Actualités

VAOVAO TAPATAPANY


  • Alatsinainy 27 Desambra 2010


Hala-botry : Nanjaka ny hala-botry tany amin’ny distrikan’i Manja nandritra ny sasakalin’ny 24 desambra. Kalesa iray niampy vilany lehibe iray nahandroina sakafo teo an-tokontany no indray niara-nanjavona araka ny vaovao voaray. An’olona samihafa ireo fitaovana ireo. Nihetsika ny mpitandro ny filaminana sy ny andrimasom-pokonolona taorian’izany saingy tsy mbola tratra ny mpangalatra. Ho an’ny fiangonana katolika kosa dia zaza 33 isa no indray notsofin-drano tamin’io alin’ny 24 Desambra. 

Delestazy : Nanjaka ny delestazy tany amin’ny distrikan’Ambatomainty, Faritra Melaky nandritra ny sasakalina ny fetin’ny krismasy. Anisan’ny lasibatra tamin’izany ny faritra misy ny RNM sy TVM ka tsy nahafahafana nampita vaovao tamin’ny sarambabem-bahoaka.
 
Finoana : Zaza 100 mahery no indray notsofin-drano tao amin’ny fiangonana Loterana Tanambao, any amin’ny distrikan’i Faradofay ny alin’ny 24 Desambra lasa teo araka ny vaovao voaray. Tsy latsa-danja tamin’izany ny niseho teny anivon’ireo fiangonana maro samihafa toy ny FJkm sy ny Katolika.
 
Nakarina : Nakarina hatrany amin’ny 22% ny tambinkaraman’ireo mpiasa eo anivon’ny Faritra Sofia, raha noraisin’ny faritra an-tanana ihany koa ny 75 %-n’ny vidim-panafodin’ny mpiasa raha sanatria tojo tsy fahasalamana izy ireo. Nandritra ny lanonana fanolorana fanomezana ho an’ny mpiasa notontosaina tany an-toerana ny faran’ny herinandro teo no nahafantarana izany.
 
Nitombo : Nitombo ny isan’ireo zaza notsofin-drano tamin’ny alalan’ny fanaovam-batisa teo anivon’ny Fjkm ao an-drenivohitr’Antsohihy ny alin’ny 24 Desambra lasa teo. Tafakatra 78 isa izany raha latsak’izany tamin’ny taon-dasa. Mikasika ny fiatrehana ny fetin’ny krismasy kosa dia tontosa tamim-pilaminana izany tamin’ny ankapobeny.
 
Voatazona : Voatazona avokoa ireo olona rehetra tsy nanana kara-panondro tratra nivezivezy tamin’ny andro alina tao an-drenivohitr’i Belo Tsiribihina nandritra ny sasakalin’ny 24 Desambra ka hatramin’ny afaka omaly alin’ny 25 Desambra. Ho fitandroana ny fandriampahalemana no antony nandraisan’ireo mpitandro ny filaminana ny andraikitra tamin’ny alalan’ny fivezivezena eran’ny tanàna na patrouille.
 
Nafotaka : Nafotaka ny fankalazana ny fetin’ny krismasy tao an-drenivohitr’Ambatofinandrahana. Filaharambe namakivaky ny tanàna nandraisan’ny mponina anjara no nanokafana ny lanonana notarihin’ny ministry ny filaminana anatiny Rakotomihantarizaka Organès sy ny ministry ny fitsarana, Razanamahasoa Christine. Nitohy tamin’ny fifaninanana ara-panatanjahantena izany omaly
 
Nanakoako : Niavaka kosa ny sasakalin’ny 24 Desambra tany amin’ny distrikan’i Vatomandry. Saika re nanakoako tamin’ny faritra maro mantsy ny feon-dakolosy niantso ny olona handeha hamonjy ny trano fiangonana, fotoana natokana hahatsiarovana ny nahaterahan’ilay Mpamonjy izao tontolo izao. Saika feno avokoa ny trano fiangonana vokatr’izany, fotoam-pivavahana nofaranana tamin’ny fizarana mofomamy sy vatomamy ho an’ny ankizy.
 
Loka : Ny loka kosa no tena nameno ny teny amin’ny zaridaina Anosy teny nandritra ny folakandron’ny krismasy. Saika tazana teny avokoa rehefa mety karazan-doka toy ny kodia kely, ny toraka kapoaka…nahitana ny sokajin’olona rehetra izay niandahy niambavy mihitsy. Mbola nitohy hatramin’ny omaly alahady tontolo andro izany araka ny zavatra hita teny an-toerana.
 
Sahirana : Nahatsiaro sahirana nandritra ny alin’ny 24 Desambra ka hatramin’ny afak’omaly sabotsy 25 Desambra lasa teo ireo dokotera mpiandry raharaha niasa teo anivon’ny hopitaly HJRA Anosy. Noho ny hamaroan’ireo olona narary naiditra hopitaly no antony nahatonga izany ankoatra ireo tratry ny ratra mafy vokatry ny adiady sy ny hamamoana. Na izany aza iray ihany no tratry ny lozam-pifamoivoizana araka ny fanadihadiana natao ihany.
 
Niakatra : Niakatra ariary zato ny vidin’ny mofogasy fividy fitopolo ariary ny iray na telo roan-jato hatramin’izay amina fivarotana iray etsy Anosipatrana. Ny ramanonaka no 50 ariary ny iray. Toa tsy manao io mofo sira io intsony izy fa nosoloina mofomenakely izay vidiana 150 ariary ny iray. Mihoatra kely amin’ny an’ny hafa izay mbola 50 ariary ny haben’ny mofogasy. Raha nanontaniana ny tompony dia vokatry ny fiakaran’ny akora fanaovana azy no antony, toy ny siramamy, lafarinina…
 
 
Nangonin’i Pati
 
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

  • Depiote Nicolas Randrianasolo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Mila mitandrina i Kolonely Michael !»

  • HORONAN-TSARY MAMOAFADY
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Tanora miisa 15 no nosamborina

  • KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Ankizy 759 isa notolorana kopia mari-pahaterana

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

Hijery ny tohiny
FTT