Actualités

VAOVAO TAPATAPANY


  • Alarobia 05 Janoary 2011


Asaramanitra : Tsy nahandry ny lanonana fifampiarahaban’ny andrim-panjakana fanao rehefa fotoanan’ny Asaramanitra fa dia tonga tao Ambohitsorohitra niarahaba an’i Andry Rajoelina, Filohan’ny Fahefana avon’ny tetezamita tatry ny taona vaovao 2011, ireo filohana andrim-panjakana isany, notarihin’ny praiministra Camille Vital, omaly. Taorian’izay dia anjaran’ireo mpikambana ao amin’ny governemanta indray no tonga teny Ivandry, niarahaba ny lehiben’ny governemanta mivady. 

Niarahaba : Tonga tao Ambohitsorohitra ihany koa omaly ireo miaramila miisa 26, vao avy nasondrotra ho amin’ny laharan’ny jeneraly niarahaba ny Filohan’ny Fahefana avon’ny tetezamita tatry ny taona vaovao.
 
Mihatra : Efa nanomboka ny 01 janoary teo fampiharana ny tetibolam-panjakana taona 2011, araka ny nambaran’ny ministry ny fitantanam-bola sy ny tetibola, Hery Rajaonarimampianina. Nanamafy ity farany fa tsy misy olana ny fandoavana ny karaman’ny mpiasam-panjakana amin’ity taona 2011 ity.
 
Mitokona : Hitohy ny fitokonana hotontosain’ireo mpampianatra mpikaroka sampana Antananarivo. Nandritra ny fivoriana notontosain’ny mpikambana afaka omaly no nahafantarana izany. Hiverina hikatona indray noho izany ny vavahadin’ny oniversite. Marihina fa noho ny tsy fahazoan’ireto mpampianatra mpikaroka ireto ny valinteny mahafa-po avy amin’ny fitondram-panjakana no nanosika azy ireo hanohy izao fitokonana izao.
 
Tsy ara-dalàna : Hitohy ny fanenjehana ireo mpivarotra tsy ara-dalàna miparitaka manerana ireo faritra maro eto an-drenivohitra taorian’ny nankalazana ny fetin’ny krismasy sy ny taom-baovao. Nanomboka afaka omaly alatsinainy no nisian’izany tafiditra ao anatin’ilay hetsika fanadiovana ny tanàna sy ny fampanarahan-dalana ny mpivarotra. Maromaro noho izany ireo voaraoka teny amin’ny faritra nivarotany ka anisan’izany ny teny amin’ny manodidina an’Anosy.
 
Savorovoro : Mihetsika ny ady ara-pinoana any Egypte taorian’ny vono nihatra tamin’ireo mpino kristiana 21 isa mivavaka eo anivon’ny fiangonana Pacte ny faran’ny taona 2010 lasa teo. Nivadika ho savorovoro mantsy ny fihaonana teo amin’ny roa tonta ka olona maro no voatonontonona. Anisan’izany ireo mpitarika ny finoana Silamo any an-toerana.
 
Fampitaovana : Sekoly ambaratonga fototra miisa dimy eto an-drenivohitra no nahazo dabilio avy amin’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra ny faran’ny herinandro teo. Anisan’ny nahazo betsaka indrindra tamin’izany izay miisa 40 ny EPP Ambohimitsimbina raha 30 isa avy kosa ny an’ireo sekoly ambaratonga fototra efatra ambiny.
 
Fanisam-bahoaka : Ny fanisam-bahoaka eny anivon’ireo Fokontany tsirairay avy no tena imason’ireo sefo Fokontany manerana ireo Kaominina misy mandrafitra ny distrikan’Andapa amin’izao fiandohan’ny taona vaovao izao. Nandritra ny fifampiarahabana tratry ny taona niarahan’ny lehiben’ny distrika tamin’izy ireo no nahafantarana izany ny fiandohan’ny herinandro teo.
 
Tontolo iainana : Lanonana roa sosona ny an’ireo olona nandray anjara tamin’ny fifaninana nokarakarain’ny fikambanana Fivoarana any amin’ny distrikan’i Marovoay ny faran’ny herinandro teo. Nifanindran-dalana tamin’ny fanamarihana ny fetin’ny faran’ny taona sy ny taom-baovao mantsy ny fizarana loka ho an’ireo mendrika indrindra, fifaninana izay tsiahivina fa niompana tamin’ny resaka fiarovana ny tontolo iainana.
 
Tsy nifampiresahana : Raharahan’ny ankolafy Ravalomanana samy irery ny fifanantonana na dinika mandeha fa tsy nifampiresahany tao anatin’ny ankolafy telo, hoy ny Dr Rakotovahiny Emmanuel avy amin’ny ankolafy Zafy Albert tao amin’ny fahitalavitra tsy miankina iray eto an-drenivohitra omaly.
 
Mila maka lesona : Nilaza ny Dr Joseph Randriamindrisoa fa tsy misy fifanantonana mbola tena matotra izany izao ary tsy hahavita irery ny famahana izao krizy izao ny mpanao politika Malagasy, ka ilaina ny hery hafa toy ny CNOSC sy ny mpanelanelana vahiny ary mila maka lesona isika, hoy izy.
 
Nangonin’i Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

  • Depiote Nicolas Randrianasolo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Mila mitandrina i Kolonely Michael !»

  • HORONAN-TSARY MAMOAFADY
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Tanora miisa 15 no nosamborina

  • KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Ankizy 759 isa notolorana kopia mari-pahaterana

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

Hijery ny tohiny
FTT