Fety : Nanamarika ny fetin’ny Noely 2010 tao Mananara Avaratra ny fifaninanana mitaingina moto, scooter sy cross natao tao amin’ny kianja monisipaly ny sabotsy 25 desambra andron’ny noely, izay niarahan’i Patrick sy ny Ben’ny tanànan’i Mananara Avaratra, Dominique Chan nikarakara. Fampisehoana rindrankira niarahana tamin’i Romaric no nanohizana ny fanafanana ny fety ny alahady.
Nilamina : Nilamina ny fety tamin’ny ankapobenytao Sakaraha. Fa anisan’ny nanamarika ny krismasy ny fanamasinana konfirmasiona ankizy 100 mahery tao amin’ny FLM. Teo ihany koa ny rindran-kira nataon’ny antoko mpihira avy ao amin’ny Cathédrale Tsianaloka Toliara natao teo amin’ny tokotany malalaky ny EKAR ao Sakaraha ny alahady tolakandro. Tamin’io fotoana io koa no nanaovana ny lalao famaranana ny “Tournoi de Noël”, taranja baolina kitra. Ekipa miisa 8 no nandray anjara, ka ny ekipan’ny Fanilo sy Polisim-pirenena no niatrika ny famaranana tamin’izany.
Niverina : Niverina amin’ny laoniny ny fandraisana ny RNM sy TVM ao Marovoay rehefa nosimban’ny varatra ny fitaovana ny herinandro lasa iny, ka tsy nahafahan’ny mponina tao an-toerana nanaraka ny vaovao nitranga teto an-toerana sy ny tany ivelany. Fifanomezan-tanan’ny olona tao an-toerana no nahavitan’izany fitaovana simba izany.
Kambana : Justine, renim-pianakaviana iray 30 taona no teraka kambana mirahalahy ny alin’ny Noely 25 desambra tao Amparafaravola. Tamin’ny 2ora sy 51minitra ny zaza voalohany no teraka, nilanja 2kg100, raha tamin’ny 3ora sy15 minitra kosa ny faharoa, milanja 2kg eo. Samy salama na ny reniny na ny zanany.
Hampahafantarina : Ho avy ao Amparafaravola hisaotra ny mponina any an-toerana tamin’ny fifidianana fitsapan-kevi-bahoaka natao 17 novambra ny Lehiben’ny Faritra Alaotra Mangoro, Ramandehamanana Richard anio talata. Mandritra izany koa no hampahafantarana ampahibemaso ireo mpikambana CST sy CT zanaky ny Faritra, lanonana izay hatao ao amin’ny kianja be Antsahavola.
Amboaran’ny Noely : Ady baolina kitra fiadiana ny Amboaran’ny Noely no anisan’ny nanamarika ny krismasy 2010 tao Besalampy Faritra Melaky. Lalao izay nokarakarain’ny seksionin’ny kitra ao an-toerana, natao tao amin’ny Kianja Mangarivotra ny sabotsy 25 desambra. Niady ny famaranana tamin’izany ny MTM sy ny Jirama. Tany amin’ny fanalavam-potoana no nandresen’ny Jirama 2 no 1 ny MTM, ka nibatany ny Amboaran’ny Noely.
Aroso : Noho ny tsenan’omby mifanotona amin’ny taom-baovao amin’ity indray mitoraka ity, dia nanapa-kevitra ny mpitondra ao Mandritsara, renivohitr’Androna, faritra Sofia, fa dia haroso ny alakamisy 29 desambra ny tsenan’omby fanao ny sabotsy be ao an-toerana.
Manentana : Tokantrano miisa14 no indray nohamasinina ny fanambadian’izy ireo ny andro noely tao amin’ny EKAR Sambava. Fantatra koa izao fa tonga any an-toerana hatry ny alahady teo ny ministry ny atitany, Jean, andaniny hisaotra ny vahoaka any an-toerana tamin’ny nahavitan’ny fitsapan-kevi-bahoaka ny 17 novambra andaniny, ary ankilany koa dia manentana amin’ny Ezaka Kopia ho Ankizy, izay hetsika maimaimpoana.
Mampitaraina : Mpivady niisa 30 no tapa-kevitra ary notsofin-drano nandritra ny mariazy miara-mizotra notanterahina tao amin’ny EKAR Fenoarivobe, Faritra Bongolava ny faran’ny herinandro iny. Fa anisan’ny nikarakara fety ihany koa ny fiangonana Advantista ao an-toerana, ny sabotsy 25 desambra teo, na tsy dia mankalaza ny krismasy aza izy ireo. Fa ny mampitaraina ny mponina ao Fenoarivobe tampon-tanàna dia ny fahatapahan’ny herinaratry ny Jirama, ny andro krismasy, teo anelanelan’ny tamin’ny roa ka hatramin’ny dimy hariva. Araka ny fantatra dia mbola ho tapaka toy izany koa ny jiro amin’ny taom-baovao na eo aza ny fanelanelanana.
Mitohy : Mitohy ny fizarana fanampiana ataon’ny Madagascar National Park na ANGAP teo aloha ao Marojejy any Andapa (Ankaibe), ho an’ireo Kaominina manodidina ny ala arovana. Anjaran’ny Kaominina Belampona indray no hanohizana izany anio talata 28 desambra, ka hisy ny fizarana kojakojam-pianarana ho an’ny mpianatra. Tsy ho diso anjara ihany koa ireo zokiolona amin’izao asaramanitra izao.
Fiofanana : Hisy fiofanana mikasika ny fanaovana taotrano mahatanty rivodoza hatao ao Fenoarivo Atsinanana, amin’ny tranon’ny Faritra Analanjiforo. Roa andro, manomboka anio talata 28 desambra ary hitohy rahampitso 29 desambra no hanatanterahana izany, ka ry zareo avy ao amin’ny primatiora no hitarika ny fanofanana.
Fanampiana : Tao amin’ny KaomininaVohilava, distrikan’i Nosy Varika nyministry ny jono, nyLietnà-kolonely Mandehatsara Georget, manatitra fanampiana izay voatsirambin’ny tanana, toy ny fanafody, vola, lay misy ody moka, fitaovam-pianarana … hanampiana ireo traboina noho ny hain-trano nitranga tao an-toerana ny 4 desambra 2010 lasa teo. Mpianatra moa no isan’ny voa mafy tamin’io hain-trano io.
Firaisam-pinoana : Niara-nanamasina sy nitsodrano fanambadiana iray ny pretra Curé ao amin’ny EKAR Md Joseph sy ny Mpitandrina ao amin’ny Fjkm Zoara Famonjena ao Maroantsetra ny tolakandro 24 desambra teo. “Mariage mixte” no fiantso azy ity, izay taratry ny firaisam-pinoana ihany koa.
Nangonin’i Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.