Actualités

VAOVAO TAPATAPANY


  • Zoma 14 Janoary 2011


Hanomboka anio zoma araka ny vaovao voaray ny fanisana ireo mpivarotra tena hivarotra sy hitazona ny anjara tsena nofaritany marina ao amin’ny tsenan’ny Fihavanana etsy Isotry, fotodrafitrasa vaovao vao naorin’ny Kaominina Antananarivo renivohitra. Araka ny fantatra mantsy dia ny 10 Novambra lasa teo no fe-potoana farany nomen’ny delege ireto mpivarotra ireto saingy mbola misy ihany ireo tsy nisoratra anarana. 

Nalan’ny filoham-pirenena toniziana tsy ho ministra ao anatin’ny governemanta iadidiany intsony ny ministry ny atitany any an-toerana. Narahin’ny didy famoahana ireo zatovo voasambotra nandritra ny hetsika fitakiana momba ny famoronan’asa izany araka ny vaovao voaray. Mbola tohin’ity hetsika famoronan’asa ho an’ny tanora ity ihany moa raha tsiahivina no antony nandraisan’ny fitondram-panjakana toniziana izao fanapahan-kevitra izao.
 
Na dia tsy mbola nampiakatra ny vidin’ny mofo dipaina aza ireo orinasa mpamokatra izany noho ny halafosan’ny lafarinina sy ireo kojakoja maro samihafa ilaina amin’ny fanamboarana izany dia mahatsikaritra kosa ny mpividy fa nihen-danja ny mofo. Ankoatra izay dia niaka-bidy ho 150 Ar ihany koa ny singany iray amin’ny mofo menakely sy makasaoka raha 100 Ar teo aloha.
 
Tsy diso tamin’ny fanamarihana ny andro ho an’ny manamboninahitra ny tany amin’ny distrikan’i Fenoarivobe ny 12 Janoary teo. Lanonana izay nifanindran-dalana tamin’ny fifampiarahabana nahatratra ny taona narahin’ny fizarana ny nofonkena mitam-pivahanana tamin’ny alalan’ny famonoana omby. Tsiahivina fa miisa roa ny manamboninahitra any amin’ity distrika ity ankehitriny.
 
Nanatontosa fitokonambe ny fiandohan’ny herinandro teo ireo mpampianatra FRAM any amin’ny distrikan’Andapa. Noho ny tsy mbola nandraisan’izy ireo ny tambin-karamany nanomboka ny volana desambra no nahatonga izany. Mahatsiaro ho bokan’ny trosa mantsy izy ireo raha minia manampin-tsofina kosa ny fitondram-panjakana. Tsy latsa-danja amin’izay ny fitokonana faobe nataon’ireo mpampianatra eo anivon’ny lycée teknika any an-toerana. Mbola resaka tambin-karama ihany koa araka ny vaovao voaray no anton’izao fitokonana izao.
 
Niatrika fiofanana ireo mpampianatra eo anivon’ny kolejy any amin’ny distrikan’i Sainte Marie. Tompon’antoka amin’ny fampiofanana ny ZAP entina hanatsarana ny voka-panadinana amin’ity taom-pianarana 2010-2011 ity. Nanomboka tamin’ny alarobia ny fiofanana.
 
Manomboka indray raha somary efa nilamindamina teo aloha teo ny fitohanan’ny fiarakodia eto an-drenivohitra. Voakasik’izany manokana ny etsy amin’ny faritr’i Behoririka sy ny manodidina izay nomarihin’ny rehetra fa hatramin’ny nandalovan’ireo zotra-pitaterana maro isan-tsokajiny nalan’ny kaominina Antananarivo renivohitra tao Analakely no tena nahatonga izany.
 
Tsy tombontsoa ho an’i Andry Rajoelina ny manendry praiministra tsy mitovy firehan-kevitra aminy raha toa ka mieriteritra ny hilatsaka hofidiana filoham-pirenena izy, hoy i Pierre Andrianantenaina, filoha nasionalin’ny antoko Farimbona ho an’i Madagasikara Vaovao. Nambarany koa fa ny fanitsakitsahana lalàmpanorenana dia mitarika fitaran’ny tetezamita.
 
Taona tena tsy nahitana fipetrahana ny taona 2010 ho an’ny mpamonjy voina tao Toamasina. Na nihena ho 193 aza ny isan’ny famonjena samihafa nataon’izy ireo (232 ny taona 2009), dia famonjena henjana avokoa no natao, ka namoizana aina teo amin’ny mpiasa iray mihitsy noho ny loza nahazo azy ireo ary nahasimbana fiara mpamonjy voina ihany koa izay fiara vao natolotry ny Kaominin’i Le Port ny taona 2008. Raha jerena dia mbola ny hain-trano no laharana voalohany izay nahatratra 51 no novonjena ny taona 2010 ka ny 27 tamin’izany dia ny telo volana faran’ny taona avokoa.
 
Feno 110 taona amin’ny sabotsy 22 janoary ho avy io ny niorenan’ny kolejy protestanta Paul Minault etsy Androhibe. Anisan’ny kolejy iray nanana ny maha izy azy teto amin’ny firenena izy ity raha ny resaka fanabeazana ara-pinoana sy ny fiainam-pirenena amin’ny ankapobeny no jerena. Raha ny sekoly katolika hatrany mantsy no nalaza tamin’ny famoahana olomanga teto amin’ny firenena hatramin’izay dia manana anjara toerana amin’izany ihany koa ny kolejy protestanta toy ny Paul Minault.
 
Nangonin’i Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanorenana ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

fandriampahalemana

  • Depiote Naivo Raholdina
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Voasambotry ny mpitandro ny filaminana…

  • Fanelezana vaovao
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

tsy marina, heloka an’habaka

  • Livasoa Randriatahinamalala
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

"Depiote miteny aho fa tsy depiote mihinana"

  • FAHALALAN'NY ASA
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

FANAOVAN-GAZETY

  • ZAVA-PISOTRO
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

MAMPATANJAKA VAOVAO

Hijery ny tohiny
FTT