahamaika, fa ny hialana amin’izao krizy izao, hoy i Masimana Manantsoa (Monima). Aoka hanao fifanarahana vaovao isika Malagasy, hoy izy ka ny fiverenana indray an-databatra boribory ankitsim-po andraisan’ny rehetra anjara no handrafetana izany.
Nangonin’i Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.