Actualités

VAOVAO TAPATAPANY


  • Talata 11 Janoary 2011


Krismasy faharoa : Nankalaza ny krismasy fanindroany ireo mpino eo anivon’ny fiangonana Fjkm Fiarenana any amin’ny distrikan’i Sainte Marie ny faran’ny herinandro teo. Fankalazana izay nosantarina tamin’ny fotoam-pivavahana nentina nisaorana sy nanomezam-boninahitra an’Andriamanitra no sady tafiditra ihany koa tao anatin’ny fifampiarahabana tratry ny taona nifanaovan’ny samy mpino. 

Zon’ny ankizy : Tafatsangana any amin’ny distrikan’Andapa ny tambajotra iray lehibe hiady amin’ny herisetra mpahazo ny ankizy. Nisy ny fanazavana nentin’ny mpikambana mikasika izany tamin’ny mponina ny faran’ny herinandro teo, notarihin’ny solontenan’ny ministeran’ny mponina sy ny avy eo anivon’ny fiarahamonim-pirenena. Nampahafantarin’ireto farany nandritra izany ny antom-pijoroan’ity tambajotra ity sy ny fomba fiasany izay niantsoany fiaraha-miasa amin’ny rehetra mba hifanohana aminy.
 
Ongobe : Tonga amin’ny dingana fahadimy sady farany amin’ny ady atao amin’ny aretina ongobe ny any amin’ny distrikan’i Sainte Marie. Fitiliana ity aretina ity maimaimpoana hotontosaina any amin’ny Kaominina ambanivohitra Anafiafy no hisantarana izany anio talata 11 Janoary raha any amin’ny Kaominina ambanivohitra Maromandia Tafondro kosa no hanohizana izany rahampitso. Ankoatra ny fitiliana ny aretina ongobe dia hisy ihany koa ny fitiliana maimaimpoana ireo karazan’aretina mpahazo ny mponina toy ny tazomoka, ny tosi-dra…
 
Nankasitrahana : Nankasitrahan’ny fitondrana FAT tamin’ny alalan’ny fandefasana iraka manokana ny distrikan’Ambovombe ny faran’ny herinandro teo tamin’ny fahazoany salan’isa ambony indrindra nandritra ny fitsapan-kevi-bahoaka notontosaina ny 17 Novambra taona 2010. Lanonana roa sosona izay nifanindran-dalana tamin’ny fifampiarahabana tratry ny taona nifanaovan’ny roa tonta no notanterahina nandritra izany.
 
Sambany : Sambany no nisy ranon’orana nilatsaka tany amin’ny faritra atsimo andrefana ny alahady teo. Faly ny mponina vokatr’izany saingy ny nampalahelo dia tsy naharitra ora maro akory izany dia nitsahatra indray. Manoloana ny ady atao amin’ny kere kosa dia any an-toerana hatramin’ny faran’ny herinandro teo ny ministry ny mponina Nadine Ramaroson sy ireo delegasiona tarihiny mizara sakafo ho an’ireo mponina any an-toerana entina hanamaivanana ny fahasahiranany.
 
Fofona mantsina : Velon-taraina ny mponina ao amin’ny Fokontany Morafeno, Mahajanga, amin’ny fofona mantsina tsy azo iainana ao an-tanàna. Efa nisy nikasa hanadio ihany ity toerana ity saingy fantatra fa misy manampahefana mitsivalana, satria mahita tombontsoa amin’ny fampanofana fivarotana amin’io toerana io nadia hita fa manimba fotodrafitrasa aza izany.
 
Fotodrafitrasa : Nahazo tsena vaovao ny any amin’ny Kaominina ambanivohitra Imorona, distrikan’i Mananara Avaratra. Omaly no notokanana tamim-pomba ofisialy ny fotodrafitrasa vokatry ny fifanampian’ny Kaominina sy ny tetikasa Soava Stabex. Natao trano vato iray manontolo moa ity tsena ity, fotodrafitrasa manara-penitra tsy atahorana amin’ny fiavian’ny ranon’orana.
 
Taom-baovao : Tsy diso anjara tamin’ny fifampiarahabana noho ny fahatrarana ny taona vaovao ireo zandary 23 mirahalahy miasa any amin’ny distrikan’i Manana Aravatra ny sabotsy 08 Janoary lasa teo. Omby iray no novoina tamin’izany ho mariky ny nofonkena mitam-pihavanana. Nanambara moa ireto polisy ireto fa fahombiazana no azon’izy ireo tamin’ny asany nandritra iny taona 2010 nivalona iny izay mbola irarian’ny rehetra ny hitohizany.
 
Ny vadiny ihany : Vazaha lahy, 51 taona, no fantatra fa novonoin’ny vadiny, Gasy 37 taona, tao Mahajanga ny alin’ny sabotsy teo. Miovaova hatrany ny fanazavan-dRtoa, mbetika lazainy fa nisy nanafika ny tranon’izy ireo ary nisy naka an-keriny ary voaolana izy ary fitaovana maro no very tamin’izany. Rehefa nohamarinina anefa dia tao an-trano avokoa ireo entana nambarany fa very, ary Fokontany anisan’ny hentitra amin’ny fiambenana no misy azy ireo saingy tsy nahatsikaritra zavatra hafahafa. Izay no nahatonga ny Polisy nitazona azy. Rehefa natao ny famotorana dia fantatra fa niaiky ny heloka vitany ity vehivavy ity. Mifampiteraka izy ireo, lahikely iray, herintaona eo.
 
Ilay filahiana mendy : Efa eo am-pelatanan’ny manampahefana ankehitriny ilay raharaha fitokanan-trano nahitana filahiana teny Ambalavao atsimondrano. Araka ny fantatra dia efa ao amin’ny zandary Ambatofotsy ilay tompon’ny trano notokanana ary harahi-maso. Efa nohadihadiana hatramin’ny nividianana ny hena izay tany Ankadindratombo, ireo rehetra nisakafo tao. Asa na fialonana izy ity na ahoana fa na ilay trano aza dia tafo bozaka ary efitra roa tsy misy rihana, amoron-tanimbary, ilay tompon-trano koa olona tena tsotra.
 
Fangalarana anaty fiara : Mivoatra hatrany ny fomba fangalaran’ireo jiolahy ny ao anaty fiara. Misy lehilahy asaina manozongozona ao ambanin’ilay fiara hatao lasibatra. Misy rangahy miteny amin’ilay tompon’ny fiara, izay marihina fa vehivavy mandeha irery, fa misy olona ao ambanin’ny fiarany izay mitady hanongotra ny kodiarana. Tsy maintsy hivoaka ny tompony ary izay no hanararaotan’ity mody olomasina ity hakana ny ao anaty fiara toy ny poketra sy ny finday. Ny alahady teo izany no nitranga tetsy Ampefiloha.
 
Nangonin’i Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanorenana ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

fandriampahalemana

  • Depiote Naivo Raholdina
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Voasambotry ny mpitandro ny filaminana…

  • Fanelezana vaovao
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

tsy marina, heloka an’habaka

  • Livasoa Randriatahinamalala
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

"Depiote miteny aho fa tsy depiote mihinana"

  • FAHALALAN'NY ASA
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

FANAOVAN-GAZETY

  • ZAVA-PISOTRO
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

MAMPATANJAKA VAOVAO

Hijery ny tohiny
FTT