Niakatra : Niakatra 80% ny tahan’ireo olona tonga misora-panambadiana etsy amin’ny Boriborintany I tamin’ity volana desambra ity. Noho ny maha fetin’ny Asaramanitra ny volana desambra no mahatonga izany, araka ny fanadihadiana natao. Tsy mijanona ho andro alakamisy sy sabotsy intsony noho izany ny andro safidian’ireo mpifankatia hisora-panambadiana fa efa misy hatramin’ny alatsinainy koa. Toraka izany koa ny eny anivon’ny fiangonana. Ho an’ny FJkm Katedraly Analakely manokana, ohatra, dia mahatratra efatra isan-kerinandro ireo mpivady hamasinina ao an-toerana.
Zandarimariam-pirenena : Hitondra ny anaran’ny Lietna-kolonely Mohajy Andriamahasolo ny Tobin’ny zandarimariam-pirenena eny Fort-Duchesne. Anio zoma 24 desambra no hotanterahina eny an-toerana ny lanonana fitsofan-drano izany.
Fanentanana : Mafotaka ny fanentanana ny mponina mba hitandrina amin’ny sakafo haniny any amin’ny distrikan’i Fenoarivobe, indrindra amin’izao ankatoky ny fety izao. Anisan’izany ireo sakafo ambifotsy efa lany daty sy ny “mayonnaise” natao tanana nefa mialin’andro hisorohana ireo loza mety haterany. Ankoatra izay dia miantso ny mponina ho mailo ihany koa ireo tomponandraikitra any an-toerana mba samy hitandrina amin’ny fiakaran’ny rano.
Nitombo : Nitombo hatrany amin’ny 30% raha oharina tamin’ny taon-dasa ny tahan’ireo olona tonga mividy ireo karazam-pitaovana mandeha amin’ny herinaratra eny anivon’ireo tranombarotra misahana izany eto an-drenivohitra. Ny vata fampangatsiahana no be mpividy indrindra ankoatra “robot” sy ny vata fahitalavitra. Antony mahatonga izany moa araka ny fanazavan’ireo mpividy ny fisian’ny fihenam-bidy hataon’ireny tranombarotra ireny, indrindra amin’izao ankatoky ny fety izao.
Mirongatra : Mirongatra ny mpangarom-paosy eny Analakely. Noho ny habetsahan’ny olona miantsena no mahatonga izany, indrindra amin’iny lalana mihazo an’i Behoririka iny. Tsy misy lalana handehanan’ny fiara intsony mantsy eny an-toerana fa olona avokoa no mameno azy. Miara-dalana amin’ireo mpiantsena mandritra izany ny mpangarom-paosy izay marihina fa tsy matahotra ny mandidy pôketra sy misintona firavaka mihitsy.
Mitombo isa : Mitombo isa tato ho ato Ireo mpanao volo mitady mpanampy na ny “aide coiffeuse”. Olona nianatra izany hoe : efa mba mahafehy amin’ny ampahany ny asa fanaovam-bolo no tena tadiavin’izy ireo karamaina manodidina ny 5000 Ar isan’andro miankina amin’ny habetsaky ny “clients”. Na izany aza tsy fanampiana mitohy no tadiavin’izy ireo fa mialoha sy mandritra ny fety ihany.
Mitohana : Mila hampiteny ny moana mihitsy tato ho ato ny fitohanan’ny fiarakodia eto an-drenivohitra. Tsy ny eto an-drenivohitra ihany anefa fa mahita faisana avokoa ny faritra manodidina rehetra toa an’Anosizato sy Itaosy. Ho an’ity farany manokana moa dia tsy miakatra tsy midina, tsy antoandro tsy alina fa misy fitohanan’ny fiarakodia hatrany izay tena mampikolay ny mponina tokoa.
Sahirana : Sahirana noho ny hafitsoky ny mpanao sinto-mahery sy ny mpangarom-paosy ny ao an-drenivohitr’i Toamasina ao. Efa miaina tanteraka ao anatin’ny fety ihany koa mantsy ny any an-toerana. Feno olona mila tsy azo hodiavin-tongotra ny arabe manodidina ny tsena raha tsy latsa-danja amin’izany ny eny anivon’ny tranombarotra.
Tontolo : Nentanina sy nampianarina manokana hahay hiaro sy hikojakoja ny tontolo iainana ireo mpianatry ny sekoly ambaratonga faharoa ao amin’ny kaominina ambanivohitra Ramena, distrikan’Antsiranana II. Tafiditra ao anatin’izany ilay velarantany 1648 feno ala ao amin’ity distrika ity izay fototry ny fiarovana ny rano fisotro madio any an-toerana.
Whisky : Fahaiza-manaon’ny orinasa Royal Spirit, mpamokatra “whisky” sy ny traikefan’ny Dalie, eo amin’ny fifehezana ny fangaro (blend) no niteraka vokatra miavaka roa. Mitondra ny anarana «Sister Queen» ity zava-pisotro misy alikaola vaovao ity ary manaraka ny fenitra sy ny kalitao maneran-tany nefa nokendrena ho takatry ny fahefa-mividin’ny Malagasy. Araka ny anarany dia maka tsiro somary britanika izy ary mifanaraka amin’ireo marika goavann’ny «Scotch-Whisky».
Nangonin’i Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.