Actualités

VAOVAO TAPATAPANY


  • Alarobia 12 Janoary 2011


Tazomoka : Vaky ny ady amin’ny tazomoka any amin’ny distrikan’i Fenoarivobe. Natomboka ofisialy ny alatsinainy teo tany an-toerana ny fanondrahana DTT isan-tokantrano entina hiadiana amin’ity aretina ity raha efa tontosa soa aman-tsara kosa ny fizarana lay misy ody moka, fanomezana avy amin’ny ministeran’ny fahasalamana. 

Simenitra : Raha ireo kojakoja fampiasa amin’ny fiainana andavanandro no tena niaka-bidy tato ho ato dia velon-taraina noho ny fiakaran’ny vidin’ny simenitra ihany koa ireo mpanao trano. In-droa niakatra mantsy ny vidin’ny simenitra tato anatin’ny iray volana izao izay nomarihin’ny mpivarotra iray nanaovanay fanadihadiana fa hatrany am-potony no mahatonga izany fiakaram-bidy izany. Marihina fa misy karazana telo ny simenitra hamidy eny an-tsena amin’izao fotoana ary samy manana ny vidiny avokoa izy ireny.
 
Nampahery : Tonga nampahery ireo teratany Frantsay monina any Alzgeria ny ministry ny fiarovana frantsay ny alatsinainy. Foto-diany tany ny hitafa mivantana amin’ireto mpiray tanindrazana aminy taorian’ny herisetra mendrika fakana an-keriny nianjady tamin’ireo teratany Frantsay tany an-toerana ny faran’ny herinandro teo. Teratany frantsay roa no fantatra fa namoy ny ainy, nisy naka an-keriny ireto raha tsiahivina.
 
Manatevin-daharana : Tonga manatevin-daharana ireo ekipa iraky ny fitondrana namonjy ireo olona tratry ny tondra-drano tany amin’ny faritra Atsimo Andrefana vokatry ny ora-nikija ny ekipan’ny BNGRC. Tanàna telo no tena lasibatra araka ny vaovao voaray raha olona roa kosa no namoy ny ainy. Roso amin’ny fanamboarana ireo sakana fanalana ny rano ny eo anivon’ny ministeran’ny asa vaventy ankehitriny araka ny fantatra ihany, koa inoana fa hivaha tsy ho ela ny olana.
 
Toeram-pidiovana : Hiampy maromaro indray ny toeram-pidiovana sy fahadiovana hapetraky ny Kaominina eto Antananarivo renivohitra amin’ity taona vaovao 2011 ity. Mpiara-miombon’antoka roa no hifanome tanana aminy amin’ny fanatontosana izany dia ny Care International sy ny UNICEF. Tsiahivina fa toeram-pidiovana sy fahadiovana miisa 34 no vitan’ny kaominina tamin’ny taona nivalona iny.
 
Mosary : Manahy mafy ny amin’ny mety hisian’ny mosary eto amintsika amin’ity taona 2011 ity ireo tantsaha mpamokatra. Voakasik’izany manokana ny voka-bary. Raha tokony efa hiava vary mantsy izy ireo ankehitriny dia mbola tsy namafy ketsa akory noho ny tsy fisian’ny ranon’orana. Voatery manao an-tselika toy ny asa fanasan-damba sy ny namany ny tantsaka vokatr’izany.
 
Ady amin’ny piraty : Hampiharina manomboka amin’ity volana janoary 2011 ity ny “hollograme”, hiarovana ny vokatry ny mpanakanto amin’ny piraty. 70Ar no saran’izy ity. Ary ny OMDA no mpampihatra azy ity.
 
Fiarovana ny morontsiraka : Hohamafisina ny fanaraha-maso sy ny fiarovana ny morontsiraka Malagasy amin’ny firongatry ny jiolahintsambo. Nivoitra io nandritra ny filankevitry ny governemanta natao omaly, notarihin’ny Praiministra Camille Vital sady voalohany tamin’ity taona 2011 ity.
 
Miakatra : Mikaikaika ny mponina, indrindra ny ambany tanàna noho ny fiakaran’ny vidin’entana isan’andro. Tsy mampatoky intsony ny maniraka ankizy sao mangala-tety izy ireny. Ny mofo gasy dia efa ariary zato ny ankamaroany, ny kafe tapany misy ronono 150 ariary vao mahazo. Etsy andaniny, tsy vitsy ireo mivarotra ny fananany, toy ny fanaka, ny vilany, sotro, tele...amin’ny vidiny mora sitrany ahay. Tsy vitsy ireo tsy misakafo afa tsy in-droa isan’andro noho ny fiakaran’ny vidin’entana nefa ny asa tsy misy.
 
Nangonin’i Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanorenana ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

fandriampahalemana

  • Depiote Naivo Raholdina
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Voasambotry ny mpitandro ny filaminana…

  • Fanelezana vaovao
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

tsy marina, heloka an’habaka

  • Livasoa Randriatahinamalala
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

"Depiote miteny aho fa tsy depiote mihinana"

  • FAHALALAN'NY ASA
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

FANAOVAN-GAZETY

  • ZAVA-PISOTRO
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

MAMPATANJAKA VAOVAO

Hijery ny tohiny
FTT