RNM : Feno 80 taona amin’ity 2011 ny radio nasionaly Malagasy na RNM. Fanirian’ny mpiasa ny hanarenana ny tranon’ny RNM izay may kila hotohoton’ny afo ny alatsinainy 26 janoary 2009. Miezaka manaraka ny fenitra iraisam-pirenena ny RNM, ka handeha tsy ho ela indray ny web radio, ahafahan’ireo Malagasy any ampitan-dranomasina manaraka ny radio.
Fanadiovana : Niroso tamin’ny fanadiovana ny teny amin’ny Kaominina Ambohimangakely toarian’ny nahitana trangana pesta dimy, tamina Fokontany telo, ka namoizana olona iray, tara fitsaboana fa nentina tany amin’ny mpitsabo nenti-paharazana
Savorovoro : Tapaka ny jiro tsy nandeha koa ny rano tao Morombe, faritra Atsimo Andrefana ny tontolo andron’ny sabotsy 01 janoary, taom-baovao. Rano amin’ny tavoahangy toy ny “Eau vive” no nandrahoan’ny olona sakafo, ho an’izay afaka nividy izany fa ny ankamaroany dia rano maloto no nampiasany. “Chef secteur”-n’ny Jirama ao an-toerana no voatondro ho tompon’antoka tamin’io fanapahana jiro io, ka niteraka savorovoro tao an-toerana. Nitarika tamin’ny fisamborana azy izany, ary fitazomana an-tranomaizina ora maromaro. Tamin’ny efatra ora tolakandro io sabotsy io vao niverina ny herinaratra, taorian’ny teny midina avy aty amin’ny Jirama foibe.
Nilamina : Nilamina tamin’ny ankapobeny ny fankalazana ny fetin’ny krismasy sy ny faran’ny taona ho an’ny distrikan’Andapa. Saika feno hipoka avokoa ny trano fiangonana rehetra nandritra ny alin’ny 24 desambra sy ny 25 desambra raha tsy latsa-danja tamin’izany ny zava-nitranga afaka omaly alahady voalohan’ny taona 2011.
Rano fisotro madio : Mitaraina noho ny tsy fahazoany rano fisotro madio ireo mponina manerana ireo Kaominina ambanivohitra any amin’ny distrikan’i Sainte Marie raha velon-taraina noho ny ora-mikija kosa ny ao an-drenivohitra. Ho an’iretsy voalohany manokana mantsy dia ny rano mandeha sisa izay marihina fa efa miharitra ihany koa no sotroiny raha mamotaka mila tsy azo hodiavin-tongotra kosa ny ao an-drenivohitra.
Tsy adino : Tsy nanadino ireo zokiolona sahirana ara-pivelomana manerana ireo Fokontany 12 isa mandrafitra azy ny Kaominina ambonivohitr’i Vatomandry amin’izao fetin’ny Asaramanitra izao. Nisy ny fanolorana fotsim-bary 14 gony amin’ny 50Kg sy savony 16 baoritra ho azy ireo ny faran’ny herinandro teo, ho fanampiana azy ireo manokana. Nifanindran-dalana tamin’izany asa fizarana fanomezana narahin’ny fanokanana ireo paompin-drano fisotro madio efatra, famatsiam-bola avy amin’ny Kaominina sy ny mpiara-miombon’antoka aminy mitentim-bidy 4 tapitrisa Ar.
Ifampitadiavana : Ifampitadiavana ny rano fisotro madio ny any Mananara Avaratra. Ankoatra ny fihatonan’ny ranon’orana mantsy dia ritra noho ny haintany koa ireo vovo fatsakana izay hany mba antenain’ny mponina any an-toerana ka manosika azy ireo hampiasa rano tsy azo antoka. Anisan’ny tena atahorana amin’izao fisotroana rano tsy azo antoka izao araka ny vaovao voaray ny aretin-kibo.
Côte d’Ivoire : Mandrahona sy mandroaka ireo miaramilan’ny Firenena Mikambana hiala tsy misy hatak’andro ao amin’ny faritra iadidiany i Laurent Gbagbo, filoham-pirenena mifikitra tamin’ny toerany any Côte d’Ivoire. Tondroiny ho mikononkonona fanonganam-panjakana mantsy ireto miaramila ireto. Eo an-danin’izay kosa anefa dia ireto miaramilan’ny Firenena Mikambana ireto mihitsy no mandray an-tanana ny fiambenana an’i Alassane Ouatara, filoham-pirenena ivoariana ihany koa izay voalaza fa tena lanim-bahoaka marina.
Mikaikaika : Mikaikaika noho ny tsy fisian’ny tsena sahady ireo mpivarotra manodidina an’Analakely. Ny sakafo izay tsy azo avela toy ny vary atoandro no mbola be mpividy raha efa nihena kosa ny isan’ireo mpividy ranom-boakazo. Toraka izany koa ireo karazan’entana toy ny fitafiana sy ny kiraro. Tsy misy mpanontany raha tsy maintsy hamidy anefa mba hiodinan’ny vola.
Kamokamo : Nalai-nitsangana, io amin’ny ankapobeny no azo namehezana ny fihetsiky ny rehetra nandeha namonjy ny asa aman-draharaha omaly alatsinainy taorian’ny fiatoana kely niarahana nikorana tamin’ny fianakaviana nandritra ny fety. Voalaza ho andro mafy rahateo ny andro alatsinainy ka tsy vitsy ireo sahiran-kirana vao nahavita ny tontolo androny.
Nangonin’i Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.