Mampiahiahy : Tovolahy 2 mampiahiahy no saron’ny andrimasom-pokonolona tany Mangaroa any amin’ny Kaominina Ankijabe, distrika Ambatoboeny ny faran’ny taona iny raha niampita ny ranon’i Kamoro. Nahatrarana basy poleta vita gasy iray sy basy “calibre 12” voafahana bala iray tany amin’izy ireo rehefa nosavaina. Tafaporitsaka anefa ny iray tamin’ireo, eo ampelan-tanan’ny zandary Anjiajia kosa ny faharoa nanaovana fanadihadiana.
Vidim-bary : Tsy maintsy ahena vidim-bary ary ho 1200Ar ny kilao. Rahampitso zoma 07 janoary no handraisana fanapahan-kevitra mikasika izany. Nivoitra io omaly taorian’ny fihaonan’i Andry Rajoelina tamin’io mpandraharahan’ny vary, tao Ambohitsorohitra. Any amin’ny haban-tserana no mety ho kitihina amin’izy ity mba tsy hampidangana ny masonkarenan’ny mpanafatra vary, noho ny tsy fananan’ny fanjakana vola hanentsemana ny banga.
Toetr’andro : Any amin’ny faran’ny herinandro any vao mety ho avy ny orana, araka ny tombana nataon’ny teknisianina ao amin’ny sampana mpamantatra ny toetr’andro eny Ampandrianomby. Migaingaina ny hafanana, tamin’ny andro noely no nitaika farany ny orana fa dia nihatona tanteraka taorian’izay, efa ho roa herinandro izao.
Côte d’Ivoire : Vao mainka mihenjana ny tady eo amin’ireo filoham-pirenena roa lahy any Côte d’Ivoire ankehitriny. Manda ny tsy hihaona na hifampiresaka amin’i Laurent Gbagbo mantsy i Alassane Ouattara raha hevitra itovizan’ny roa tonta kosa ny fametrahana fepetra. Takian’ny rehetra kosa ny mba hisian’ny fifanatonana hahafahana mampihen-danja ny vesatry ny krizy izay nianjady tamin’ny mponina efa ho 12 volana izao.
Hitohy : Hitohy ny fitokanana hataon’ny zotra-pitaterana 114 raha toa ka tsy misy ny marimaritra iraisana eo amin’izy ireo sy ny Kaominina Antananarivo Renivohitra. Ankoatra ny tsy fahampian’ny versement-n’izy ireo noho ny fahazoany maka olona toy ny mahazatra ao Analakely mantsy dia miady hatrany amin’ny mpandeha ihany koa izy ireo noho izay antony izay. Nanatontosa fitokonana faobe teny Ambohimanarina moa izy ireo afaka omaly talata raha tsiahivina.
Maimaim-poana : Ho maimaim-poana manomboka izao ny fitsaboana ny aretina pesta sy ny fanafody rehetra ilaina mifandraika amin’izany araka ny fanapahan-kevitra noraisain’ny ministeran’ny fahasalamana. Hatramin’ny nisian’ilay zazavavy kely iray matin’ny pesta tao amin’ny Kaominina ambanivohitra Ambohimangakely no nandraisana izao fanapahan-kevitra izao. Olona valo hafa nifanerasera taminy moa raha tsiahivina no mbola marary hatramin’izao.
Tsy manana trano hiasana : Any amin’ny bungalow hofaina no miasa ireo mpiasan’ny Kaominina sy ny Ben’ny tanana ao Masimeloka, distrikan’i Mahanoro. Sahirana hatrany ireo olona mikasa ny hanao taratasy noho izany araka ny vaovao voaray. Noho ny fahasimban’ny biraon’ny Kaominina izay ahiana hivava tampoka no anton’izany ka nanosika ny faritra Atsinanana hanamboatra ny trano. Nanomboka omaly ny asa fanamboarana araka ny vaovao voaray ihany.
Fambolen-kazo : Niatrika fambolen-kazo ny vahoakan’ny faritra Sofia omaly talata, ka tany amin’ny fokontanin’Antanambao Avaratra, Kaominina sy distrikan’Antsohihy I no natao izany. Tamim-pirahalahiana tanteraka no nanatanterahana izany, notarihin’ireo tompon’andraiki-panjaka isan-tsokajiny any an-toerana.
Vonona : Vonona amin’ireo karazam-pifidianana rehetra izay hotontosaina manerana ny Nosy ny antoko pôlitika Madagasikarantsika tahirin-dRavelomanantsoa Elia. Efa tafapetraka avokoa ireo paikady ho entin’ity antoko ity miatrika izany araka ny fantatra ihany saingy mbola mampisalasala azy ireo kosa ny mety ho fahamarinan’ny daty hanatanterahana ny fifidianana voalohany na tsia.
Midangana : Mikaikaika noho ny fiakaran’ny vidim-bary ireo mponina any Alaotra Mangoro. Efa mitovy vidy amin’ny kapoakam-bary eto an-drenivohitra mantsy ny any an-toerana na dia tantsaha mpamokatra avokoa aza ny 90%-n’izy ireo. Noho ny tsy fisian’ny ranon’orana ka tsy ahafahan’ny tantsaha manohy ny asa fambolena toy ny mahazatra no voalaza fa antony mahatonga izao fidangan’izao vidim-bary any an-toerana izao.
Ranon’orana : Vao roa andro lasa izay no nirotsaka ny orana tany amin’ny faritra Betsiboka. Na izany aza tsy maharitra 20 minitra akory izany araka ny vaovao voaray dia mitsahatra ka nampitaraina ny mponina. Vokany, tafakatra 350 ka hatramin’ny 400 Ar ny kapoakam-bary.
Nangonin’i Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.