Actualités

VAOVAO TAPATAPANY


  • Zoma 07 Janoary 2011


Vidin-tsolika : Ahiana ny mety hiakaran’ny vidin-tsolika eto amintsika noho ny fiakaran’ny vidin’entana sy ny fitontongan’ny sandam-bola malagasy araka ny fanambarana nataon’ny mpahay toekarena iray. Vahaolana narosony ny tokony hirosoan’ny fitondram-panjakana amin’ny fifampiraharahana amin’ireo mpandraharaha. 

Fitateram-bahoaka : Hiezaka ny hitady ny marimaritra iraisana amin’ireo zotra-pitaterana voatery nafindra toby fiantsonana ivelan’Analakely ny Kaominina Antananarivo renivohitra. Taorian’ny fivoriana niarahan’ny roa tonta ny alarobia teo mantsy dia fantatra fa ny mba hahafahan’ireo zotra-pitaterana voakasika toy ny 133, ny 114 sy 112 ary ny 143 miverina amin’ny toerana nisy azy ireo teo aloha ihany no tena tadiaviny hahafahany manenjika toy ny teo aloha ny «versement»-ny mpampiasa.
 
Fanisam-bahoaka : Ny tapaky ny volana aogositra ho avy io no hanomboka ny fanisam-bahoaka manerana ny Nosy. Efa tafatsangana ny 28 Oktobra lasa teo ny Komity hisahana manokana izany araka ny fanazavana nomen’ny tomponandraikitra ka ny fitondram-panjakana no hamatsy vola izany.
 
Fambolen-kazo : Fikambanana miisa 10 no efa tonga nanao fangatahana hamboly hazo teny anivon’ny ministeran’ny tontolo iainana hatramin’ny omaly alakamisy. Naka hevitra sy nangata-panazavana indrindra raha tanin’olon-tsotra no hanaovana ilay asa fambolena no tena anton-dian’ny ankamaroan’izy ireo.
 
Hisy fanaraha-maso : Mikasika ny fitantanana tsy mangaraharaha mikasika ny fanampiana ara-bola nomena ireo mpikambana ao amin’ny AV7, na ny fikambanan’ireo niaharam-boina tamin’ny 7 febroary 2009 noho ny fitifirana teny Ambohitsorohitra, dia nanamafy Atoa Ratsimbazafy Jean Paul, filoha lefitry ny fikambanana AV7 fa tamin’ny fitantanan’ny birao teo aloha no nisehoan’ity toe-javatra io. Tsy manaraka ny fepetra tokony arahina ny famoaham-bola. Nanamafy izy fa mitohy ny fanadihadiana sy ny fanaraha-maso mba hamerenana amin’ny laoniny sy hametrahana amin’ny toerany ity fikambanana ity.
 
Aostralia : Miakatra hatrany ny rano any Aostralia noho ny firotsahan’ny ranon’orana betsaka. Kaominina 40 isa no lasibatra amin’izao fotoana izao ka anisan’ireny ireo olona telo namoy ny ainy sy ireo roa hafa tsy hita popoka. Miezaka ny manala ny mponina ao anaty ny rano ny fitondram-panjakana noho izany saingy olana goavana atrehin’izy ireo kosa ny asa fanavotana noho ny fisian’ny voay sy ny bibilava mivezivezy any anaty rano.
 
Fiara vita malagasy : Nodimandry teo amin’ny faha-58 taonany ny alahady 02 janoary lasa teo Razafimahefa Olivier, ilay raim-pianakaviana malagasy namokatra fiara tamin’ny herin’ny tenany manokana. Mahefa no anarana nahafantaran’ny rehetra azy, nanamboatra fiara vita malagasy nanomboka tamin’ny taona 1975. Anio zoma 07 Janoary no halevina ny razana.
 
Nilamina : Nilamina tamin’ny ankapobeny ny fizotry ny fanadinana hidirana ho «Paramédicaux» any amin’ny distrikan’Antsiranana I sy II, Faritra DIANA. 459 ny isan’ireo mpiadina tonga niatrika izany raha tao amin’ny lycée mixte no nanatontosana ny fanadinana. Nitombo ny isan’ny mpiadina raha oharina tamin’ny taon-dasa. Tonga nanatrika sy nanara-maso izao fizotry ny fanadinana hidirana ho Paramed izao ny iraka avy amin’ny ministera mpiahy ny fiofanana ara-teknika.
 
Fotoam-bavaka : Tao amin’ny Tranom-pokonolona Isotry indray omaly alakamisy no nanatontosana ilay fotoam-bavaka lehibe nokarakarain’ny fiangonana Filazantsara ho an’i Madagasikara raha tao amin’ny Tranom-pokonolona Analakely no nahazatra ny mpino hatramin’izay. Noho ny antony manokana araka ny fantatra no nahatonga izao fifindran-toerana izay raha tsy niova kosa ny ora fidirana tamin’ny fotoam-bavaka fa toy ny mahazatra ihany.
 
Maina : Manomboka mikaikaika noho ny tsy fisian’ny olona hotaterana intsony ireo zotra-pitaterana mampitohy ny renivohitra amin’ny any amin’ny faritany. Nanomboka omaly alakamisy no nahamaina tanteraka ny tsena araka ny fanadihadiana natao raha mbola nisy ihany tamin’ny fiandohan’ny herinandro saingy ireo olona handeha hamonjy fodiana.
 
Raikitra ihany na tsia : Mitaky ny hanambaran’ny fanjakana mazava sy amin’ny fomba ofisialy ny antoko Malagasy Tonga Saina (MTS) tarihin’i Roland Ratsiraka dia raha raikitra ihany na tsia ny fifidianana depiote amin’ny 16 martsa 2011. Maraka izany dia nambarany fa ny fisian’ny filaminana, firaisankina ary ny fihavanana eo amin’ny samy malagasy no laharampahamena.
 
Nangonin’i Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanorenana ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

fandriampahalemana

  • Depiote Naivo Raholdina
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Voasambotry ny mpitandro ny filaminana…

  • Fanelezana vaovao
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

tsy marina, heloka an’habaka

  • Livasoa Randriatahinamalala
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

"Depiote miteny aho fa tsy depiote mihinana"

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

  • Depiote Nicolas Randrianasolo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Mila mitandrina i Kolonely Michael !»

Hijery ny tohiny
FTT